TENY ho vakiana

Genesisy 22 : 1-19

Romana 8 : 31-39

Marka 9 : 2-10

Tamin’ny heriny izay alahady voalohany amin’ny karemy ny teny voalahatra dia nitondra antsika tany an’efitra. Naseho antsika ny nifadian’ny Tompo hanina nandritry ny efa-polo andro ny nakan’ny devoly fanahy Azy. Ny ady nataony tamin’ny bibidia. Androany indray hafa noho izany satria ny teny voalahatra dia mitondra antsika ho any antendrombohitra hijery ny voninahitr’i Jesosy sy famirapiratany.

Mazava ho azy fa samihafa ireo seho roa ireo izay niainan’i Jesosy. Ny voalohany aizina mikitroka ny faharoa hazavana sy famirapiratana. Ny voalohany fahoriana tsy misy ohatr’izany ny faharoa voninahitra sy fifaliana.

Efa nojeretsika izay nitranga tany an’efitra fa andeha ho zahana kosa izay tany antendrombohitra. I Marka rehefa avy nitantara ny fiovan-tarehy sy ny fanjelajelatry ny Tompo dia nanazava tsara izay tsapan’ny mpianatra noho ny zavatra hitany. Tena faly izy ireo hany ka naniry hanorina lay telo teo antendrombohitra mba tsy hiverenana intsony any amin’ny fiainana andavandro izay feno zava-manahirana. Izay nanitona azy dia ny fahagagany. Na dia i Petera aza dia sina ny tahotra sy ny fahatairana ka na dia izy izay zatra ny misolo tena ny namany aza tsy nahavoaka teny afatsy ny hoe : « Raby o, tsara mitoetra eto isika ; ary aoka hanao lay telo izahay : ny anakiray ho Anao, ny anakiray ho an’i Mosesy ary ny anakiray ho an’i Elia. » Tsy hitany izay ho tenenina ka na dia ny lay ho azy telo lahy aza hadinony. Faly sahirana, na faly nefa raikitahotra satria lehibe loatra tsy tratra ny sainy ny zavatra mitranga. Noperanan’ny Tompo izy tsy hilazana ny zava-nitranga raha tsy efa ao aorinan’ny nitsangany tamin’ny maty. Notazonina tao an-tsainy izany ary dia tsy niteniteny tokoa izy nefa tsy fantany izay dikan’izany. Tamin’ny fotoana niadin’i Jesosy tany Getsemane ohatra dia tsy afaka nisaina mihitsy ny lanjan’izany izy telo lahy satria tsy noheveriny fa hanjo ny Tompo ny fahafatesana. Nahita ny voninahitra lehibe nasatroka ny Tompo izy tany antendrombohitra koa ahoana no hinony fa ho faty ny Tompo.

Fa na dia lehibe aza ny zavatra nitranga tsy maintsy midina miaina amin’ny fiainana an-davanandro ny mpianatra. Ny fiovan’ny Tompo tarehy tany antendrombohitra dia efa hahatsinjovantsika sahady ilay voninahitr’ ilay fanjakana izay nolazainy fa efa akaiky. Miaina amin’ny fanatenana izany fanjakana izany isika. Endrey izany hafaliana avy any am-piangonana mandreha ny hira, ny vavaka, ny toriteny, toy ny tsy ety an-tany intsony. Nefa dia tsy maintsy tsaroana koa fa mbola miaina eto ambonin’ny tany isika. Ny mpianatra afaka fotoana fohy niarahana tamin’i Jesosy tany antendrombohitra dia tsy maintsy niverina indray niaraka tamin’ny mpianatra hafa.

Ny alahady voalohany ny karemy dia natao hanambaran’ny Tompo ny Fanjakan’Andriamanitra ary niantsony antsika hibebaka, izany hoe hanapotika ny fiainana tsy mahomby nahazatra antsika satria misy fiainam-baovao miandry antsika. Androany kosa amin’ity alahady faharoa ny karemy ity dia miantso antsika hiditra amin’izany fanjakana vaovao izany ny Tompo. Angamba vetivety ihany ny itondrany antsika ho ao tahaka ny mpianatra tany antendrombohitra. Mety hanaitra antsika, sy ampahatahotra antsika izany tahaka ny nitranga tamin’ny mpianattra ka hanadinotsika fa mbola miaina eto an-tany isika. Zavatra telo anefa no tian’ny Tompo ho tsarotsika :

Ny voalohany dia tsy eto amin’izao tontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra ary mihoatra ny fahaizatsika sy ny fahafantaratsika izy.

Faharoa mitaky fahasahiana amitsika izany tahaka an’i Abrahama nasaina nanolotra ny zanany hatao fanatitra. Mitaky fahatokisana sy firaiketana amin’Andriamanitra koa.

Fahatelo dia tiana ho fantatsika fa zava-misy tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra, fanjakana matanjaka, nefa tsy hain’ny saintsika eritreretina satria mihoatra ny fahalalatsika.

Azotsika antoka fa mandritra ity fotoanan’ny karemy ity ny Tompo dia hampiseho antsika izany fanjakana izany. Nafarana isika androany mba haharitra sy ho mahatoky mandrakariva.