TENY ho vakiana

Asan’Apostoly 10 : 25-48

I Jaona 4 : 7-10

Jaona 15 9-17

Teny diso haitsika tsianjery fa mazàna torina na fara faharatsiny vakiana rehefa misy fotoana fanokanana diakona na fanokana Mpitandrina. Hay tsianjery ka tsy fantatsika loatra intsony ny zavatra raiketiny. Nefa dia teny manaitra sy tokony hampahalahelo aza, satria ambaran’ny Tompo fa : ilay isika nanapa-kevitra hiditra mpandray ny fanasan’ny Tompo iny ohatra dia tsy nisy anjarantsika mihintsy tamin’izany fa Azy irery ihany.

Vao avy nandreha ny Tompo niteny zavatra mahafinaritra loatra ny mpianatra. Hoy mantsy Jesosy taminy : Tsy ataoko hoe mpanompo intsony hianareo… fa ataoko hoe : sakaiza. Tampoka teo indro indray Jesosy miteny aminy fa ny naha tonga azy ho mpianatra dia tsy misy avy aminy fa avy amin’ny Tompo daholo. Toa hitantsika ny mpianatra miteny hoe : « Dia izahay, nanndao ny fianakavianay, ny fanananay ve Jesosy dia heverinao fa tsy mba nisy na dia kely fotsiny aza mba anjaranay tao ? » Ary moa tsy toa izany koa ve no fisainantsika mazàna. Nefa rehefa mijery ny voalaza ao amin’ny Jeremia 1 and 5 isika manao hoe : « Hatry fony hianao mbola tsy noforoniko tany an-kibo … no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany. » Izany hoe mbola tsy niforona izay safidintsika dia efa nofidiny isika, koa aiza ry havako izay anjarantsika amin’izany ?

Fa naninona ny Tompo no nifidy antsika ? Nifidy antsika Izy satria mahafantatra tsara Azy isika. Iza indray no hahafantatra azy mihoatra antsika kristiana. Fantantsika tsara ilay Jesosy nanavotra antsika tamin’ny zava-manahirana nahazo antsika. Fantantsika tsara Ilay maty nefa nitsangana tamin’ny maty hamonjy antsika. Nefa nifidy antsika koa Izy satria fantany tsara isika. Fantany ny hafanam-pontsika, fantany ny asa ataontsika, nefa fantany koa ny fahalementsika, ny fahatsotsantsika. Rehefa nandanjalanja izany rehetra izany ny Tompo dia tiantsika ka nifidy antsika.

Fa nifidy antsika hanao inona ny Tompo. Nifidy antsika Jesosy ka naniraka antsika ho ao an-tokatranotsika. Dray Jesosy ! Dia ny tokatranoko, tokatran’ny Mpitandrina ve ? Inona indray Jesosy no mbola heverinao fa tokony hamboarina ao ? Nefa ry havana dia tena manjaka ao an-tokatranontsika tokoa ve Jesosy. Hanjakan’ny fitiavana ve ilay tokatranontsika ? Tsinjo sy tazana ao ve ny fahamarina, sy ny fahamasina mendrika ny tokatrano kristiana. Moa ve tsy zara raha hamakiana ny baiboly ilay tokatranotsika indraindray ary misy aza tokatrano tsy mahita vavaka mihintsy ao anatin’iray andro. Nefa dia tokatrano kristiana. Ary raha mbola izany no hita nahoana Jesosy no tsy mbola nifidy antsika ka maniraka antsika ho ao antokatranotsika.

Maniraka antsika koa Jesosy ho ao am-piangonana. Raha ny tokatranotsika angamba azo leferina ihany fa ny Fiangonana ve, inona indray no mbola hatao ao ? Moa tsy ny Fiangonana ve no ilay Tempoly hitoeran’ny Tompo ? Nefa dia izany tokoa ve no izy ? Moa tsy mbola hita ao am-piangonana irony Mpandray ny Fanasan’ny Tompo mifanjola ? Moa tsy mbola fahita ve ny Diakona tsy mety miara-piketraka akory ? Tsy vitsy koa ny fifandonana etsy sy ero : Ny tanora sy ny ray aman-dreny. Ny Antoko Mpihira mizarazara sy ny sisa… Raha mbola izany no hita, mbola mila antsika ny Tompo hanamboatra izany.

Mila antsika koa ny Tompo hanamboatra ny Firenena. Mitairana mafy isika noho ny tsolotra, ny halatra, ny vakitrano, ny famonoana olona aza. Nefa iza ireo manao izany. Mazàna misy amin’izy ireo vita batisa, mpandray ny Fanasan’ny Tompo , Diakona, Mpitandrina aza. Dia mikikika isika, manome tsiny, manilika andraikitra. Matoa tsy nadeha ny firenena dia noho i Ranona. Hadinontsika anefa na dia ny mivavaka ho an’ireny olona ireny aza. Ary raha tsy hanao izany isika Kristiana. iza indray no hanao izany ? Sodokan’ny fiainana migolabina aty andafy isika ka tsy tsaroana akory ilay tanindrazana indraindray. Ry havako mbola mila antsika ny Tompo hanamboatra an’i Madagasikara. Tiany ho Nosy Sambatra ny tanindrazantsika ary tsy nahita olona hanamboatra izany izy afatsy isika.

Tsy mora izany andraikitra rehetra izany. Nefa kosa raha miaraka amitsika ny Tompo tsy maintsy ho tanterak’isika izany. Ny irariako dia enga anie ka tsy ho nanenina ny Tompo nifidy antsika.