TENY hovakiana

I Samoela 3 :1-19

I Koritiana 6 : 12-20

Jaona 1 : 35-51

Ny teny voalahatra androany dia hahitatsika ny niatsoana an’i Samoela sy ireo mpianatr’i Jesosy voalohany. Toa tsy zava-baovao loatra izany satria efa heno matetika. Noho izany mametraka fanotaniana isika hoe inona aza no mbola tsy voalaza ilaina hambara amitsika ? Inona no hifandraisan’izany fiantsoana izany amin’ny fanarahatsika ny Tompo ? Valiny tsy misy loatra na dia misy aza angamba olom-bitsy ihany no mitovy aminy. Nefa rehefa tena mandinika isika ny hita eto dia mamaly betsaka ny fahasahiranana mahazo ny Fiangonana. Fahasahiranana izay azotsika atotaly hoe : » Inona no atao mba hahatonga ireo tsy fitovi-kevitra misy eo amin’ny anivon’ny fiangonana mba hitondrany soa ? Ary ahoana no hatao mba hisy ny tena firaisana ao amin’ny Fiangonana.

Na I Samoela na ny mpianatr’i Jesosy dia samy nila olona, izay ho azy antoka ny amin’ny fiantsoana azy. Toa ohatry ny milaza hoe : « Ny fanarahana an’i Jesosy dia mila mpiantoka vao azo hatao. » Etsy andaniny kosa anefa rehefa nahazo antoka ny antso izy ireo dia tsy nisalasala fa nanaiky.

Fa raha jerena kosa ny fiavin’ireo voatso dia olona samy hafa tokoa no voantso. Samy hita tao amin’ny mpianatr’i Jesosy ny tambanivohitra toan-dry Petera sy ny namany, misy anefa dia avy any an-drenivohitra toa an-dry Jodasy. Misy ny mpiasan’ny romana toa an-dry Levy nefa misy koa ny tena tia tanidnrazana ka niady tamin’ny romana tahakan-dry Natanaela sy ry Simona zelota.

Ny Fiangonana dia fikamban’ny olona voantso. Misy isan-karazany ireo olom-boantso. Misy ao amin’ny fiangonana ny avy amin’ny antoko politika samihafa. Misy ao amin’ny fiangonana ny mahantra sy ny manakarena. Olona samy hafa fiaviana koa no hita ao amin’ny fiangonana. Misy zazavao amin’ny finona ary misy koa efa vontom-pinona. Noho izany dia tokony ho hay ny mandrindra izany rehetra izany. Tamin’ny adi-poko nisy tany Rwanda araka ny tantara dia nisy avy amin’ny foko samy hafa ary noho izany dia nifamono nefa samy kristiana. Mino aho fa tsy ho amin’ny fiangonana malagasy noho hisy izany. Tsy ny hanerena rehetra hitovy tantana akory no lehibe ao amin’ny fiangonana fa kosa ny hahaizan’izy rehetra miara-miaina. Harena ho an’ny Fiangonana ny fanana olona isan-karazany tahaka izany.

Fa samy hafa koa ny asa hiantsoana ny tsirairay. Tao amin’ny mpiantr’i Jesosy moa dia nisy ny mpitam-bola, nisy solotena ny rehetra miteny, nisy ny irakiraka, nisy ny mpiaraka amin’i Jesosy rehefa misy zava-dehibe hataony. Tahaka izany koa ny Fiangonana. Misy ny mpitandrina, misy ny diakona, misy ny Antoko Mpihira sns… Tokony tsy hisy ao amin’ny Fiangonana ho mpitan-damba fotsiny ary tsy hifam-pialonana koa ny asa koa rehefa tsy voafidy dia tezitra ka lasa manangana fiangonana tsy miakina.

Ny takina amin’ny rehetra rehefa voantso dia ny manolo-tena dia ny tena rehetra. Ary io no nambaran’i Paoly ao amin’ny Koritiana. Moa tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ny tenanareo. Koa isika tsy misy analana no antson’ny Tompo. Isika sy ny fahalemetsika nefa koa isika sy ny finoatsika, isika sy ny hafanam-potsika. Izany isika rehetra izany no tian’ny Tompo ka natsoiny.

Miantso anao ny Tompo : « Andeha hanaraka ahy ». Mino aho fa ho tahaka ireo rehefa natsoiny isika ka tsy hisalsala fa andeha amin’izay hanirahany antsika.