TENY ho vakiana

Deotormonia 26 4-10

Romana 10 : 8-13

Lioka 4 : 1-13

Miditra amin’ny alahady voalohany amin’ny Karemy isika. Ny karemy dia ny efa-polo andro natokana hifadiana hanina ho fahatsiarovana ny efa-polo androany nifadian’i Jesosy hanina tany an’efitra, ary lavidavitra kokoa ny efa-polo taona naha-tany an’efitra ny zanak’Isarely. Asa amin’izao fotoana izao fa teo aloha ho an’ny protestanta dia nihomehezana izany karemy izany. Nandrabirabiana ny havana katolika aza. Nefa rehefa miditra amin’ny fotoanan’ny Karemy isika dia ny fifadiana hanina tany an’efitra nataon’i Jesosy no voalahatra ho dinihina amin’izao alahady voalohany amin’ny Karemy izao. Tao aorinann’ny nanaovana batisa Azy dia nentin’ny Fanahy nakany an’efitra i Jesosy araka ny fitantaran’i Lioka azy. Ary manomboka eto ny ady nataon’i Jesosy.

Ny nohezahan’ny Devoly dia ny hanodikodina an’i Jesosy tsy hanatanteraka ny nanirahana Azy dia ny hamonjy ny zanak’olombelona. Ny famonjena ny olombelona moa araka ny fandaharan’Andriamanitra dia hiafara amin’ny fahafatesany.Ireo fakam-panahy telo nihatra taminy tany an’efitra dia nataon’ny Devoly indrindra hanatanterahana izany tetiny izany. Mazàna dia mihevitra isika fa na dia nisy aza ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy, tsy dia zava-dehibe loatra izany satria tao ny maha-Andriamanitra Azy. Nefa ataoko ahoana moa no hino fa afaka manampy ahy amin’ny fakam-panahy manjo ahy ny Tompo raha tsy efa nandalo tamin’izany Izy. Ny marina aza anefa dia ho mafimafy kokoa ny fidonan’ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy satria raha resin’ny Devoly Jesosy dia ho foana hatreo ny famonjena antsika ary dia ho andevon’ny Devoly daholo isika mianakavy.

Fa andeha ho jeretsika ireo fakam-panahy telo nanjo ny Tompo. Voalohany efa nifady hanina nandritry ny efa-polo andro sy efa-polo alina ny Tompo. Ho mora foana ny mandavo Azy amin’ny alalan’ny sakafo noho izany. Ny momba izany no netin’ny Devoly naroso teo amin’i Jesosy. Azo an-tsaina ny tenin’ny Devoly. « Nahoana Hianao no manaiky hijaly tahaka an’io. Marina fa aty an’efitra isika tsy misy sakafo eto nefa Hianao zanak’Andriamanitra. Teneninao fotsiny ireto vato ireto dia ho tonga mofo. » Inona tokoa moa no mety haharatsy izany ho isika an’eritreritra. Raha nanaiky izany anefa Jesosy dia efa nanaraka sahady ny tenin’ny Devoly Izy. Fa ny faharoa dia tsy naha-tohitra ilay filana tao amin’Izy na dia tao amin’ny fotoana mbola nilana ny hifadiana aza, fa nanaiky kosa ho resin’ny hanohanana sy ny zavatra ara-nofo. Mpahazo antsika koa izany fakam-panahy izany. Ny zavatra ara-nofo indrindray no manjaka betsaka sy tadiavintsika. Ny confort ohatra no ideal ka izany foana no maha-maika. Tsy misy fotoana hahazoana miteny tahaka an’i Jesosy hoe : « Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra. »

Ny fakam-panahy faharoa indray dia nitarihin’ny Devoly an’i Jesosy tsy hijery afatsy ny voninahitra sy ny fahefana. Ho toa izao ny tenin’ny devoly : »Tonga ety ambonin’ny tany Hianao Jesosy hamonjy ny olombelona. Hitondra Anao amin’ny fahafatesana izany. Indro misy lalana hatoroko Anao. Miakatra ery an-tampon’ny Tempoly Hianao dia mianjera any. Tsy ho faty Hianao satria zanak’Andriamanitra ka ho vonjeny. Amin’izay ho azonao daholo ireo olona mahita izany ary dia hanaiky anao ho zanak’Andriamanitra. » Raha dinihina inona tokoa moa no mety hahadiso izany. Raha izany anefa no nitranga dia voninahitry ny mpanao majika no azon’i Jesosy ary tsy voavonjy ny olombelona satria nialany ny fahafatesana. Nihamafy ny fakam-panahy satria nampidirin’ny Devoky eto ny tahotra ny fahafatesana. Ho antsika koa dia mbola fakam-panahy mpahazo ny fitadiavana voninahitra. Izay mazàna no mahamaika antsika fa tsy ny asa nanirahan’Andriamanitra.

Ny fakam-panahy fahatelo kosa dia ny fitadiavana ny lalana mora. « Izao tontolo izao dia ahy hoy ny Devoly. Omeko anao izany raha manaiky hiakohoka eto anatrehako Hianao. Tsy ilaina ny hahafaty Anao noho izany. » Nanehon’ny Devoly lalana roa hifidianana i Jesosy. Ny lalana iray hihatra amin’ny fahafatesana, ny iray kosa dia mora loatra fa tsy ho vaokasikasika akory ny tenan’i Jesosy. Lainga no nataon’ny Devoly. Tsy azy akory izao tontolo izao ary raha nanaiky hiankohoka teo anatrehany i Jesosy dia nilavo lefona teo anolohan’i Satana. Mpahazo antsika koa ny mitady lalana mora io. Na dia hivarotana ny fanahy aza dia hoy isika rehefa azo ny zavatra tadiavina izay no zava-dehibe.

Ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy dia mpahazo antsika. Takitsika ny hahazo ny zavatra rehetra. Tiatsika ny hiahanoka amin’izao fiainana izao, ny fahafinaretana, ny fifaliana ara-nofo. Tsirirititsika ny voninahitra sy ny fahefana. Tiatsika ho azo koa izao tontolo izao. Ny fotoana ny karemy tahaka izao dia natao mba hanadinotsika izany rehetra izany fa mba hibanjinatsika kosa ny nanirahan’Andriamanitra antsika dia ny hitory ny fitiavany.