Ezekiela 18. 25 – 28

Nantsoin’Andriamanitra ho mpaminany teo amin’ny Zanak’Israely i Ezekiela. Izy no hitory ny teny. Tena fahasoavana ny fahaizany mampita ny hafatra avy amin’Andriamanitra. Tahaka ny manao dinidnika izy. Indrindra teo amin’ny fampiasana ny fanoharana mba ho fampianarana ny fireneny. Havanana tamin’ny fandinihina ny fiainan’ny fiaraha-monina izy.

Ity and.25-28 dia famintinana ny zavatra rehetra voalaza teo aloha ato amin’ny toko faha-18.

Hiverenana kely eo am-piandohana fa tia mampiasa oha-teny i Ezekieka.

« Nahoana no manao izao oha-teny izao ao amin’ny tanin’ny Israely ianareo hoy Andriamanitra :

Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy

Ka ny nifin’ny zananay no madilo ? » (and.2).

 Voalazan’ny andininy manaraka fa io no oha-teny farany. Satria Andriamanitra no tompon’ny aina rehetra.Mifono hevitra lalina mantsy ny heitr’io ohateny io arak’izao voalaza izao fa :

Raha misy olona marina sy mahitsy ka mandeha araka ny lalàna sy ny fitsipik’Andriamanitra, ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa.

Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-dra izy ary ny rainy nanana toetra mendrika fa ny zanany tsy toa izany dia ho faty tokoa io zanany io.

Fa raha kosa niteraka zazalahy izay mahita ny fahotan’ny rainy, nefa tsy manao tahaka azy dia tsy ho faty noho ny heloky ny rainy izy.

Nohamafisin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanoratra fa ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny ray, ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany »

Manomboka eo amin’ny and.20 dia nosoloina ny teny hoe « ray sy zanaka » amin’ny hoe « olona ».  Ka lasa hoe : « olona manao ny ratsy » na « olona manao ny marina ».

Ary izao no voasoratra :

  • « Fa raha ny ratsy fanahy…
  • « Fa raha ny marina …

Tsara ho fantarina fa ireto no nasain’Andriamanitra ho hajaina ary nambaran’i Ezekiela mikasika ny tortran’ny ray na ny toetran’ny zanaka :

  • Tsy mihinana eny an-tendrombohitra
  • Tsy manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely
  • Tsy mandoto ny vadin’ny namany
  • Tsy manakaiky ny vehivavy izay mararin’ny fadim-bolana
  • Tsy mampahory ny olona fa mamerina ny natao antoka
  • Tsy mandrombaka fa manome ny haniny ho an’ny noana
  • Manafy lamba ny mitanjaka
  • Tsy mampanjana-bola ary tsy maka tombony
  • Miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy
  • Manao fitsarana marina amin’izay miady
  • Mandeha araka ny lalan’Andriamanitra
  • Mitandrina ny fitsipik’Andriamanitra ka manao izay marina

 

Ny fanatanterahana ireo rehetra ireo dia mahavelona. Ka raha misy ray tsy manaja ireo toro-hevitra ireo dia tsy mandeha amin’ny lala-tsara ary voaheloka no ho faty.

Tahaka izany koa ny zananilahy raha manao toa izay. Anefa raha manana toetra manatanteraka ireo ny zanaka lahy dia ho velona.

Raha manao ratsy dia maty ary raha manao ny marina dia velona.

Ny fanamarihana nataon’ Andriamanitra ny amin’ny fanoharana izay lazain’i Ezekiela dia milaza fa tsy izany no hevitr’Andriamanitra fa tena hafa mihitsy.

Fanontaniana ilay oha-teny : « Raha ny ray no mihinana voaloboka maharikivy nefa ny zanaka no madilo ny nify ? » Izay no mahazatra ny olombelona. Manameloka avy hatrany. Nanota na diso ny ray dia nanota sy diso koa ny zanaka.

Ary izao no zava-dehibe voalaza eo amin’ny 25 – 28. Ny olona tsirairay dia tompon’antoka amin’izay ataony eo amin’ny toetrany sy ny fanarahana ny Lalànan’Andriamanitra. Ary tena loza dia ny olona indray no manome tsiny an’Andriamanitra ka milza fa « tsy marina ny lalan’Andriamanitra ». Izany hoe : na inona na inona dia diso ny zanaka rehefa diso ny ray. Tahaka ny hoe tsy misy ny famonjena fa dia akapoka ao daholo rehefa fianakaviana iray.Tahaka ny hoe : tsy misy na dia iray aza marina.

Tsy zava-baovao amintsika izany toetra izany. Izay ilay hoe : « aza mba miaraka amin-dranona sy ranona fa taranaka olona maditra ireny ». Dia tsy mba misy avotra mihitsy izany ao amin’ilay fianakaviana ?

Ary marina dia marina ny tenin’Andriamanitra hoe : « Raha mbola velona koa Aho hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hisy hanaovanareo izany oha-teny izany ao amin’ny Israely intsony.

Hany ka raha mamaky sy mihaino ny and 25-28 isika dia ho sanganehana. Na i Ezekiela aza dia somary sahirana satria Andriamanitra mihitsy no nanitsy azy. « Ahy ny aina rehetra, na ny ain’ny ray, ary toa izany koa ny ain’ny zanaka,samy Ahy ireny (and 4) ; ny manota ihany no ho faty ».  

Mampianatra ny kristiana tsy hitsaratsara fona, fa ny handinika. Satria na dia ao aza ny fahadisoana ka manaiky iala amin’izany ny mpanao ratsy dia hahazo ny famonjena izy.Fa saingy io no sarotra eken’ny olombelona. ( Izany tsy manafoana ny sazy raha misy fitsarana ara-mpanjakana akory ary ilaina izany).

Ny and 29-32 dia antso ataon’i Ezekiela fa manana anjara tsara amin’Andriamanitra ny olona tsirairay. Indrindra ireo izay mihevitra ny tenany ho very.Kanefa raha mitodika amin’Andriamanitra izy ka mibebaka dia mihaino izany Andriamanitra ary mamindra fo.

Izao no famaranana ity toko faha-18 ity « Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO ANDRIAMANITRA. Koa mibebaha ianareo mba ho velona ! Izany hoe « miova tanteraka ! »