TENY ho vakiana

Nehemia 8 : 1-10

I Koritiana 12 : 12-30

Lioka 4 :14-21

I Lioka dia milaza eto fa fanaon’i Jesosy ny makany amin’ny Synagona isan-tsabata. Na dia kely aza i Nazareta satria araka ny mpandinika dia tanana kely tsy misy afatsy trano folo eo ho eo, dia nisy Synagoga tao.Eto i Lioka dia milaza fa nitsangana hamaky teny Jesosy, amin’ny Filazantsara hafa anefa dia voalaza fa nangatahana Izy hamaky teny. Heverina fa noho ny maha kely an’i Nazareta dia tsy nisy olona mahay mamaky teny firy tao an-tanana ary i Jesosy dia mety efa ho zatra nmanao izany fony Izy nipetraka tao Nazareta. Amin’ny fotoana hiresahatsika izao dia efa nanomboka nalaza tamin’ny manodidina Jesosy. Koa rehefa tonga tao Nazareta Izy dia maso hafa tsy sahala amin’ny isan’andro no nijeren’ny olona azy. Nitopy tany aminy daholo ny mason’ny olona. Na dia efa mahazatra aza ny mahita Azy mamaky teny. Ny olona nanatrika dia nihevitra fa tsy hijanona amin’ny famakina teny Izy fa hivaofy izany mihitsy.

Ny teny ho vakiana dia efa vooalahatra ary dia namaky ny horonatsoratra nomena Azy fotsiny Jesosy. Ny Isaia faha 61 1,2 no novakiana. Vita ny famakiana teny dia mipetraka Jesosy ; Ny olona anefa niandry. Tsotra anefa no notenen’ny Tompo ho valin’ny fiandrasan’ny olona azy hiteny hoy Izy : » Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. »

Ny tananan’i Nazareta araka ny voalazatsika dia tanana Kely mahantra. Izany ny nahatonga ny mpianatr »i Jesosy anakiray niteny hoe : »Moa va mba misy zava-tsoa avy any Nazareta ? Alaivo an’eritreritra tantsaha tahaka izany no nilazana taona feno fahasambarana avy amin’i Jehovah no iainanany ka : ny mpifatotra ho afaka, ny malahelo hitoriana teny soa mahafaly, ny jamba hampahiratana sy ny maro hafa koa. Tahaka ny tamin’ny heriny dia indro indray Jesosy manaiky hitondra fahasambarana ho an’ny olona.

Raha manatona ny Tompo isika aza hafenina ny zava-manahirana antsika na ara-nofo izany na aram-panahy fa izany no nahatongavany. Raha tsy manana zava-manahira isika, raha tsy manana zava-tsarotra, raha tsy manana fahotana dia tsy mila Mpamonjy isika. Hakipio ny masona dia eritrereto ny inona no tianao hamonjen’ny Tompo anao.

Tsotra dia tsotra ny toriten’i Jesosy. Teny kely fotsiny no noteneniny : « Androany no efa tnteraka eto aminareo izany soratra izany » nefa i Lioka dia nilaza fa nahatalanjona ny olona izany ka nahatonga ny olona hankalaza Azy.

Tamin’ny teny nataony dia tiany ho lazaina fa ny vaovao mahafaly tsy teny foana akory fa zava-misy. Tsy nilain’i Jesosy ny nanao teny lava sy niady hevitra ny amin’ny fanafahana ny voan’ny tsindry azo lena. Tsy nilainy akory ny hanangana vaomiera hieritreritra izany. izay voalazan’Isaia dia nambarany fa ny tenany no tonga hanatanteraka izany. Ary ny fiainany manotontolo dia nentina nanasitra ny marary, nampahiratra ny jamnba…Jesosy dia ny teny tonga nofo araka izay voalazan’i Jaona ao amin’ny Filazantsarany.

Nanampy izany dia manan-danja ny teny hoe androany. Ho antsika malagasy sady azo hilazana ny andro hitsahana daholo na ny hoe androany na ny anio. Raha anio no nampiasaina dia mbola ho avy izany. Fa raha androany kosa dia zavatra efa vita. Koa raha niteny hoe tanteraka eto androany Jesosy dia zavatra efa iainana izany. Andriamanitra dia mampiasa foana ny ankehitriny ary ny fanjakany dia tsy rahapitso fa manomboka izao. Ny Fanahin’Andriamanitra dia miasa mandrakariva manafaka, mitondra fifaliana sy fahasambarana, mitondra fitiavana. Eto amin’izao fotoana izao izany Fanahy izany raha ohatra ka vonona hampahiratra ny jamban’izao fiainana izao isika, raha vonona hanafaka ny olona amin’ny lafiny rehetra isika, raha vonona hanao zava-tsoa ho an’ireo izay olona mety ho tafahaona amitsika.

Vonona ve isika hanatanteraka ny Vaovao Mahafaly izay hanafaka ny olona.