TENY hovakiana

Genesisy 9 : 8-15

I Petera 3 : 18-22

Marka 1 : 12-15

Miditra amin’ny alahady voalohany amin’ny Karemy isika androany. Angamba ny mahamaika tsy ny fanotaniana hoe : « Ilaina ve ny mifady hanina rehefa karemy ?  » fa ny hahatsiarovana ireo fotoana niaretan’ny Tompo talohan’ny namonoana sy nadefonana azy.

I Marka dia fantatra amin’ny famitinana ny tantara soratany. Raha andininy maro no nitantaran’i Matio sy Lioka ny fankan’ny Devoly fanahy an’i Jesosy tany an’efitra. Andininy telo monja no nilazan’i Marka azy. Na izany aza heverina fa tazana ao ireo zava-dehibe nitranga. Rehefa jeretsika ireo soratra voarakitra amin’ny Filazantsara telo ireo, ny misongadina indrindra dia ny naha-tany an’efitra ny Tompo sy ny nakan’ny devoly fanahy Azy.

Heverina fa izany nifadin’ny Tompo hanina izany no nahatonga ny Kristiana amin’ny finonana sasany manao ny fifadian-kanina mandritry ny efa-polo andro alohan’ny Paska. Izay tiana hasongadina anefa dia ny fetezan’ny Tompo hitovy amin’ny mahantra indrindra amitsika. Lalovan’ny mosary ny toerana maro eto amin’izao tontolo izao. Misy tsy mihina-kanina ka kaozatina noho izany. Hataon’izy ireo ahoana moa no fahatsiaro fa afaka mahafantatra ny manjoa azy ny Tompo raha tsy nandalo ny fiafiana sy ny tsy fihinana-kanina mandritry ny fotoana maharitra tahaka izao izy. Marina fa zava-dehibe ny mahatsiaro ny niaretan’ny Tompo ka miezaka miara-dia aminy na dia amin’ny fahatsiarovana fotsiny aza. Nefa heveriko fa tsaratsara kokoa ary tokony hataotsika voalohany amin’ny izao fotoana izao raha teha-hamerina ao an-tsaina indray ny fifadian-kianina nataon’ny Tompo isika dia ny mahatsiaro ireo tsy manana ho hanina. Toa miverina ao an-tsaina ny tenin’ny Tompo hoe : « Izay nataonareo tamin’ireo rahalahy kely ireo dia efa nataonareo tamiko koa ». Raha tsy hijery afatsy i Madagascar isika dia tao ny Kere tany Atsimo, vao tsy ela koa dia misy ny mosary tany amin’ny faritra atsimo atsinanana.

Ny mikasika ny fifadian-kanina tsy dia voalazan’i Marka loatra, fa ny fakan’ny Devoly fanahy kosa dia nomarihiny tsara. I Matio sy Lioka dia nilaza ny sasatsasany amin’ireo fankam-panahy nahazo ny Tompo. I Marka kosa nanipika ny havesatry ny fakam-panahy satria nomariany fa teo mihitsy ny bibidia. Tsy dia nataontaony foana akory ny filazana ny fisian’ny bibidia fa kosa nataony hanamarika ny korotana nisy teto amin’izao tontolo izao noho ny fahotan’ny olombelona. Telo no fankam-panahy nahazo ny Tompo araka ny fitantaran’ny mpanoratra ny filazantsara azy. Ny tena nofonoson’ireo fakam-panahy ireo dia ny hamilivily ny Tompo tsy hanatanteraka ny antony nahatongavany taty ambonin’ny tany dia ny hamonjy ny olombelona. Tsy mora ny fakam-panahy satria naroson’ny Devoly ny fomba azony hialana amin’ny fahafatesana. Mazàna isika dia mieritreritra fa tsy mba nandalo izany fakam-panahy izany ny Tompo. na ny marimarina kokoa na nandalo izany aza Izy dia moramora ihany satria Andriamanitra Izy. Vao avy nataon’i Jaona batisa teo amoron’ny Jordana i Jesosy, fotoana izay nanamarika ny maha-olona azy. Noho izany dia nihatraika mafy taminy koa ny fankam-panahy. Toky ho ahy izany fa nandalo ny fakam-panahy tahaka ahy ny Tompo nefa nandresy izany. Raha nanotaniana ny heviny momba ilay horona-tsary mihetsika mitondra ny lohateny hoe : Les dernières tentations du Christ » ny teolojiana anakiray dia izao no navaliny :  » Tsy mendrika loatra ny fomba nanatontosana ity sary mihetsika ity, nefa kosa dia toky ho ahy ny mahafantatra fa nandalo izany fakam-panahy izany koa ny Tompo satria olombelona tahaka ahy ary afaka manampy ahy handresy ny fakam-panhy toa izany satria nandresy izany Izy. « 

Zava-dehibe loatra ny lesona avelan’ny fahatsiarovatsika ny nakan’ny devoly fanahy an’i Jesosy sy ny nifadiany hanina nandritry ny 40 andro, zava-dehibe mihoatra izay mety ho fifadian-kanina hataotsika. Manomboka eo mantsy ny nandraisan’i Jesosy ny asany. I Marka dia milaza eo amin’ny andininy faha 14 fa rehefa voasambotra i Jaona Mpanao Batisa dia nandeha nitory ny Filazantsara Jesosy. Tapitra hatreo mantsy ny fialohavan-dalana nataoni Jaona Mpanao Batisa ary afaka amin’izay mitory ny fanjakan’Andriamanitra Jesosy. Ary tsy nolazainy ho tahaka ny nofinofy izany fa nambarany fa ho tonga tsy ho ela. Ary izay ny nahatonga Azy niteny ny hoe : « Mibebaha hianareo ary minoa ny Filazantsara ». Izany hoe raha adikatsika dia ny hoe : miala amin’ny fomba mahazatra anareo satria misy fiainana vaovao miandry anareo.

Ary amin’izany no handraisantsika ny karemy. Raha tsy dia misy vidiny firy intsony ny karemy dia satria nanjary fomba mahazatra fotsiny sisa izy. Fa raha tsapatsika kosa ny hevitry ny karemy dia izay milaza ny hisin’ny fiainana vaovao izay miandry ireo izay afaka manindry ny faniriny sy ny filany ary manaiky ho tarihin’ny Fanahy dia manana zay maha izy azy amitsika ny Karemy.