TENY ho vakiana

Jeremia 31 : 31-34

Hebreo 5 : 7-9

Jaona 12 : 20-33

Herinandro maromaro izay no efa niainatsika ny fahatsiarovana ny nijalian’ny Tompo mba ho famonjena antsika. Androany dia hiditra misimisy momba izany isika. Ary ny Tompo mihitsy no hitondra antsika ho amin’izany.

Raha araka ny hevitry ny mpandinika dia tao aorina kelin’ny niakaran’i Jesosy tamim-boninahitra tany Jerosalema no nahatongavan’ireo Grika nitady an’i Jesosy. Ny mahagaga dia tsy voalaza na noraisin’i Jesosy izy ireo na tsia. Zavatra hafa no nasetriny ny resaka nifanaovan’ny mpianatra taminy. Manomboka eto dia nanambara tsiambaratelo tamin’ny mpianany Jesosy. Ary nambarany azy ireo tsy nisy fisalasalana ny hoe : « Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona ». Tsaroatsika tsara tamin’ny fapakaram-bady tany Kana ny nitenenan’i Jesosy hoe : »Tsy mbola tonga ny fotoako ». Io fotoana io dia efa noresahan’ny Tompo mandrakariva, indraindray nolazainy fa mbola tsy tonga ary indraindray nolazain’ny fa ho tonga tsy ho ela. Ary eto dia nolazainy fa tonga.

Noho izany dia tsy nisy filazana loatra ny nandraisany ireo Grika na tsia no maika, fa ny zava-dehibe tamin’ny Tompo dia ny fahatongavan’ny fotoana. Ny mahagaga anefa raha nilaza izany Jesosy dia tsy hita loatra teny aminy ny fifaliany. Fantany tsara ny lalana tsy maintsy alehany alohan’ny hahatongavan’izany. Ary izany lalana izany dia hiafara amin’ny fahafatesana ka hoy Izy : Mangorohoro ny fanahiko ary ahoana no holazaiko : Ray o vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao no niaviako ho amin’ity ora ity. »

Efa natsidiny ihany ny hahasarotra izany ora izany. Efa nolazainy ihany ny tsy maintsy hahafatesany. Neveriny indray izany eto ka hoy Izy « Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitotra foana izy. » Noraisiny ho an’ny tenany izany ary ho antsika koa. » Ary ato aoriana aza dia nambarany mihitsy raha nandreha feo avy any an-danitra ny rehetra fa ho an’ireo nanatrika indrindra izany.

Ny Tompo dia nahatanteraka ny nanirahana azy. Nanaiky hatramin’ny fahafatesana izy. Izany koa no lazainy amitsika ny hikelezana aina ho any hafa eny fa na hiatra amin’ny fahafatesana aza izany. « Izay tia ny aina no hahavery azy ary izay nankahala ny aina amin’ny izao fiainana izao no hiaro azy amin’ny fiainana mandrakizay » Miantso antsika mba ho tia izany ka hanome ny aintsika aza raha ilaina izany.

Koa manomeza maimaimpoana, manomeza amin’ny fo, manomeza amin’ny hery rehetra. Mikeleza aina, aza mitandro hasasarana, omeo ny vola ny fananana dia hitombo vidiny eo amin’ny Tompo ianao. Izay rehetra mametra ny fiainany amin’ny fitiavana tena dia hitoka-monina. Manetsika antsika ny tenin’i Jesosy dia isika izay mihaina amin’ny samy maka ho azy.

Ny fitokana-monina dia fahafatesana fa ny fizarana sy fifampikasoana amin’ny hafa dia mitondra aina. Koa tokony haka lesona amin’ny voam-bary isika raha tsy maty dia mitoetra foana.