TENY ho vakiana

Jeremia 1 : 4-19

I Kotitiana 13 : 1-13

Lioka 4 : 21-30

Mazàna tsara ihany ny mijery izay voasoratra ao amin’ireo teny voalahatra rehetra mba hahazoana ny hafatra tian’ny Tompo ho lazaina amitsika. Ny zava-misongadina amin’ireo teny voalahatra dia ny filazana fa ny mpaminany izay mpitondra hafatra avy amin’Andriamanitra dia halan’ny olona. Jeremia ohatra dia nafarana mba tsy hatahotra ny hilaza izay rehetra nasain’ny Jehovah ho lazaina, satria mety hiteraka hatezerana ho an’ny olona izany. Ary izany indrindra koa no nahazo an’i Jesosy tao Nazareta rehefa nilaza ny zava-marina tamin’ny mponina tao Izy.

Ny fotoana iainatsika dia hahitana betsaka izany. Impiry moa no heno amin’ny filazam-baovao fa nisy namono ny mpanao Gazety iray satria nilaza ny marina izy sy ny zavatra maro hafa tahaka izany koa. Ary ny Fiangonana rehefa nanidrotsindrona ny tsy mety misy eto amin’ny fianana an-davan’andro dia henjen’ny fanjakana sy ny olona. Hany ka misy ny tsy sahy milaza ny marina ny mpitondra tenin’i Jehovah. Raha jeretsika izay voasoratra ao amin’ny Lioka 6 : 26 dia tena marina ny voalazatsika teo aloha, hoy ny Tompo : »Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra ! fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka. »

Fa manjohy ny tantara voalaza eto isika fa tamin’ny voalohany dia tena talanjona tamin’ny teny nataon’i Jesosy ny olona satria fantany fa tena mamaly ny zavatra tadiavin’ny olona ny voalazany. Tsy dia ratsy noho ny any an-kafa akory ny mponina tao Nazareta. Rehefa niteny i Jesosy hoe fa tonga izy hitory fandefasana ho an’ny mpifatotra…hanafaka izay ampahoriana, hitory ny taona hakasitrahan’i Jehovah dia nahafaly ny olona ny nandreha izany. Dia mametraka fanotaniana isika fa nahoana no nivadika tampoka teo izany ka nanjary halan’ny olona Jesosy. Ny valiny dia voalazan’ny Lioka. Amin’izy ireo dia ny zanak’i Josefa io ary ny zanak’i Josefa tsy ho Mesia velively akory. Nefa i Jesosy tsy zanak’i Josefa satria ny Fanahy Masina no nitorotorona Azy araka izay hita ao amin’ny Lioka 1 : 35 sy ny Matio 1 : 20. Nasaina koa Jesosy hanao izay nataony tany Kapernomy. Nanana izay notakiany tamin’i Jesosy koa i Nazareta ary notereny hitovy amin’izay niheverany azy Jesosy.

Teren’ny olona tahaka an’i Jesosy hanaraka izay heveriny koa ny Fiangonana, ka ny Fiangonana ny tokony hanaraka ny toetr’andro, fa tsy ny olona no tokony hihova araka izay hilan’ny Tompo azy.

Aza manahaka ny mponina tao Nazareta isika ka rehefa milaza zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreritsika Izy dia henjika tsy akihato no hataotsika aminy.

Ny mponina tao Nazareta dia tsy nihanona tamin’izao fa nikasa hamono mihitsy an’i Jesosy. Tsy niova anefa Jesosy satria tsy azon’ny olona terena hanaraka ny heviny Andriamanitra. Tsy maintsy mandeha azaka ny eritreriny Andriamanitra. Eto na dia nentin’ny olona halatsaka tao anaty hantsana Jesosy. Nefa hoy Lioka hoe « Izy namaky teo afovoany dia lasa nandeha. Moa tsy nihevitra toa izany koa va ny Jiosy ka nitondra an’i Jesosy tany Gologota. Tsy voatana tao am-pasana anefa Jesosy fa nitsangana. Ary ity tantara ity dia mampahatsiaro antsika ny Paska satria nihevitra ny olona fa hamono an’i Jesosy nefa tsy tana Izy fa nitsangana.

Aza manome tsiny ny mponina tao Nazareta isika, satria mba tahaka azy koa isika amin’ny kajy kelitsika ka tadiavitsika hotazonina hanaraka ny eritreritsika Andriamanitra.