ISAORANAY Ianao ry Andriamanitra mpanome aina fa mbola afaka mankalaza ny fetin’ny ray izahay.

Mivavaka izahay :

Ho an’ny ray feno hery sy tanjaka ary sambatra ao anatin’ny fianakaviany.

Ho an’ny ray miramirana fa tsy misy manelingelina ny fiainany. Mandroso sy mivelatra ao amin’ny asany sy ny toeram-piasany.

Ho an’ny ray izay mareforefo satria tratran’ny fahasahiranana. Nalana tamin’ny orin’asa ka kivy ny amin’ny ampitso. Ahoana no fomba hivelomany sy hamelomany ny ankohonany.

Ho an’ny ray tratran’ny tsy fahasalamana ka ketraka noho ny halafon’ny fitsaboana.

Ho an’ny ray mangataka fa tsy mana-kohanina intsony. Ary mitomany mijery ny ankohonany.

Ho an’ny ray nandao ny tokatrano fa korontana no ao.

Ho an’ny ray sahiran-tsaina fa tapi-dalan-kaleha satria tsy misy mihaino intsony ny fahoriany.

Ho an’ny ray tsy mahalala ny fisian’ny zanany fa nafenina azy izany.

Ho an’ny ray manan-janaka tsy salama na sembana.

Ho an’ny ray any am-ponja.

Ho an’ny ray nilaozan’ny handefo-mandry.

Ho an’ny ray tsy mahazaka ny miaina instony.

Ho an’ny ray resin’ny zava-mpisotro mahamamo.

Ho an’ny ray rehetra eran-tany. Tian’Andriamanitra avokoa izy rehetra.

Ny ray rehetra na ory na faly dia nomenao hery hanorenana fiainana vaovao. Hitondra fandrosoana sy fanahy vao koa ho an’ny firenena n’inona n’inona mitranga eo amin’ny fiainany.

Homba azy ireo sy ny fireneny Ianao Tompo ô.