Alahady voalohany amin’ny Advento 2020

Marka 13 : 33 – 37

Miambena hoy  Jesosy ato amin’ny filazantsaran’i Marka mamarana ny fanoharana rehetra voalazany. Miambena satria mbola maro no zavatra mety hitranga eo amin’ny fiainan’ny tsirairay ary hamandrika ny olona satria tsy takany ny heviny. Ka hampisalasala ny olona amin’izay inoany.  

Fantatsika fa nitsahatra tamin’ny andro fahafito ny namoronan’ Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.  Lasa Izy nivahiny ary nasainy ny olona hankalaza sy hanome vonihatitra Azy. Ny tany izay noforoniny dia napetrany teo am-pelatanan’ny olombelona ny voahary sy ny zava-boahary rehetra ary ny olombelona koa. Voatsinjara tsara ny asa. Malalaka ny tany ary afaka mirihariha sy mifanerasera ny olombelona.  Misy ny mipetraka eny amin’ny tany maina, misy ny eny ambonin’ny rano, misy ny mitoetra any an’ala, na any anaty tany, na an-tendrombohitra. Maro dia maro no toerana misy ny olombelona.  Lasa nivahiny ny Tompon-trano ary napetrany tamin’ny mpanompony ny trano. Ny mpanompo dia tsy iza fa isika olombelona. Sady nasainy nikarakara sy niambina ny trano.

Hoy ny Tompo Andriamanitra « Efa nomeko anareo izay sahaza anareo rehetra, io ny tany sy ny habakabaka sy ny rehetra ao aminy. Tehirizo ho tsara mandrakariva. Handraso tsara ary miambena sao matoritory ianareo ka sao simba.»

Andriamanitra tsy hita vatana, tsy hita maso, tsy fantatra akory ny tarehiny sy ny vatany fa inoana fotsiny fa misy Izy ho an’ny mpino.Fa tsy afaka manery ny tsy mpino isika.

Nametraka asa ho an’ny olombelona Andriamanitra.

Ny mahagaga  dia maro no toerana izay

  • misy rano tsy hita havanavana fa saingy amin’izao fotoana dia mihena ny rano ary miha lafo nefa rano nampiasaina sy nomena maimmaim-poana taloha. Misy ny rano mamy izay tsy azo sotroina akory aza fa miteraka aretina noho ny halotoana. Raha ny saina maranitra nomena ny olombelona dia tsy tokony hisy olana ny amin’ny rano fa noho ilay fitiavan-kely misisika ao am-po dia lasa fijaliana ny rano. Ka misy ny mahita hevitra hanaovana azy ho fidiram-bola be dia be ho an’ny olona vitsy.
  • Misy ny ala izay mitondra rivotra madio ho an’ny olombelona nefa dia marobe ny may. Noho ny tsy firaharahina satria tsy voakolikoly ny toerana misy azy ireny. Misy ny mandripaka sy manapaka ny ala mba ho fampidiram-bola koa. Eny ilaina ny hazo hanaovana trano, na sambo fa tsy izany akory no tokony haharitra azy. Tsy misy voakanzo raha tsy misy ny hazo. Mimenomenona i Ra-olombelona nefa izy ihany no mandoro sy manapaka.
  • Misy koa ny ranomasina izay natao hifamoivoizan’ny maro sy ho lalana hifankahalalana. Nefa dia maro ny trondro sy ny hazandrano sy ny « corail » sy voly anaty ranomasina no mijaly sy maty satria maro ny manao ny ranomasina ho fanariam-pako.
  • Misy koa ny ady maro samihafa amin’ny olombelona samy olombelona izay miteraka faty maro. Eny na dia amin’ny mponina sy firenena iray aza.

Fa min’izao fotoana moa dia samy mifanilikilika ny amin’ny andraikitra fa toa ny diso dia ny hafa hatrany. Fa ny tena tsy mana-pahadisoana.  Izay kely olona mahantra na firenena madinika moa dia tsy mana-peo.

