TENY hovakiana

Jeremia 17 : 5-8

IKoritiana 15 : 12, 16-20

Lioka 6 17, 20-26

Fantatsika kokoa ny Fahasambarana voalaza ao amin’ny Filazantsaran’i Matio toko faha-dimy. Hafa kosa ny fahasambarana voalaza eto amin’ny filazantsaran’i Lioka. I Matio raha nitantara dia nanipika ny fahantrana am-panahy. « Sambatra ny malahelo am-panahy » . Fa Lioka kosa dia ny mahantra ara-nofo mihitsy no nolazainy fa voalazan’i Jesosy. « Sambatra hianareo malahelo » Ary izany dia notohizana hoe :Sambatra hianareo noana ankehitriny fa ho vokisana hianareo ». Ary dia nitohy tamin’ny filazana loza ho an’ny mpanakarena izany avy eo.

Moa tsy manahirana antsika va ny mandray izany toritenin’ny Tompo izany ? Ahoana noho izany no tokony handraisantsika azy ?

Avy amin’izany indrindra no nahatonga ny olona ilaza fa fampandriana adrisa fotsiny ny voalazan’i Jesosy. Ary ny sasany aza dia manenjana fa rongony ny fivavahana kristiana noho izy mampanatena ny tsy misy ho an’ny olona. Raha jerena maika dia mety ho marina izany. Nefa rehefa mahita ireo asa nataon’i Jesosy ho an’ny mahantra isika, rehefa mandinika fa tamin’ny izy tety ambonin’ny tany dia ny hanala ireo fahoriana nahazo ny olona toy ny aretina, hanoanana sns… no nimasoany

Mety ho azo vinavinaina koa angamba ny hoe : kodiara-tsarety ny fiainana koa ny mahantra mety ho tonga mpanakarena ary ny mpanakarena ho tonga mahantra. Nefa raha izay dia hiverina foana ny zava-mitranga satria ireo mpanakarena vaovao dia hiharan’ny tenin’ny Tompo hoe : « Lozanareo ». Koa tsy ny harena mihintsy ve no ratsy ary ny fahantrana no tsara.

Nefa inona no zavatra tsara ao amin’ny fahantrana ary iza no maniry ho mahantra. Ny valiny angamba dia mety ho hitatsika amin’izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Jeremia izay an’isany ireo teny tokony ho dinihina anio. Tahaka izay voalaza ao amin’i Lioka dia hitatsika eto karazan’olona roa : »Ho voahozona izay olona matoky olona, sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’i Jehovah ny sandriny…Hotahiana izay olona matoky an’i Jehovah dia izay manana an’i Jehova ho tokony. »

Ny baiboly manontolo dia saika milaza izany daholo. Izay mety hitranga ny mpanakarena dia hatoky ny hareny ka hihevitra tsy hila intsony an’Andriamanitra fa ny mahantra kosa satria tsy mahita hianteherana dia mitodika kosa amin’Andriamanitra. Jesosy dia nilaza fa ny mamona (vola) dia mpamitaka satria tsy afaka manome antsika ny fahasambarana mandrakizay irin’ny olona izy.

Ny fanana ny ampy tsy heloka akory. Ny mihinana araka ny tokony ho izy tsy fahadisoana akory. Ny mifaly sy ny mihomehy satria ravo iza no hanome tsiny izany ? Nefa raha mamily ny lalatsika amin’Andriamanitra izany araka izay voalazan’i Jeremia dia azotsika lazaina izay voalaza ao amin’i Lioka hoe « Loza ho anareo mpanakarena… ho anareo voky sns… »

Etsy andaniny, ahoana moa no hahasambatra ny mahantra ? Valiny, satria hoy Jesosy hoe : « Azy ny fanjakan’Andriamanitra » Noho izany ny fahasambarana tsy vitana sy anjara akory tsy lahatra akory aza fa ny fisokafan’ny fo. Resaka safidy io. Tsy hoe tsy maintsy mahantra vao hahita fahasambarana akory. Misy olona mahantra tsy mahita fahasambarana, satria ilay fahantrany tsy nampitodika azy tamin’Andriamanitra fa vao maika nampiodina azy taminy. Mba hahazoana ny fahasambara dia tsy maintsy mitodika any amin’ny Jesosy isika. Ka ny fahantrany dia tarafiny ao amin’ny fahazavanan’i Jesosy. Ny firaisany amin’ny Tompo no manome azy fahasambarana. Io fahasambarana lazain’i Jesosy io dia tsy ho tena tanteraka raha tsy any an-danitra, nefa dia atomboka dia ny ety izany.

Manaitra ihany ny filazan’i Jesosy momba ny harena sy ny fahantrana nefa dia tena Vaovao Mahafaly raha haitsika ny mandray azy.