Daniela 12 : 1-3 ; Marka 13 : 24- 32 ; Hebreo 10 : 11- 18.

IREO no perikopa androany. Handraisana teny mahalina avy izy ireo :

1. Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay( Dan.12:3)

Manana toerana goavana ny olombelona eo amin’izay maha zava-boahary azy. Endrey ny fahasambarana rehefa miteny isika hoe « olon-kendry i Ranona ». Aoka tsy ho hadinoina fa ny rehetra manana anjara amin’izany fahendrena izany.Fa saingy tsy tsapa izany. Misy miteny koa hoe : izaho ve dia heverinao fa tsy olon-kendry ? Ilaina kojakojaina ny fahendrena ary misongadina ny olona miaina amin’izany. Izay no mahatonga hieritreitra aloha vao manapa-kevitra na mandray fitenenana. Raha very fahendrena ny olona dia tompon’andraikitra izy. Andriamanitra ange efa nanome zava-tsarobidy ho azy dia ny fahendrena. Nefa misy manao izany ho tsinontsinona. Harena avy amin’Andriamanitra ny fahendrena.

Ny fahendrena no mampianatra ny tsirairay hahalala ny marina, hijoro amin’izany ary hiala amin’ny ratsy sy ny fitaka. Ny fahendrena no manampy handajalanja ho amin’ny fanapahin-kevitra mitondra filaminana. Ka ho resy ny fanambakana. Ny fahendrena no mampiray ny maro ary mitarika amin’ny fifankatiavana. Afaka mifanakalo hevitra mba handroso amin’ny làlana tsara, tsy ho an’ny tena ihany fa ho an’ny rehetra sy ny taranaka mifandimby.

Fa inona moa ny olona tsy manam-pahendrena ? Miteraka olana sy ady, feno fitiavan-tena, ka miafara amin’ny fanambaniana ny hafa.Milofika ny famirapiratany ary fahafatesana no hiafarany.

2. Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona. (Marka 13 : 31)

Ny sary hita ato dia toa mampitahotra satria voalaza fa hiditra amin’ny fahamaizinana ny tany. Izany ve no fiafaran’izao tontolo izao ? Izany ve no apokalypsa hoy ny sasany. Mahay ny mpanoratra . Ao anatin’io aizina io no hisehoan’ny Zanak’olona hoy ny teny.

Eny na dia heverina fa tsy misy intsony ny fanantenana dia indro miseho ilay Mpamonjy. Izy no jeren’izao tontolo izao fa tsy hametraka ny fony amin’ny volana sy ny masoandro ny olombelona. Hangina ny tany, tsy misy ho tazana afa tsy ny Tompo. Ny teny rehetra izay notorina dia voaray ao am-po ary hitsimoka. Ny Vaovao Mahafaly izany ary mampihentana, mampitraka ary mampijoro. Manome aina vao. Eny fa na dia eo anatrehan’ny mafy sy ny fahafatesana aza dia mamelombelona ny fanahy ny Tenin’Andriamanitra izay maharitra mandrakizay. Teny tsy mivadika.

3. Ary hoy ny Fanahy Masina hoe : Tsy ho tsarovako intsony ny fahotany sy ny helony . (Hebreo 10 : 17)

Ho an’ny kristiana dia iray ihany ny Mpamonjy : Jesosy Kristy Tompo izay maty teo ambony hajo fijaliana. Namoy ny aina mba hahavelona antsika. Ny fahahatesany dia ny nitondrany ny fahotantsika mba ho voavela heloka . Tena mamy io teny ao amin’ny Hebreo hoe : Tsy ho tsarovako instony ny fahotany sy ny helony. Andriamanitra manafaka antsika. Ny fibebahana dia ny fiverenana amin’Andriamanitra isan’andro. Fantatr’isika izany satria nomena fahendrena hahalala izany isika. Raiso izany famelana izany. Mihoatra noho ny famelana omen’ny havana, na ny manam-pahefana izany. Afaka amin’izay nangeja rehefa mitodika marina tokoa amin’Andriamanitra.

Eny, isaorantsika Andriamanitra fa nanome harena lehibe dia ny fahendrena izay azontsika hampitaina amin’ny hafa koa. Hitarika ny olona amin’ny làlam-pahazavana na dia maizina aza ny andro. Matoky an’ Andriamanitra satria efa voavela heloka. Ny Fanahin’Andriamanitra no mampiteny ny tsirairay. Tsy hanararaotra hampiasa ny tenin’Andriamanitra mba hahazoana tombon-tsoa ho amin’ny fahazoan-karen’izao tontolo izao. Tandremo fa hiraraka ary ho levona ireny. Indro ny fotoana mbola azo hitodiana amin’Andriamanitra hamelany ny helok’izay manatona azy. Ho feno fahendrena izy ary tsy hitsimoka ao an-tsainy akory ny ratsy.

Miala ao amin’ny aizin’ny fahafatesana mba ho velona sy haharitra mandrakizay ary hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay.Eny tsy levona ny fanantenana. Voavela heloka tokoa isika.Mahereza.