VONINAHITRA any amin’ny Avo Indrindra, ary Fiadanana ho eto ambonin’ny tany ho an’ny olona ankahasitrahany. Lioka 2:14

Isaky ny tonga ny Noely dia mihira io teny io ny Kristiana. Eto am-panoratana dia mbola lavitra ny fiandrandrana izany fotoana izany isika. Noraisiko ho teny fampaherezana ireo tenin’ny anjely ireto hanombohana ny zotra hiarahantsika rehefa mamaky ny takila miaraka isika. Tao anatin’ny alina no nanakoako ny vavaka noventesina toy ny hira « Fiadanana ety ambonin’ny tany ho amin’ny olona nakahasitrany ». Maizina ny tany ary tsy azo antoka ny manodidina, fa tsy misy iri-pahazavana akory ka tsy fantatra ny lalan-kaleha. Atolotra ao amin’ny fotoana mampatahotra ny Fiadanana, ho an’izay te-handray izany. Nomen’Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona raha te hivelona ho amin’izay fiadanana izany izy.

Ny Fiadanana dia midika hoe ; « Paix » eto. VAVAKA

Misaotra anao ry tompo Andriamanitra ô, fa na dia maizina aza ny tany dia nomenao fahavelomana androany. Misaotra anao ny amin’ny fampanantenana. Eny, Tompo ô ! Ankinina aminao Madagasikara sy ny mponina ao. Ka ny Fanahinao Masina no hanokatra ny saina ary hanazava ny lalana tokony hizorana indray. Mamela ny helokay, fa tsy mendrika izahay. Tsaroanay koa ankehitriny, fa Andriamanitra be famindram-po ianao, ka mivimbina sy mitantana anay amin’ny asa rehetra ataonay. Ampitoero ao aminay isan’andro ny « fahendrenao » Tompo ô, hahafantaranay ny lalana tokony hizoranay. Tsy hadinonay koa ireo firenena hafa, toy ny any Proche-Orient, izay ao anatin’ny fangirifirina mahamay noho ny ady. Tsy mahavita na inona na inona izahay Tompo ô, afa tsy ny mitondra azy amam-bavaka isan’andro. Misaotra, Tompo ô, noho ny nahafahanay niteny, Mihaino vavaka Ianao. Amena.

To izao ny Tsodrano androany.

« Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona ianao. Mamoa amin’y fotoana. Ny ravinao tsy mba halazo. Ny asanao rehetra dia ataon’Andriamanitra lavorary avokoa » (Nosintonina avy amin’ny Salamo 1:3)

Ny hazo ao amin’ny Baiboly dia hampitahaina amin’ny olombelona matetika