TENY ho vakiana

Asan’ny Apostoly 4 :4-12

I Jaona 3 : 1-2

Jaona 10 : 11-18

Isaky ny alahady fahaefatra ny Paska dia izay voasoratra ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona toko faha 10 no hakana ny teny ho toriana. Ny toko manontolo dia milaza ny momba ny Mpiandry tsara. Ary androany dia ny andininy faha 11 ka hatramin’ny faha-18 no horesahana. Marihina ihany fa ny alahady androany dia natao ho alahadin’ny “fiantsoan’Andriamanitra” ho amin’ny fanompoana. Ary raha miresaka fanompoana isika :ny mpanompon’ny Tompo dia tokony haka tahaka azy izay Mpiandry tsara.

In-efatra no hitatsika ao amin’ireto andininy ireto ny teny hoe : « Mpiandry tsara ». Izany hoe tian’ny Tompo ho marihina misimisy kokoa ny amin’ny Mpiandry tsara. Fampitahana avy hatrany no nataony, fampitahana ny Mpiandry tsara sy ny mpikarama.

Ny antony iray maha-samihafa ny Mpiandry tsara sy ny mpikarama dia nolazainy fa voalohany tsy mahatsiaro ho tompon’antoka amin’ny ondry ny mpikarama. Nambaran’ny Tompo fa ny Mpiandry tsara dia manolotra ny aina hamonjy ny ondry satria mahatsiaro Izy fa azy ny ondry, fa ny mpikarama kosa dia mandositra manoloana ny ambodia satria mpikarama ihany izy, ka na dia mandositra aza izy tsy misy hanome tsiny azy satria mamy ny miaina. Hoy Jesosy momba izany : « Ary ny mpikatrama satria tsy mpiandry na tompon’ondry izy, koa raha mahita ny ambodia avy dia mandao ny ondry ka mandositra. »

Ny antony faharoa dia nambaran’i Jesosy ny fifampitokisana misy amin’ny Mpiandry tsara sy ny ondry. Izay manaitra eto dia tsy voalaza raha miady amin’ny amboadia ny Mpiandry tsara fa voalaza fotsiny fa manolotra ny ainy Izy. Toa ampy ho an’ny amboadia ny mamono na ny ondry na ny mpiandry. Ary heverina fa izany no nahatonga an’i Jesosy nilaza fa matoky ny Mpiandry tsara ny ondry satria raha misy ny ho faty dia vonona amin’izany ny Mpiandry tsara mba hahafaka ny ondry. Jesosy dia nanambatra eto amin’ireto andinny resahantsika eto ireto fa « Izaho no Mpiandry tsara ; ary fantatro ny Ahy sady fantany Aho. Fantatry ny Tompo tsara ny ondry. Fantany ny fahalemen’ ny ondry manoloana ny amboadia ka mila Azy hiaro azy.

Nambarany koa ny tena Mpiandry tsara tsy mihanina amin’izay misy ao am-bala fa mbola mandeha mitady ondry hafa izay tsy ao amin’ny vala. « Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho, ary izy ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko : ary ho tonga andiany iray izy sady iray ihany ny Mpiandry.

Raha ambara fa ny alahady faha efatry ny Paska dia andron’ny “vocation” na ny “fiantsoana” dia mipetraka tsara araka izay tokony ho izy ireto andininy ireto. Takiana amin’izay antsoina ny hanao tahaka ny Mpiandry tsara ka vonona hanolotra ny tenany raha ilaina izany. Tsy mba natao asa hitadiavam-bola ny asan’ny Mpitandrina. Tsaroana entona ny hira asaina hirain’ny Mpitandrina rehefa atokana izy ireny. « Tsy hahiako ny andany ho laniana koa. Na ny hoe koa : « Na ho voky na ho noana ny mpanomponao tsy handao ny fanompoana nametrahanao. » Raha ny tena izy aza tsy izay fotsiny fa ny hanolotra ny ainy mihitsy ho an’ny ondry no andrasana aminy.

Tokony koa ho fantatry ny olom-boantso hitandrina ny ondry rehetra napetraka taminy. Fantany ny fahalemeny, fantany ny fahatsotsany ary vonona hiaro sy hanampy azy noho izany izy. Mampatahotra ery izay voalaza ao amin’ny Ezekiela toko faha 34 momba ny mpiandry ondry ratsy fanahy. Mampatahotra izay hanjo azy ireo, koa enga anie ka tsy ho ny olom-boantso malagasy noho tahaka ireo.

Farany tsy mihanina fotsiny amin’ny ao am-piangonana ny olom-boantso fa tokony koa hitady ireo tsy ao. Hiezaka hatrany hitady hevitra izy hahatonga ny rehetra ho ao am-balan’i Kristy. Ho antsika aty am-pitandranomasina dia mbola betsaka ny olona tsy afaka miaraka miangona akory ao amin’ny iray volana.

Sarotra ny asa nefa mino aho fa izay voantso hiteny tahaka an’IKT Razafimahefa rainy hoe : « Nefa raha izaho irery tsy mahefa izao, koa mangataka ny hery eo an-tananao »