TOMPO ô ! renao isan’andro ny fitalahon’ny olona maro eto amin’izao tontolo izao. Toa lasa fomba fiteny mantsy ny hoe « ady ny fiainana ». Marina tokoa izany. Tompo ô ! Ady ny fiainana satria maro ny tsy mana-kohanina. Mandry fotsy. Indray mandeha isan’andro no misakafo. Zara raha mihinana. Misy ireo mipitrapitra rehefa mandalo eo anoloan’ny fivarotan-tsakafo sy ny toeram-pisakafoanana ho an’izay mahatakatra izany. Toa mitelin-drora sisa azo atao.Nefa toa mila tsy hisy rora azo hatelina intsony satria toa maina ny tena, maina ny tenda, na ny rano aza mila tsy ho hita.Tena noana ny vatana sy ny kibo. Noana koa ny fanahy.

Sento sisa ny mameno ny fo sy saina. Inona moa no azon’ny reny atao ho an’ny zaza mena-vava raha tsy ampy ny sakafo ? Indrindra raha tsy misy ny hatokona. Inona no azon’ny rainy atao raha izy aza tsy nahita asa hatry ny ela ? Ady ny fiainana Tompo ! Tena ady sarotra. Tsy hita izay ho sarongontin’ny maro. Tompo ô ! menatra ny hangataka atsy amin’ny trano mifanila ny maro. Rizareo koa tsy manana ho zaraina satria zara raha misy sakafo ao aminy.Ny tokan-trano tsy hahahaka Tompo ô ! Ka dia ahoana izany no atao ? Hiaritra ? Toa tsy mahajery intsony ny manodidina fa mitanondrika isan’andro ny tenan’ny maro. Mitanondrika koa ny fanahy. Tompo Andriamanitra ô, mamindrà fo, mamelà heloka. Mino izahay fa mihaino vavaka Ianao ary hisy ireo izay hanolotra sakafo. Hisy ireo izay hanokatra ny tanany satria ampy ny azy ary afaka sy tokony hizara tokoa.Eny fa na dia sombintsombiny aza. Ny Fanahinao Masina hanome hery ny osa ary hampahiratra ny mason’izay afaka manampy, ka tsy ho reraka na ara-batana na ara-panahy izay tsy manana hamelomana ny tenany androany. Renao Tompo, ny vavakay.Misaotra Andriamanitra fa mitahy ny olombelona rehetra Ianao.