TENY HOVAKIANA

Genesisy 15 5-19

Filipiana 3 : 17-21, 4 : 1

LIOKA 9 :28-36

Tsy vitsy no milaza fa mino fa tsy makany am-piangonana fotsiny (croyants non pratiquants). Rehefa tomorinao anefa izy ka hanotanianao dia milaza ny hoe : « Izaho anie mino e ! Mino an’Andriamanitra aho ». Nefa ny jiosy sy ny slamo koa mino an’Andriamanitra. Ny demonia aza hoy Jakoba mino ka mangovitra (Jakoba 2/19). Raha fakafakaitsika ny ao amin’ny fanekem-pinoana dia voalaza ao ny finoana an’Andriamanitra, saingy fehezan-teny roa monja izany. Fa izay mampiavaka antsika amin’ny hafa dia ny finoana an’i Jesosy Kristy, fehezan-teny enina ambin’ny folo no hilazatsika azy. Jesosy ilay Andriamanitra tonga ho olona no mameno ny fanekem-pinoantsika.

Jesosy ilay tonga ho olona tahaka antsika. Nandalo ny fahoriana rehetra mpahazo antsika. Nitovy tamin’ny farahidiny indrindra amitsika. Nanana tanana izay nivoa-dra raha notsindronina tamin’ny rezatra, nanana maso nitomany, nahatsiaro sasatra tahaka ny olombelona rehetra…

Indray andro izany Jesosy olombelona izany, Zanak’olona moa no hiantsony ny tenany dia nitondra ireo mpianatra telo lahy : Petera, Jakoba sy Jaona niakatra tany an-tendrobohitra ary naseho tao ny maha-tena Andriamanitra Azy. Raha dinihitsika izay volaza dia tsy misy hafa tamin’ny nisehon’Andriamanitra tany Sinaï no hita tao an-tendrombohitra. Ny tendrombohitra, ny fahazavana, rahona, ny tahotra nahazo ny mpanatrika ary ny feo avy tao amin’ny rahona dia mampahatsiaro antsika ny fisehon’Andriamanitra izay hita tao amin’ny Testamenta Taloha.

Ny tena finoan’ny kristiana an’Andriamanitra tsy finoana manjavojavo fotsiny akory, fa ilay fahasahiana manambara fa ny voninahitr’Andriamanitra dia tazana eo amin’ny tavan’ilay Zanak’olona dia Jesosy Kristy. Ny fiovan-tarehin’i Jesosy dia hahatsinjovana sahady ny mety ho fiova-terehitsika koa. Tsy ho namorona ity tenatsika mety maty ity Andriamanitra raha tsy efa nisaina ny hitsanganatsika amin’ny maty. Io fitsanganana amin’ny maty io ka hitafiatsika ny tsy mety maty no isan’ny zava-dehibe ambaran’ny Soratra Masina amintsika. Nanaiky ho tonga olona Andriamanitra mba hahatonga antsika ho lasa zanany ka handova tahaka an’i Jesosy ny tsy fahalovana sy ny voninahitra mandrakizay.

Ny fiovan-tarehin’i Jesosy tao an-tendrobohitra no mitarika ny saintsika hahita valiny amin’ny fanotaniana apetratsika manao hoe : « misy dikany ve ny fiainana ary mankaiza izy ? « 

Marina fa betsaka ny zava-mandalo eo amin’ny fianatsika izay mitondra fahatonena sy fahasambarana ao ny fiainana, toa ny : fifankatiavana, ny fitiavana, ny kolotsiana, ny fandrosoana, ny rariny, ny hitsiny. Nefa koa etsy an-daniny dia misy koa izay heveritsika fa tsy ilaina sy manimba nefa misy eto an-tany toa ny ady, ny mosary, ny tondra-drano sns… Tsy azo ialana ny tsy hametraka fanotaniana hoe : « Inona ihany no hiafaran’ny fiainatsika ? Iza no hanjaka any amin’ny farany ny tsara ve, ka ho fahasambarana mandrakizay no iainana sa ny ratsy ka ho fahafatesana sy ho faharavana no hiandry antsika ? »

Raha mamerina ny tantara isika dia mahita fa ireo mpianatra telo lahy ireo ihany dia Petera, Jakoba ary Jaona no netin’i Jesosy nitokana tany Getsemane. Io tarehin’i Jesosy mamirapiratra io dia ho hitan’izy ireo feno hatsemboana sy ra. Ho antsika koa mbola mifamaofao ny fiainatsika ka misy fahoriana sy ny fijaliana nefa ny kristiana dia mbola manatena fa :  » Ny olombelona na inona na inona toetrany sy fahalemny ary fahatsotsany dia tsy natao ho an’ny fasana mandrakizay akory. NY olombelona koa dia hiova tarehy tahaka an’i Jesosy niova tarehy tany an-tendrobohitra. Miandry ny Tompo isika mba hanova ity nofotsika mety ho lo ity ho tahaka Azy. Matio dia nilaza hoe : « Niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro »raha nilaza ny fiova-tarehin’ny Tompo izy. (Matio17/2) Ary hoy ihany Matio raha miresaka ny olombelona izy : »Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. » (Matio 13/43). Saingy raha mandinika tsara isika dia voalazany ao ny hoe : »Ny marina ». Raha jeretsika ny Daniela 12/3 dia ny teny hoe hendry no voasoratra ao. Izany hoe tsy ny rehetra akory. Hamirapiratra tahaka ny masoandro isika nefa hiankina amin’ny asatsika izany. Ny safidy hataotsika no hiantoka ny hiovatsika tarehy tahaka an’i Jesosy. Indro ho famaranana averiko eto izay voalaza ao amin’ny bokin’i Daniela : »Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha : ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay hendry dia hamirapiratra tahaka ny famirapiratry ny lanitra. Ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria. » (Daniela 12/2-3)