Lioka 3 : 7 – 19

MBOLA i Jaona Mpanao Batisa ihany no miteny eto. Amin’izao fihaonany amin’ny olona izao dia mitovy ny fanontanian’ny vahoaka, sy ny mpamory hetra ary ny miaramila : Inona ary no ataonay ? Fanontaniana manatsafa ve sa tena te hitady izay marina sy mahitsy ka hampihatra izany eo amin’ny fiainana. Mazamazana mantsy ny fitenin’i Jaona ka mampitahotra no manelingelina ny saina. Ny olona rehetra dia samy manana ny fomba fiteny mba hahazony mampita ny hevitra tokony ho ambarany. Mirehidrehitra ny an’i Jaona ary toa tsy mitsitsy..Mety ho tafintohina ireo izay mihaino azy fa tsy lao-bava, fa miharitra ary mametra-panontaniana mba hisehona tsy ho voakasik’izany.Miala balà ê !

Ny andiny fa -11 no valim-panontaniana voalohany. Momba ny fizarana no lazainy. Izay afaka mampitafy dia tokony hanao izany, izay mana-kohanina dia tokony hanome. Tsy ny tena ihany no tsinjovina fa ny hafa koa. Inona moa izany olona tsy manana ankanjo ka tsy mitafy. Ilay olona dia tsy sahy mijery olona akory fa menatra, ary mandositra na mivily làlana aza raha mifanena amin’ny olon-kafa. Ny tenan’ny olombelona dia vohavola tsara tamin’ny faharian’Andriamanitra azy. Mila kolokoloina satria mety ho simban’ny hatsika na ny hafanana ohatra. Ny akanjo dia fiarovana ny tena amin’ny lafiny samihafa. Ny hatorony Jaona manaraka dia ny sakafo. Mila mihinan-kanina ny olombelona. Inona moa izany hoe : mandry fotsy ? Mangidy ! Firy ny olona eran-tany tsy misakafo akory ao anatin’ny indray andro, eny mihoatra aza. Toa tsy manana izay maha- izy azy rehefa tratran’ny hanohanana na ny vahoaka na ny firenena. Fahafatesana aza no handrasana vokatr’izany.Misy ny tena mihinana ary tsy mirahara ny ampitso ary tsy mahatsiaro akory ny tsy manana. Ao ireo izay manary ny ambon-tsakafo. Tsy mandajanlanja ny atokona fa izay any dia any. Indrisy ! Raha mba fantany mantsy fa mety ho ritra izany.

Ny andininy faha 13 no valim-panontaniana faharoa : Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. Betsaka no azo lazaina momba izany. Fa azo lazaina fa momba ny vola sy ny harena no voalaza eto. Ny vola rehefa hampiasaina amin’ny tsara dia tsara tokoa ary ilaina eo amin’ny fiainana. Fa saingy raha natao hanitsahana ny hafa : toy ny manao zana-bola diso tafahoatra dia tsy rariny. Na ny manao tsolotra mba hahazona harena be. Na izay zavatra atao raha vao mihetsika dia vola hanararaotana ny hafa mba hanan-karena dia tsy mendrika ho an’ny mpitaky na ny mpampisambotra izany. Ady hevitra be io. Voalazan’i Lioka io vola io satria lohateny goavana mety haningotra ny tsirairay. Misy teny hoe : Na manakarena hoatrin’ny inona aza ianao ka ho faty rahampitso : inona no azonao atao ? fa dia mijanona eo ny harena nangoninao fa tsy manaraka anao ? Mampiova ny fitondran-tena ny hanaovana ny vola ho toy an’Andriamanitra ary dia manapatra ny fahefana momba izany. Ary gaga ny tsy mpino mahita izany ka manao hoe : Mba toa inona izao Andriamanitry rizareo izao ?

Ny andininy faha 14 no valim-panontaniana fahatelo dia :Aza mitohatoha foana amin’ny olona, ary aza miampanga lainga, ary mianinà amin’ny karamanareo. Mampitandrina amin’ny setrasetra izany mety hahafaty olona aza . Ny manorotoroka ny hafa : toy ny vavolombelona mandainga,na manameloka izay olona tsy tiana, na voakarama hanao izany. Ary tokony hahay hihaina amin’izay karama satria misy ireo karazan’asa tsara karama. Ny miaramila dia manana asa sy adidy hitandro ny filaminana sy hiaro ny vahoaka. Ary sarotra ny asany. Mitazana azy koa ny maro eo amin’ny fihetsika sy ny fomba fiaina raha azo hatokisana rizareo.

Tsy mitsahatra ny miteny i Jaona. Azo hitarina mantsy ireo valim-panontaniana ireo fa vitsy ihany no novelarina eto. Tsy mitsahatra ny mananatra koa i Jaona. Ary inona no vokatr’izany. Tsy zakan’i Heroda ka lasa natao an-trano maizina izy.

Maro koa ny olona no manome tsiny ankehitriny rehefa misy anatra voalaza. Ao no miteny hoe : efa Ntaolo izany, an’ny antitra izany, efa moderne izao fa tsy izany intsony. Nefa dia hita izao fa ny fitiavana no mahatonga hiteny mba tsy ho voambaka ilay olona. Nefa dia tsy zaka izany. Ny re matetika dia hoe : ny olona maro manao izany ka aza be fitenenana.

Inona moa ny Filazantsara fa tsy natao hanitsy ny tsy mety eo amin’ny fiainan’ny olombelona na ny fiainantsika.

Ireo valim-panontaniana telo dia mikasika antsika tsirairay. Aza manao hoe : I ranona izany. Fa jereo aloha ny tena. Manaraka izany dia tsy miaina irery eto an-tany isika, fa misy izay eo akaikintsika mila fanampina. Tsarovy anefa fa tsy ny fanaovana asa soa no hahazona famonjena. Fa efa nomen’Andriamanitra anao ny famonjeana ka izany no hanaovana asa soa( jereo lioka 3:6). Ary dia anisan’ny fitoriana ny Filazantsara izany ary tsy miato.Andriamanitra hanome hery antsika mba hanaraka ny sitrapony isika. Azy irery ny voninahitra. Amena.