ALAHADIN’ny Reformasiona androany.

Isaia 55 : 1- 11

Mahavariana ny fahamarinan’ny tenin’i Isaia. Telo no fanamarihana atao eto :

1. Ny rano sy ny sakafo dia lafo :

Manao antso avo i Isaia ho an’ireo vahoaka miandry fanavotana ara-batana sy ara-toekarena. Reraka ny tena fa mila tsy mahavidy na inona na inona ny vahoaka noho ny fahantrana. Eny fa na dia ny manam-bola aza dia tsy mahatsiaro afa-po amin’izay sotroiny sy hohaniny. Mampalahelo izany. Indro maimaimpoana ny sakafo omena. Rano sy sakafo tsy ialambola. Ankehitriny dia ny Fikambanana matanjaka no heverina fa mahavita torak’izany. Miankina amin’ny fihetsiky ny maro izay te hanome anefa io vao tanteraka. Indrindra raha miisa aman’alina no ho vokisana. Eny, ilaina ny sakafo maventy sy ny rano. Ilain’ny nofo aman-dra izany. Nefa tsy ampy. Omena tsy misy takalony ny sakafo ary atao am-pitiavana fa tsy ho fitadiavam-boninahitra, na ho fisehosehona fotsiny.

Isaia dia milaza fa mihoatra no hampanantenain’Andriamanitra sy omeny . Ny Tenin’Andriamanitra no sakafo tsara sy mendrika indrindra entina hanampina ny vahoaka ary misy fifanekena amin’izany. Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona hoy ny Tompo Jesosy fa ny Teny avy amin’Andriamanitra koa. Tahaka izay niseho tamin’ilay vehivavy Samaritana izay nangatka ny hisotro ny rano velona. Tsy vidim-bola amankarena fa maimaimpoana. Izay mihinana sy misotro dia tsy hangetaheta na ho noana fa hahatsiaro ho voky toy ny nihanana avy tamin’ny fanasana. Mamy sy mahery mantsy ny Tenin’Andriamanitra.Endrey ny hatsarany raha mikasika ny ara-panahy izany.

2. Andriamanitra mamela heloka : Ny famelan-keloka no zavatra sarotra indrindra amin’ny olombelona na dia misy aza ireo izay tsy mitahiry lolom-po amin’ireo izay nanao ratsy. Ahoana moa no tokony ho fihetsiky ny kristiana raha sendra nisy nangalatra ny taniny na ny fananany. Ahoana no mitranga raha voasoloky izy noho ny lainga maro samihafa. Tahaka ireo vaovao re atsy sy aroa fa betsaka ny mpandromba ary tsy matahotra intsony ny manao izany. Ao koa ny vonon’olona hateraky ny fahamamoana na ny fahadomelona na ny herisetra amin’ny fialonana ka mety hiteraka ady goavana. Ny fitsaran’ny fanjakana dia ara-dalàna raha atao amin’ny fahamarinana.

Fa ny heloka izay ao amin’ny bokin’i Isaia dia mety ho ireo zavamamoafady voalaza etsy aloha. Fa indrindra ny fihodinana amin’Andriamanitra. Eny fa na dia nanao fahadisoana be vava aza ny olona iray dia voaheloka izy amin’ny lalàna. Fa ny zava-dehibe dia ny fitiavan’Andriamanitra azy rehefa mitodika Aminy ilay olona na dia any am-ponja aza. Andriamanitra tia ny olona izay noforoniny ka raha miverina aminy dia tsy voahilika akory . Izany hoe, afaka miova toetra sy saina ho tsara ny olombelona ary miankina amin’ny tsirairay izany fa tsy ny hafa no andrasana hanao izany ka hifanome tsiny fotsiny. Tsy takatry ny saina ny famelan-keloka omen’Andriamanitra ho an’izay manatona azy. Eny fa na dia izao ankehitriny izao aza. Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany.

3. Ny teny aloaky ny vava.

Ny teny no hahazon’ny hakamaroan’ny olona mifandray sy mifanakalo hevitra. Ny teny aloaky ny vavany dia hirarina ho tsara lalandava. Teny tsy misy eso, na fosafosa, na fanambaniana, fa teny mamy. Indraindray dia tsy tanteraka izany.

Ny teny izay afafy anefa dia miteraka vokatra : na tsara na ratsy araka izay mivoaka ny vava. Izay mivoaka eo moa dia avy amin’ny eritreritra raha ny marina. Mahery ny teny ary miverina amin’ny tena ny lazaina. Koa izany no mahasoa ny miteny tsara ary ialana amin’ny fanozonana sy ny fitenenan-dratsy sy ny miteniteny foana na manao teny tsy voahevitra. Nomen’Andriamanitra saina ny olombelona mba handinika ka zava-dehibe izany.

Ny Tenin’Andriamanitra koa dia mana-danja ary maranitra toa ny sabatra roa lela. Teny natao hampiova fo. Hitondra fifaliana sy famelan-keloka. Hanasitrana ny saina sy ny fo maratra.

Koa izany no hitandremana rehefa miteny. Fa io no mamboatra sy mandamina na manakorontana ny ho avy.

Tsy zava-baovao amintsika ny voalaza rehetra entoana fa fampahatsiahivana no ataon’Isaia. Tamin’ny androny dia efa nampitandrina ny vahoaka izy ary mbola marina mandrak’ankehitriny ny voalazany.

Misy sakafo sy rano mahavelona atolotr’Andriamanitra antsika isan’andro. Mamela heloka Izy, eny fa na dia ho an’izay heverintsika ho tena mpanota be aza. Miasa hitera bokatsoa ny Teniny raha ekenao izany. Anao ny safidy. Misy mihoatra izany indray ve. Efa nanao fanekem-pihavanana amintsika Andriamanitra satria tia antsika Izy. Ary isaorana Azy izany. Amena.