TENY ho vakiana

Isaia 50 : 4-7

Filipiana 2 6-11

Lioka 19 28-40

Manomboka androany izay lazaitsika hoe Herinandro Masina. Raha any Madagasikara dia isan’andro na ny maraina na ny havira arakaraky ny fiangonana dia misy hatrany ny fanompom-pivavahana hahatsiarovana izany.

Raha mandray ity alahady izay andro voalohany amin’ny herinandro masina ity isika, izay mahagaga antsika dia ity : « Nahoana i Jesosy izay hatramin’izay namepetra ny mpianatra tsy hilaza amin’ny olona ireo izay heveriny ho fanindraindrana ny Tenany, toy ny fahagagana sy ny sisa, raha tsy efa nitsangana tamin’ny maty Izy, no tsy hoe nanaiky fotsiny fa nampanao mihintsy ity fiakarana am-boninahitra tany Jerosalema ity. Nefa raha manaraka tsara izay voasoratra isika dia mahita fa efa nolazain’ny mpaminany Zakaria izany : » Mifalia indrindra ry Ziona zanakavavy. Manaova feo fifaliana ry Jerosalema zanakavavy. Indro ny Mpanjakanao avy ho anao. Marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky dia zana-boriky tanora. Ary ho foanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, na soavaly any Jerosalema. Ho foanana koa ny tsipika fiadiana, ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy. Ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina… » (Mika 9 : 9-10)

Izay hitatsika dia Mpanjaka ny fiadanana sy ny fandriapalemana izay manana fahefana tsy hita fetra no voalaza. Samy miandry Mpanjaka hanafaka azy daholo ny jiosy rehetra. Na ny mpianatra, na ny olo-tsotra na ny fariseo aza. Ny mpianatra sy ny olo-tsotra dia faly raha noheveriny fa tonga ny fotoana hanakifihina amin’izay ny Romana. Hany ka dia napetrany teny amin’ny lalana nalehan’i Jesosy ny lambany ary dia nanapaka sampan-drofia izy ireo no sady niantso hoe : Isaorana anie ny Mpanjaka … » Ny fariseo kosa tsy faly fa na dia ho avy aza ny Mpanjaka tsy Jesosy io Mpanjaka nantenainy io.

Ho an’ny mpianany dia tsapan’i Jesosy tsara fa rehefa hahita Azy ho viravirain’ny olona ireo mpanaraka Azy ireo dia hihozongozona ny finoanay ka tsy hino intsony an’i Jesosy izy eny fa na dia ny mpianany roa ambin’ny folo lahy aza. Koa tsara ihany ny haha-velon-tsoratra ao an-tsain’ny mpanaraka ny maha-mpanjaka Azy. Ho an’ny Jiosy indray dia tiany hambara fa tsy tonga hanangana ady amin’ny Romana Izy. Fa tonga kosa hitondra fiadanana ho an’ny olona.

Ny saika tadidy raha miresaka ny Alahadin’ny Sampan-drofia na alahadin’ny Sampa-kazo dia ny fifaliana be sy ny Hosana ! nataon’ny olona. Ny hadino dia ny tomanin’i Jesosy. Nanomboka eo ny fijaliany ary izany no tsy azo hanasarahana ny alahadin’ny Sampan-drofia amin’ny Herinandro Masina. Mitomany Jesosy satria mijery ireto olona tsy mahafantatra na inona na inona. Mitomany i Jesosy satria na ny mpianatra efa nilazana ny tsy maintsy hijaliana aza minia tsy teha hahafantatra izany. Mitomany Jesosy mahita ireo olona toa havezivezin’ny rivotra ka afaka herinandro monja dia hanjary hankahala Azy. Mitomany Jesosy fa naniry koa raha naniry ny hitondra fandriamahalemana sy fahasambarana, nefa nolavin’ny olona izany. Mitomany Jesosy satria tsinjony ny hanjoa ireto olona tsy nahatsiaro ny andro namangiana azy ireto.

Ry havako toa tena lavitra antsika izany. Ny tomanin’i Jesosy inona moa no hidirako amin’izany. Nefa mijery antsika Jesosy dia mitomany. Mitomany Jesosy satria ao anatin’ny fifalianao hadinonao Jesosy, mipiripirina ery an-joro-trano Izy. Eny fa na dia ny fifaliana izay tokony hiarahana Aminy aza. Firifiry koa moa ny fanasana natao noho ny batisa sy fandraisana ho mpandray no miafara amin’ny ady sy korotana satria zava-pisotro sy dihy no mameno izany fotoana izany. Mitomany Jesosy satria nolavinao ankitsirano ilay fahasambarana atolony. Mitomany Jesosy satria tsy tsapanao ny vidin’ny nisolo anao. Azotsika tohizana lavabe izany. Saingy ny tokony ho tadidy dia ilay fitiavany sy ny lanjany ny niaretany mba hahatonga antsika ho ampoky ny fifafaliana sy ny fahasambarana.

Dia mbola hanampy trotraka ny fahorian’i Jesosy ve aho amin’ity Herinandro Masina ity ka hampitomany azy noho ny ataoko ?.