Tonga amin’izao fotoana ny loza maro efa nisy taloha noho ny tsy fitandremana. Ka mitady famantarana ary ireo voalaza ireo no heverina fa anisan’ny manimba izao tontolo izao. Ho avy ny farany. « Izany andro izany ». Inona io andro io.

Mba hampiverina ny sain’ny olona amin’Andriamanitra dia nanao fanoharana i Jesosy ary nofaranany amin’ny teny hoe : miambena . Satria ny tsy fanajana ny soa izay nomen’Andriamanitra dia miteraka olana lehibe ka miatraika amin’ny olombelona izay noforoniny aloha.

 Ireto ireo fanoharana vitsivitsy :

– Ny amin’ny fisaraham-panambadiana. Misafotofoto ny loha ny amin’io. Nefa maro no antony mahatonga izany.

– Ny amin’ny fahatsoran’ny zaza. Ny fanilikiliana ny mahantra na ny ankizy heverina ho bado sy tsy manan-tsaina.

– Ny amin’ny mpanakarena. Izay tsy mitsahatra ny handrapaka ny fananan’ny hafa hatrany.

– Ny amin’ilay aviavy tsy mamoa. Tsy nety namokatra ilay hazo izay notsiriritin’ny rehetra.

– Ny amin’ny fahefana. Iza no tsy miady fahefana ? Na mpitondra fanjakana, na ao amin’ny fiaraha-monina, na ao an-tokantrano, eny na dia ao amin’ny Fiangonana aza. Hany ka raha tsy diakona, na loholona dia  hiala .Hadino fa Jesosy Kristy ny lohan’ny Fiangonana.

– Ny mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka. Miady varotra amin’ny karama izay tsy nifanarahana .

– Ny momba ny hetra. Ilaina ny manaja ny mpitondra fa raha tsy mety kosa ny ataony dia azo atao ny mampahatsiaro azy izany. Andriamanitra tsy hitovy amin’ny mpitondra fanjakana.

– Ny mpitondratena nandatsadrakitra. Na ny mananontena aza afaka manatona sy manome izay hananany hanaovana ny adidiny amin’ny fiangonana

– Ny famantarana ny hiavin’ny farany. Mitady famantarana hatrany ny olona . Rahoviana ny farany ?

– Mbola miverina ny amin’ny aviavy. Ny rantsan’ilay aviavy no hahalalana fa miova ny toetr’andro. Tsy misy zavatra maharitra fa tsy maintsy manaraka ny toetr’andro isika ary miambina hatrany. Ireo izay voatoro ho mpiambina dia manana andraikitra lehibe. Fa iza moa no mpiambina eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy ny olona tsirairay avy izay nohaariany.  

Koa raha tonga ny Tompon-trano inona no havaly ?

Roa ny Tompon-trano :

  • Ny voalohany dia ny Tompo Andriamanitra. Raha sokafanao ny fonao hidirany dia ho sambatra ianao.
  • Ny faharoa raha tsy te hiaraka Aminy ianao dia miditra i Satana ilay mpampisaraka.

Ny trano tsy avela ho babangoana fa tsaroana hatrany ny Tompony. Na tsy eo ary Izy dia tsy omeko an’i Satana ny trano : « ny tenako, ny foko, ny fanahiko ».  Sitrapo ny mampiditra izay tiana. Raha sokafanao ho an’i Satana ny fonao dia mandihy izy ary izy dia miandry eo am-baravarana mandrakariva ary hitondra korontana ny mahamaika azy. Izay no nazavain’i Jesosy tao amin’ireo fanoharana.  Aza mety handemen’i Satana. Hoy ny Tompo amin’izao alahady voalohany amin’ny Advento izao «  Mivavaha ary miambena » . Ny Fanahy Masina manome hery anao hahatanteraka izany raha tianao .