TENY ho vakiana

Isaia 60 : 1-6

Efesiana 3 : 2-6

Matio 2 : 1-12

Telo tonta ny zavatra raiketin’ny andro androany :

Voalohany raha ho antsika malagasy dia alahady fandraisan’ny taom-baovao androany. Teo amin’ny kristiana malagasy Protestanta dia tena zava-dehibe izany satria eo ny iray fiangonana no mihaona ary mifampiarahaba tratry ny taona. Tahaka ny Krismasy dia feno koa ny fiangonana amin’io fotoana io.

Faharoa amin-drizareo Katolika orthodoxe dia androany ny Noeliny. Ny fotoana nahatongavan’ny magy namangy an’i Jesosy no Noeliny.

Fahatelo dia ny Epifania androany ary ho an’ny aty Frantsa ohatra dia mirakitra zava-dehibe izany. Namorona fomba fanao izay nanjary raikitra aza izany ka nasiana mofomamy izay zaraina mihitsy. Nitana toerana lehibe izany ka ohatry ny tsy mety raha tsy manao io fizarana ny galette des rois io ny olona.

Raha mijery izay voalaza ao amin’ny bokin’Isaia isika dia hita fa izay nambarany dia zava-nisy teo amin’ny fiainanan’ny Zanak’Israely tao amin’ny fahababona. Aizina no teny nampiasain’Isaia raha milaza izany izy ary ny tena tao anatin’ny fotoana fahababona mihitsy no nitrangan’ny zavatra nolazainy. Raha misy zavatra tsy tantin’ny Zanak’Israely indrindra dia ny fahabobana. Taminy dia tsy nisy andro mihiratra mihintsy tamin’izany fotoana izany. nefa tao anatin’izany no nilazana tamin’ny hoe : Fa aminao kosa no hiposahan’i Jehovah ary aminao no hisehon’ny voninahiny. Ary raha tohizantsika ny famakiana ny Isaia 60 dia manambarana zavatra tsy fahita amin’ny andro fahababona mihintsy izay voalaza. Raha amitsika kosa no lazaina dia azo lazaina ve fa mitovy amin’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany isika. tsia angamba no havaly avy hatrany. Moa tsy fiadanana ve no hita hateraky ny fahaizana sy ny teknika ka tsy misy hatahorana ny ho avy. Ary raha amin’izao tao-baovao izao tsy fifaliana ve no tokony hameno ny fo. Nefa tena izany tokoa ve ny zavatra mitranga. Nefa rehefa jerena ny fiaiana ka henona ny vaovao dia tandidon-doza izao tontolo izao. Ary raha ity taona ity fotsiny no jerena tsy fantatra izay ho rahampitso. Ao ny ady ka hisin’ny firenena mandroso manana baomba atomika. Iray amin’ireny fotsiny no mipoaka dia hitarika faharavan’izao tontolo izao. raha ny toetr’andro sy ny tontolo iainana indray dia haharitra hafirina no mbola hampisy ny tany. Eo no ilazana fa ho anao izay mino kosa dia lazaina ny vaovao mahafaly ny Tompo no homba anao.

Ny apostoly paoly ao amin’ny Efesiana dia milaza fa ilay mazava voalaza ao amin’ny bokin’Isaia dia tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy. Manoloana ny aizina dia tonga ny mazava ary io Mazava io dia Jesosy. Ny fahatongavan’i Jesosy teto an-tany no hamoriana indray izao tontolo izao ho ao ambany fiahin’Andriamanitra. Manjary mpandova sy mandray anjara avy amin’ny asan’Andriamanitra ny olona rehetra. Ary ny fahatongavan’ny magy namangy an’i Jesosy tamin’izao nahaterahany izao no isan’iray mampiseho mivantana izany fikasan’Andriamanitra izany. Nahatsapa ireto magy ireto fa izao fahaterahan’i Jesosy izao dia fiatomboan’ny zava-baovao nataon’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao. Ary dia nitsaoka Azy izy noho izany zava-dehibe izany na dia zazakely aza I Jesosy tamin’izany fotoana izany.

Isika koa andeha hitsaoka sy hidera Azy. Nosokafan’ny Tompo ny varavaran’ny fanantenana ho an’ny olona rehetra. Koa andeha hihoby sy hihira ary hisaotra ny Tompo.