TENY hovakiana

Isaia 8 : 1-6

Efesiana 3 : 2-6

Lioka 2 : 1-12

Rehefa Krismasy na ny kristiana mafana fo na ny tsy mpiakatra alahady dia samy tonga daholo mamonjy fanompom-piavavahana. Feno hipoka ny fiangonana ary amin’ny fiangonana sasany aza dia voatery miditra in-droa na in-telo. Ny alahady anio dia alahady antsoina hoe Epifania. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Krismasy, satria fahatsiarovana ny namangin’ny Magy an’i Jesosy zazakely. . Ho antsika manokana toa very anjavony amin’ny fizarana ny galette des rois izany fahatsiarovana izany. Ireo teny izay natokana ho vakiana anio anefa dia mampahatsiaro antsika ny fikasan’Andriamanitra dia ny hamory eo amin’ilay Mpanjaka tokana ny rehetra eny fa dia ireo mbola tsy mahalala Azy aza.  » Aiza ilay teraka ho Mpanjaka …fa tonga izahay hiakohoka eo anatrehany. »

Ny Mpandinika rehetra dia samy milaza fa tsy jiosy ny magy. Azo lazaina aza fa mpivavaka amin’ny Volana sy ny Kitana. Ary teo amin’ny fandinihiny ny lanitra no niantson’Andriamanitra azy hioatra izay fantany ka handeha hiankohoka eo anatrehan’ilay tena Mpanjaka izay tokony hivavahana. Izy ireo rahateo moa no niteny izany. Ny teny hoe hiakohoka eto tsy dia ara-bakiteny loatra fa azo lazaina ho mihitsy hoe manasina, mivavaka, manompo. Ny fanotaniana apetratsika eto dia ny hoe rehefa avy niakohoka teo amin’ilay Mpanjaka vao teraka ve ny Magy dia tsy nivavaka intsony tamin’ny volana sy ny kitana fa nanompo an’Andriamanitra tokana ? Tsy voalaza ny amin’izany.Raha isika toa misalasala isika. Ary tsy vitsy ny nisaina fa niverina ihany tamin’ny fanaony ny Magy. Isika miaina amin’izao fotoana izao mazàna dia tsy mahatsapa intsony ny lanja ny hoe zava-masina. Fa raha ny Magy izay tatsinana raha nahita fa nilana kitana mihitsy ny filazana ny fahateran’ilay Mpanjaka tsy hanao izany ho zavatra kely velively. Porofo ireo zavatra nomeny : volamena zava-manitra ary miora. Fanomezana ho an’ny olona hajaina sy andrianina. Nisy zavatra niova teo amin’ny fiainan’ny magy, satria fara faharatsiny dia napetrany eo amin’ny andrianiny ity mpanjaka vao teraka ity. Tsapa teo amin’ny famanginy fa zava-dehibe taminy mihitsy ny nahita an’i Jesosy zazakely.

Fa ny tena lehibe amin’izay voalazan’i Matio raha miresaka ny magy izy dia ny hoe : « lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany » Rehefa tafahaona tamin’i Jesosy ny Magy dia niovana lalana. Toa azo eritreretina ihany fa tsy ho ny lalana ihany no niova fa na ny fisainany koa aza angamba. Raha nahatsiaro tafahaona tamin’ny Jesosy isika amin’izao krismasy izao dia tsy maintsy miova lalana tahaka ny Magy. Raha mbola tsy nahatsiaro izany fiovana izany isika dia tsy tafahaona tamin’ny Tompo isika tamin’iny Krismasy lasa iny. Ny fety, ny ankanjo vao, ny sakafo ihany no zava-dehibe tamitsika. Raha milaza ny hoe miova lalana dia tokony ho tsarona fa raha mpangalatra isika dia tsy mangalatra intsony, raha mpandainga dia tsy mandainga intsony, raha mpijangajanga tsy manao izany intsony… Fa raha mbola isika taloha ihany no mbola isika amin’izao fotoana izao dia nadalo foana ho antsika ny krismasy.