ANDRIAMANITRA ô, fifaliana sy fahoriana no mifandimby eto amin’ny fiainana an-tany. Ampio aho hatoky anao mandrakariva.

Matetika ny vaovao mampalahelo no mibahana ao an-tsaina ka mampanontany hoe : « Aiza Ianao Andriamanitra ? »

Aiza Ianao Andriamanitra ? Ao anatin’izany fanontaniko lalina izany no hahatsapako fa betsaka ny fitahina nomenao :

Teraka tao anatin’ny fianakaviana tianao.Toy ny fianakviana rehetra. Fianakaviana mivelatra toy ny ratsan-tanana ka maro an’isa. Safononoka ny fifaliana rehefa tafahoana ny rehetra na aiza na aiza. Mino aho fa na ireo kamboty sy irery dia hanam-pifaliana toa ahy satria omenao namana tahaka ny havana tia azy ireo koa.

Afaka nianatra tany an-tsekoly tamin’ny ambaratonga isakarazany. Nomenao saina sy fo ary fanahy hitia sy handalina amin’ny alalan’ny fitaovana samihafa.

Ny fahasalamana sarobidy hanatanterahana ny asa amn-draharaha. Na ny sakafo ara-nofo na ny sakafo ara-panahy dia natolotrao. Isan’andro dia mampiseho ny fitiavanao Ianao na dia maizina aza ny andro indraindray. Maro ny olona nifanerasera tamiko ka nahatsikaritra aho fa nampitenenao izy ireny mba hitondra hafatra hahazona mijoro ho vavolombelonao.

Misaotra Anao noho ny hery nahazona nivezivezy tamin’ny tany maro noho ny fahasoavanao. Tsy fitsangatsanganana fotsiny fa fotoana nahatsapana fa teo anilako mandrakariva Ianao ary niara-dalana isika.

Andriamanitra ô, mitsinjo ahy isan’andro Ianao. Betsaka ny fitahinao . Tsy hadinoko izany. Misaotra Tompo. Amena.