MISAOTRA anao Andriamanitra fa mbola nomena fotoana hahatsiarovana ny fetin’ny reny.

Mivavaka izahay :

Ho an’ny reny rehetra feno fifaliana, fa mbola velon’aina ka afaka miriharia miaraka amin’ny ankohonany.

Ho an’ny reny nahita fianarana ka afaka manampy misimisy kokoa ny zanany.

Ho an’ny reny nifindra toerana hiasana hitady ravin’ahitra mba hiveloman’ny fianakaviany.

Ho an’ny reny niam-pita ranomasina.

Ho an’ny reny voahilikilika satria any am-pigadrana

Ho an’ny reny nisara-mpanambadiana ka izy ihany no mahalala ny antony.

Ho an’ny reny tsy manambady satria tsy nampoizina fa ho tonga reny izy noho ny antony maro.Ampio izahay tsy hitsara azy ireny.

Ho an’ny reny maty vady.

Ho an’ny reny maty ny zanany.

Ho an’ny reny izay nanary ny zanany.

Ho an’ny reny nanome ny zanany ho an’ny hafa.

Ho an’ny reny nanangana zanaka mba ho reny.

Ho an’ny reny rehetra eran-tany fa mitovy avokoa izy ireo eo anatrehanao Tompo Andriamanitra.

Ny fitahianao ho amin’izy ireo ka ho reny hankato Anao.

Ho reny hamelona sy hamapahiratra ny sain’ny manodidina azy.

Hanome aina vao sy fanahy vao ho an’ny fireneny.