TENY ho vakiana

Isaia 62 : 1-5

I Koritiana 12 : 4-11

Jaona 2 : 1-12

Mbola tavela hatramin’izao ny fiheverana fa fady ho an’ny kristiana ny fifaliana, ny tsikitsiky sy ny hehy, ny korana sy ny fety. Dia notenenina aza fa ny fiangonana mihitsy no mandrara ny kristiana tsy hifaly. Raha izany ve no marina tsy miala amin’ny eritreritr’i Jesosy isika.

Ho an’ireo mbola misaina izany dia ndeha ho ahasaina hanatrika ny fampakaram-bady tao Kana izy.

Voalaza ny mpandinika fa ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy dia izay nitranga tao amin’ny fampakaram-bady tao Kana. Tao no nanovan’i Jesosy ny rano ho tonga divay. Toa milaza izao fa zava-dehibe tokoa tamin’i Jesosy ny korana sy ny hahatanteraka izany amin’ny tokony ho izy.

Ny Andriamanitra inoatsika tsy ny Andriamanitra mandrara tsy hihira, tsy handihy, tsy hifaly. Fa ilay Andriamanitra tahaka ny hitatsika tao Kana. Andriamanitry ny fifaliana.

Samy maniry ny fahasambarana daholo rehefa olombelona. Iza anefa no nametraka izany fanirina fahasambarana izany ao am-potsika tsy Andriamanitra va ? Nataon’Andriamanitra ho faly mandrakizay ny olona ary izany fifaliana izany dia ny fifaliana omeny. Raha tsy nisy ny fahotana dia efa nianoka tao anatin’izany fifaliana sy fahasambarana izany isika. raha nanova ny rano ho divay Jesosy tao amin’ny fampakaram-bady tao Kana dia nihezaka hahatanteraka ny fifalian’ny mpanatrika ny fampakaram-bady.

Nahoana hoy isika no tao amin’ny fampakaram-bady tahaka izao no nitrangan’ny fahagagana. Araka ny hevitro dia satria mba hisin’ny fifaliana dia tsy maintsy misy ny fitiavana ary ny fampakaram-bady no isan’iray hahitana izany fitiavana izany. Ny mampalahelo fotsiny rehefa ela ny ela dia miha-mihena izany fitiavana izany. Amin’izao fotoana izao dia toa tsy misy lanjany intsony ny mariazy. Iray amin’ny tokatrano telo no misaraka amin’izao fotoana izao raha ny eto Frantsa no jerena ary na dia ireo tokatrano mafy orina aza dia sedrain’izany indraindray ka sahirana vao tafarina. Dia hoy isika hoe : ny toetran’ny olona mihitsy no mahatonga izany. Jesosy anefa dia vonona hanome antsika izany fitiavana izany. Raha ny fotoana sy ny elanelantany dia mahatonga ny fitiavana ho tsy misy vidiny intsony ka tahaka ny fahazarana fotsiny sisa iainana aminy noho ny maha-olombelona antsika. Andriamanitra kosa ilay tsy manampetra dia afaka manome antsika ny fitiavana tanteraka.

Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia vonona hanao fanekena amin’ny olombelona ka ny rany no nanaovany izany fanekena vaovao izany. Izany no hampahatsihivina antsika isaky ny mandray ny Fanasan’ny Tompo isika. Ka Jesosy dia hanova ny fiainatsika tahaka ny nanovany ilay rano ho tonga divay.

Ho famaranana dia tsara ihany ny milaza fa ny fivavahana kristiana tsy mandrara velively ny olona tsy hifaly sy ho sambatra. Jesosy dia manolotra antsika ny fahasambarana feno sy tanteraka, fahasambarana maharitra, sy matanjaka, fahasambarana afaka mamelona indray ny fitiavana ao anatitsika raha sendra mitsilopilopy izany.

Tokana ihany no hahatonga izany dia ny hoe « Hatao izay asainy hataonareo ». Ny fanaovatsika izay asain’ny Tompo hatao no hahatonga ny fitiavana sy ny fahasambarana hitoetra ao anatitsika.