TENY ho vakiana

I Samoela 26 : 2-23

I Koritiana 15 : 45-49

Lioka 6 : 27-38

Ny Filazantsara novakiantsika androany dia mitohy amin’ny fanambarana fahasambarana nataon’i Jesosy tamin’ny heriny. Manahirana ity Jesosy ity satria manambara zava-baovao mahasakodiavatra. Nambarany fa sambatra isika raha mahantra, raha noana, raha mitomany, raha halan’ny olona. Eto indray dia asainy mitia ny fahavalo. Tsy mora ny manaraka ny Tompo. Dia hoy isika angamba ho mora amin’i Jesosy izany hitia ny fahavalo izany satria Andriamanitra Izy. Fa raha olombelona sarotra izany e ! Ho hitatsika ao aoriana fa mangataka zavatra tsy ho tanteraka Jesosy. Nefa rehefa mijery izay voalaza ao amin’ny bokin’i Samoela isika izay novakiana teo dia mahita fa mety ho vitan’ny olona ihany izany. Ny tantara dia hahitatsika an’i Davida izay nenjehan’i Saoly sy kasainy ho vonoina rehefa afaka namono an’i Saoly izay nifofo ny ainy no tsy nanao izany. Ary tsy izy akory aza no hamono fa ilay namany niaraka taminy. Na izany aza tsy neken’i Davida ny hamonoana an’i Saoly.

Fa iza moa ny fahavalo lazain’i Jesosy ? Mba hahatonga antsika tsy hanamaivana ny mety ho dikan’ny teny hoe : fahavalo dia nanome ohatra fito momba izany Jesosy. Ny fahavalotsika ? Izay mankahala antsika. Izay manozona antsika, Izay manisy tehamaina amin’ny takolatsika, Izay maka ny ankanjotsika, Izay mitaky zavatra amitsika, Izay mangalatra sy misoloky antsika. Mora ery ny milaza hoe : »Tsy manana fahavalo aho. Mifakahazo amin’ny olona rehetra aho. Nefa rehefa mandinika tsara isika dia mahita fa betsaka ihany ireo nanao ratsy tamitsika. Nambaran’i Jesosy indray « Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo… »Tian’ny Tompo ho jeretsika ny manodidina antsika. Ireo izay tsy mitovy hevitra amitsika, ireo izay manahirana antsika ny fiarahana aminy, ireo tsy mitovy hevitra ara-politika amitsika, ireo izay sarotra ery ny mitia azy noho ny hataony. Fa raha ireo mahateho tia ihany no tintsika, mbola mitovy ihany amin’ny Jentilisa isika. Mifamonjy ny jentilisa, ny tsy mpivavaka, ny mpangalatra sy ny mpamono olona aza. Tsy izany anefa no tadiavin’i Jesosy fa tsy maintsy mihoatra izany. Tsy ny namana, tsy ny mpifanolobodirindrina, tsy ny mpiray petsapetsa fa mihoatra ireo. Raha ny marina dia tonga amin’ilay lazain’ny teny frantsay hoe : amour sans frontière » no tadiavin’i Jesosy. « Tiava ny fahavalonao »

Fa nahoana Jesosy no mangataka amitsika ho tia ny fahavalotsika. Ny valiny dia ny tokony hakana tahaka an’Andriamanitra. Hoy Izy : »Fa Izy (Andriamanitra) mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ratsy fanahy ». Tsotra ihany noho izany ny valiny : « Maka tahaka ». « Aoka ho mpamindra fo hianareo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ». Andriamanitra dia tia ny zanany rehetra indrindra ireo tsy tia Azy.

Halaim-panahy isika hilaza hoe : Izy anie Andriamanitra dia mora ny miteny izany e ! Diso anefa isika raha mihevitra izany satria noho ny fitiavany ny fahavalony dia nekeny ny noviravirain’izy ireo ka tonga hatramin’ny fahafatesana izany.

Io teny nataon’i Jesosy io : »Tiava ny fahavalonareo » no antoka amin’ny hisin’izao tontolo izao. Feno fitaovam-piadina mahery vaika izao tontolo izao. Indray mipy maso fotsiny dia ho potika izao tontolo izao raha tsy ezahantsika ho toavina io tenin’ny Tompo io. Isika kristiana no voalohany tokony hampiatra izany. Ny maso solony maso no hahatonga izany fahapotehana izany. Ny tsy mamaly ny ratsy no hampiato ny ady. Ho faranatsika amin’ny tenin’i Martin Luther King izao fandinihantsika izao dia ny hoe : » Hatovy izay tianareo hatao aminay fa izahay kosa hanohy ho tia anareo »