MIPOSAKA indray ny andro mitondra fahazavana ho an’izay tandrifiny. Mihetsika hiatrika ny asa aman-draharaha ny rehetra. Somebiseby sy miazakazaka sao tara. Avy aiza ny herim-batana hanatotonsana izany ? Avy aiza ny herin-tsaina haminavina ny fandaminana ? Avy aiza ny herim-panahy manainga ny tena. Indraindray misalasala hamaly ny fanontaniana. Manahy satria mirotoroto haingana ny fiainana. Lasa ao aorian’ny hafa satria tsy maharaka ny zava-mitranga ve ? Ka manontany hoe : « Aiza Ianao Andriamanitra ô ? » Mamela ny tsy finoanay Tompo ô !

Milentika indray ny andro ary mifarana ny asa. Tsy maty akory ny olona fa miditra ao amin’ny fotoam-pialatsasatra : haka hery. Mila mitsotra ny vatana, mila filaminana ny saina, mila vatsy ny fanahy. Teo am-pahariana izao tontolo izao dia hainao Andriamanitra ny mandridra ny zavatra rehetra. Tompo ô, mila fianarana sy famolahan-tena vao tonga amin’izany tanjona izany.Misy ireo izay te hiasa andro aman’alina noho ny fahantrana. Eny fa na dia ny efa manam-be aza. Sarotra ny hahatsapana fifaliana na fiadanana avy amin’izany. Voafetra ny zavatra rehetra. Maro ny te hahazo fahaizana tapitr’ohatra sy harena satria heveriny fa izany no fahasambarana. Mamelà ny tsy finoanay Tompo ô !

Hadinonay mantsy fa : Manao zava-dehibe tsy takatry ny sainay Ianao :  » Ny tontolo iainanay dia avy Aminao. Izao rehetra izao ny hita sy ny tsy hita ka mahavariana ny mpikaroka ara-tsiansa dia avy Aminao. Ny olona rehetra : n’iza n’iza, n’aiza n’aiza dia Ianao no nahatoha Azy. Ianao no nanome azy ireo koa ny fofon’aina mahavelona. Tsy misy mahatoraka ny asa tànanao. Sarobidy Aminao ny olona tsirairay. Eny nanao zava-dehibe Ianao satria ny Teninao tonga nofo dia nampahiratra ny masom-panahinay. Isaoranay Ianao noho ny asan’ny Fanahy Masina tsy mitsahatra ao am-ponay. Apetrakay Aminao ny andronay rehetra. Fa manao zava-dehibe tsy takatry ny sainay Ianao. Misaotra Tompo noho ny fitiavanao anay.Amena.