TENY ho vakiana

ISAIA 6 : 1-8

I KORITIANA 15 : 1-17

LIOKA 5 : 1-11

In’efatra raha amin’ny Testementa Vaovao no jerena no hahita ny tantaran’i Jesosy sy ny Sambokely. Ny iray voalohany dia ny nahatratran’ny tafio-drivotra ny sambokely izay nisy an’i Jesosy sy ny mpianany. Ny faharoa dia ny nahitan’ny mpianatra, izay tao an-tsambokely, an’i Jesosy nadehandeha teny ambony ranomasina. Ny fahatelo sy ny faha-efatra dia ity tantara voalaza eto amin’ny Lioka toko faha-dimy ity izay hahitana ani’ Jesosy mitoriteny amin’ny vahoaka rehefa niataka kely ny morona ary koa ny nanirahan’i Jesosy an’i Simona sy ny namany tamin’ny lalin-dalina kokoa hanarato.

Mazàna ny sambo na ny sambokely no nampisehona ny fiainan’ny olona na ny fianan’ny fikambanana. Raha ity eto amin’i Lioka ity dia mampiseho indrindra ny Fiangonana ny sambokely. Ary moa tsy izany tokoa va no hitatsika eto. Indro Jesosy naka sambokely iray,izay nahatany kely ny olona, toa ny polpitra iray ary araka ny voalazan’i Lioka dia nanomboka nitoriteny tamin’ny olona Izy. Iza amitsika no tsy hitsiriritra izany ka hisaina fa rehefa tonga any am-piangonana isika dia i Jesosy mihitsy no indry mitoriteny ery amin’ny polipitra. Ho an’ny protestanta dia manana izay maha izy azy ny toriteny ary raha fanompom-pivavahana tsy misy toriteny dia tsy vitsy no milaza azy ho tsy fanompom-pivavahana. Alaivo an-tsaina hoe I Jesosy no mitoriteny eo amin’ny vavan’ny mpitandrina na ny mpitoriteny. Hanao ahoana aminao ny lanjan’izany.

Angamba io sambokely io, sambokely efa tonta ka nofatsipatsiana mba tsy hidiran’ny rano. Nefa dia sambokely noraisin’i Jesosy hitoriana teny. Toa sarin’ny Fiangonatsika izany. Fiangonana manana izay fahalemeny, manana izay maha olombelona azy, fiangonana mahantra nefa dia neken’i Jesosy hidirana sy hitenenana.

Rehefa avy nitoriteny Jesosy dia niteny tamin’i Simona Petera hoe : « Mandrosoa any amin’ny lalina ka alatsao ny haratonareo hahazoana hazandrano ». Raha ny teny grika nandika ny teny hoe lalina no jerentsika dia tsy midika fotsiny hoe rano lalina fa hatsana tsy hita noanoa mihitsy no tiany ho lazaina. Raha izany azo lazaina ho toa izao no notenen’i Jesosy « Ry Simona mandehana any amin’ny lalina ianao ka sedrao ny fisafotofoton’ny rano sy ny halaliny ». Namaly avy hatrany Simona Petera hoe : »Nandritry ny alina no nikelezanay aina nefa tsy nahazo, nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato ». Raha raisitsika ho ny Fiangonana dia ho toa izao angamba no lazaitsika :  » Efa nanao izay azonay natao izay Tompo teto amin’ity fiangonana ity nefa dia hitanao fa izao ihany no fandrosoany ». Sao dia tsy mbola nisetra ny lalina kosa aza ianao ry Fiangonana fa nihanina fotsiny tamin’ny : « efa nanao izay azo natao » I Simona Petera dia niteny hoe : « Nefa noho ny teninao dia… » Ny tena kristiana dia mihaino ny tenin’ny Tompo ary vonona hanao izay nanirahany na dia heverina ho zava-tsy vitan’olombelona aza.

Ny tohin’ny tantara dia ny fahazoan-dRy Simona Petera hazandrano be. I Lioka dia nanipika ny habetsahan’izany : tsitra ny harato, ary niantso namana mihitsy vao nahazaka ny hazandrano. Ny fandrosoan’ny Fiangonana dia tsy misy afatsy ny fihainona ny tenin’ny Tompo, ny fanekena izany ary ny fanatanterahana ny nanirahan’ny Tompo eny fa na dia zava-tsarotra aza no hiverantsika izany. Impiry isika no diso fanatenana eo amin’ny fanompona ny Tompo. Lany fotoana, lany vola aman-karena, na ny fahasalamana aza tsy zarizary nefa dia fahadisom-panatena foana no vokany. Na izany aza mbola lazain’ny Tompo ihany fa mbola tokony hanao mafimafy kokoa. Raha mino isika dia manampy ny Tompo.

Izay hamarako azy dia ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera hoe : « Aza matahotra ». Hery lehibe ho an’ny Fiangonana io. Na dia sangy mihoatra ny loha aza no takin’i Jesosy dia miteny amnao Izy hoe : « Aza matahotra ». Teny fampiasan’i Jesosy io taorin’ny nitsanganany tamin’ny maty ary dia izay koa no hamaranako ity toriteny ity.