Lioka 8: 15

Efa telo taona no niandrasana ity voninkazo hita eto amin’ny sary ity. Noheverina fa tsy hamoha hisy felana mihitsy. Na izany aza dia nandrombona izy ary ny raviny dia somary maitso manakaiky ny « gris » sady  voloina ery. Mahafinaritra ary tsy sahinay kasiana sao manimba azy. Nahazaka ny hainandro sy ny hatsiaka izy. Rehefa mitsoka ny rivo mahery eo an-davarangana dia heverina fa hianjera izy. Kanjo nijoro ihany. Ny voly sasany manodidina azy dia midaboka ny an-kamaroany. Nandritra ny roa taona dia nitombo. Tsy fantatra ny anarany amin’ny teny malagasy fa amin’ny teny frantsay dia hoe « misère ». Ary hoy aho hoe izany angamba no tsy hisin’ny voninkazo mipoitra aminy. Mampalahelo izany anarana izany satria mampahatsiaro fahoriana. Nitombo sy nandrombona kosa ary nahatratra iray metatra ny halavany. Teo amin’ny fahatelon-taonany dia nisy rantsana lava be saika ho iray metatra koa nipoitra ary nahavariana. Nisy toy ny bokotra kely maromaro tery amin’ny tendrony. Hisy felam-boninkazo hipoitra izany. Tsy nipoitra vetivety fa naharitra telo volana vao tena hita toa izao ny voninkazo. Faly ery izahay. Tsy araka ny anarany fa mahafinaritra. Mihoatra ny fefin-davarangana ny halavany izao fa tsy mihontsina ra-Misère. No tena tsara tarehy. Teo vao fantatra fa hisy voninkazo hipoitra. Mavovao. Tena tsara. Ary dia io hitanareo io . Tena tsara tokoa. Tsy misy voninkazo ratsy satria tsy misy mahay mamboatra voahary raha tsy Andriamanitra fa isika olombelona no tia manavakava. Ny fahitana io voninkazo io no mampahatsiaro ny tenin’ny Soratra masina hoe «Fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara ka mitana izany ary mamoa amin’ny faharetana ». Ny mikasika ny teny nafafy no nilazan’i Jesoa ao amin’ny Lioka io teny io(8 : 15 ). Ny tena tiako ho marihina dia ny faharetana. Raha tsy tao ilay faharetana dia angamba efa nesorina ilay voninkazo fa hoe tsy misy ilana azy. Nefa dia nampisehoan’Andriamanitra fa ao ambadik’ilay saina be fanahina dia misy zava-miafina tena tsara. Izay ilay « faharetana » vao hita ny hatsarany. Ary fampianarana lehibe izany no tsy maintsy iainana ahitana ny tsirony.  Misy fotoana ny zavatra rehetra ary rehefa tonga ny famoahazany dia ho tanteraka izany. Ny teny izay afafy koa dia ilana faharetana amin’ny fitoriana ny Filazantsara, ny fampianarana, ny fampaherezana ary inoana fa ny Tompo no hampiroborobo ny asany sy ny teny izay raisin’ny mpihaino. Ary ho gaga isika.

Hain’ny Tompo Andriamanitra ny mamboatra ny zava-drehetra.