TOMPO Andriamanitra ô, manetry tena eo anatrehanao izahay. Mihaino vavaka Ianao ary isaoranay Anao izany. Faly tokoa ny fonay rehefa miresaka Aminao izahay.

Nefa malahelo koa izahay noho ny zavatra mitranga tsy am-poizina ho an’izay tratran’izany. Indrindra amin’ny fitomboan’ny halatra sy ny vaky trano ka mampijaly sy mampitomany olona maro. Ao ny manao izany noho ny fahantrana ve ? sa dia fanahinina ? Tsy menatra ny mandroba ary manao izany amin’ny fomba rehetra.Misy koa ve ny mamporisika amin’izany ?

Ny teninao dia mampianatra ny olombelona tsy hangalatra. Koa mivavaka Aminao izahay Tompo. Hahitsiho ny fitondran-tena ary havaozy mandrakariva ny saina nomenao ny tsirairay. Izay rendrika ao amin’ny halatra dia torohy lalana hiala amin’izany.Marobe ny karazana halatra misy ary mampitsangambolo.

Marina tokoa ny tenin’ny Ntaolo hoe « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao am-tampon’ny loha ».Hay tsy azo hanafenana zavatra Ianao. Misaotra anao Tompo, fa tena nanana fahendrena ny Ntaolo.Inona no azonay atao afa tsy ny mivavaka Aminao ary mivavaka koa ho an’izay ketraka na mamoy fo ka feno fahatezerana satria nisy nangalatra tao aminy. Malahelo tokoa izahay. Mivavaka ho an’izay voaroba sy mpandromba.

Koa mamela anay Tompo raha mitaraina noho izany izahay. Matoky izahay fa ny Fanhinao dia miasa mandrakariva. Ary apetraka eo aminao ny fiainanan’ny tsirairay.

Eny Tompo, manampy tokoa ireo izay miezaka hitory ny Filazantsara Ianao mba hilamina ny tany ary tsy hanjaka ny aizina. Mihaino vavaka Ianao.

Tahio ny firenena rehetra.

Izao vavaka izao dia hakambanay miaraka amin’ireo kristiana ao Cameroun, Centrafrique, Guinée équatoriale. Misaotra Tompo fa tsy irery izahay noho ny Fahasoavanao. Amena.

.