Kalokalo isakarazany no re amin’izao fotona hankalazana ny fetin’ny mozika izao.Samy manana izay hanitra maha izy azy ny firenena rehetra amin’io.

AFAKA misafidy ny mozikanao ianao na hametsovetso alahelo na hanambara fifaliana.

Madagasikara dia malaza amin’ny hira sy ny kalony eto an-toerana sy any am-pita.

Nomen’Andriamanitra feo manga hahay hikalo.

Hira tsy mitarika fanarabina na esoeso.

Fa hira manentana fampaherezana.

Hira handresena ny fahoriana sy ny fahantrana.

Hira sy kalo tsy hadinoina ka manaitra ny fanantenana.

Hira sy mozika mivoaka ao anatin’ny lalina.

Hira ho kaloin’ny firenena :

Nomena feo manga ianao hivetsovetso indray ny fiainanao.

Nomena tanana ianao hitendry ny zava maneno ka mampiakatra ny fanahy.

Nomena saina matsilo ianao hanoratra tonon-kalo-mpanantenana. Eny, tonon-kalo mampitraka.

Ilay feonao hanasitrana ny fo maratra.

Ilay mozikanao hitsabo ny aretina.

Ny firenena hiandrandra ny teny sy ny feo mamy ka tsy kivy.

Hira manafaka, hira mamafa ny ranomaso.

Hira mamelona.

Hira mampisokatra ny lanitra.Eto an-tany izany no manomboka.

Ho anao sy ny rehetra

Ho an’ny firenena.

Hira sy mozika haharitra mandrakizay.

Isaorana ilay Tompo nanome antsika izany. Henoy ary androany ny kalo sy mozika- mpifaliana.

Toy ny feon’anjely any ho any.