ANDRIAMANITRA ô, misaotra anao izahay noho izao andro vaovao izao. Mahatsiaro kely sy bitika eo anatrehan’ny Fitiavanao. Mivavaka Aminao izahay satria mbola maizina ny tany. Mbola mitsilopilpy ny hazavana.

Eny Tompo Andriamanitra ô, mila ho vaky ny fo rehefa mahare isan’andro amin’ny alalan’ny filazam-baovao fa misy voina atsy na aroa satria nisy olona nandatsak’aina. Nahoana no mbola misy izany ? nahoana no mbola misy mahavita izany. Nentin’ny hatezerana sa dia fanahiniana ?

Tompo Andriamanitra ô, mivavaka Aminao izahay mba hazavao ny sain’izay mikasa ny mbola hamono olona anio na rahampitso. Mahatsiaro ny nataon’i Kaina izahay rehefa namono an’i Abela rahalahiny. Tsy nankahasitrahanao izany. Ary meloka tokoa. Mitomany ny fiananakaviana tratran’izany ary feno horohoro ny sainy.Tsy misy olona na iray aza tompon’ny aina.

Koa mivavaka aminao izahay Tompo ô, hazavao ny sain’izay mikasa anao ratsy. Indrindra ireo izay tsy misaina afa-tsy ny hamono olona. Ny Fanahy Masinao irery no afaka manazava ny sainy. Ny Fanahinao irery no afaka mampahiratra ny masom-panahiny.

Amin’izao fotoanan’ny Advento izao na dia mahatsiaro ny fihavian’ny Zanakao malala tonga teto an-tany, hitondra fiainana vaovao dia mbola maro no kivy satria feno ahiahy noho ny vonon’olona. Eny Matoky Anao izahay Andriamanitra fa miasa Ianao. Ary Ianao irery ihany no mahavita fahagagana hanazava ny sain’olona tsirairay.Manantena izahay fa hihalehibe ny fahazavana mandrakotra ny tany. Ary hiala ny fahamaizinana. Mamindra fo Tompo ô.

Ny vavakay dia hakambanay amin’ireo kristiana ao Burkina Faso, Mali, Mauritanie, Niger, Tchad. Amena