(Lova Faniry Darsot nodi-mandry ny 27.11.2021 )

Ekenay ry malalanay

Fa lasa ianao nandao anay.

Vady, zanaka, ray aman-dreny

Mpiray tam-po, havan-tiana

Samy akona avokoa.

Tsaroana lasa lavitra ianao

Hamonjy ny toeram-piasanao

Ary tafahoana tamin’ilay malalanao

Vonona hampandroso ianareo roa

Hanatsara ny tanintsika

Hizara ny fahaizana

Fa isan’ny tanjona nitaizana

Ka tsy azo ialana

Satria hitondrana fahombiazana

Ho an’ny tanindrazana

Izay no hafatra notanterahinao

navelan’ireo razana

Nilofo tsy nahalala sasatra

Fa nanohy hatrany mba ho sambatra

Izay rehetra naleha

Niezaka ianao hanandratra

An’i Madagasikara

izay tsy nataonao ambanin-zavatra

Vita ny andraikitrao nomen’ny Mpahary

Ka hiroborobo ireo zava-boahary

Nokoloinao ka isaoranay anao

Tsy misy mahasolo anao ato am-ponay.

Mandria am-piadanana ry malalanay

Lova Faniry malalanay.