Lioka 3 : 1-6

MARO ireo manam-pahefana voatanisan’ny tantara eto. Manoloana azy ireo Jesosy dia toa hoatrin’ny bitika. Ny firenena hanjakan’izy ireo tamin’izany fotoana izany dia goavana tokoa. Voalaza koa i Pilato. Tsy mamy hoditra tamin’ny vahoaka izy noho ny fitondrany satria be korontana sy fampijaliana tamin’ny androny. Hany ka mitady famonjena tokoa ny vahoaka. Rariny izany, mila vaha-olana sy famonjena ara-nofo. Eny, fa na dia ny fanahy aza mahatsiaro ory vokatr’izany.

Tao koa ireo mpitondra ara-mpivavahana. Raha nosinganina ireo olona ireo dia satria efa manomboka miely lavitra ny Filazantsara. Na jiosy na jentilisa dia samy nahare. Anjaran’ny tsirairay ny mandray na tsia na mino na tsia ny Vaovao mahafaly. Tsy voafetra ho an’olona vitsy fa ho an’ny rehetra.

Indro Jaona Mpanao Batisa nandray ny Teny tany an-efitra . Nivoaka tany mba hanatona ny vahoaka hanambara ny Vaovao Mahafaly.Hoy izy  » Indro ny feon’ny miantso mafy any an’efitra. Amboary ny làlan’ny Tompo. Ataovy mahitsy ny lala-kalehany…. Jaona dia nandray io teny io. Teny avy amin’Andriamanitra. Teny tsy avy amin’eritreritry ny olombelona. Teny izay hampiova ny tantaran’izao tontolo izao. Teny mahavariana satria toa hoatrin’ny mivatravatra. Satria mihikika izy miteny.

Teny mangitikitika, tsy mampi-toetra fa mampihetsika, mampandray andraikitra. Tao amin’ny fitokanana sy ny fahanginana no nandraisan’i Jaona ny teny.

Noteteziny ny faritr’i Jordana mba hanely izany. Tsy maintsy hiampita ny ony. Tetezana iray ihany no hahazona manatanteraka izany. Io no toerana tsy maintsy handalovan’ny vahoaka rehetra rehefa hiampita ny ony ka hifandray ny tany roa. Toerana fivezivezen’ny rehetra. Mifangaro eo daholo ny rehetra. Mahavariana izany. Mita ny ony mba hifandray amin’olon-kafa. Vonona amin’izany ve ny kristiana ? Mba hilaza ny Vaovao Mahafaly amin’ny hafa. Dingana lehibe izany.

Ary mampametra-panontaniana hoe : Inona no fitaovana entintsika hitoriana ny Filazantsara ary vonona ve isika hizara izany ho an’ny rehetra ? Ho fanatanterahana izany dia mila fiovana tanteraka . Izay no sary omen’ny batisa . Fiovana amin’ny lafim-piainana rehetra tsy mety. Jesosy, teo ambon’ny hazo fijaliana no nanatanteraka ny batisa lehibe izay nahatonga fahafatesana sy fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ary mifono ao anatin’izany ny fahafantesantsika sy ny fahavelomantsika.

Maro ny zavatra mety hitondra fahafatesana ho an’ny olombelona : aretina, teny ratsy, ady, fialonana, fitiavan-tena, fangalarana, fandaingana, fisandohana,fiavonavonana sy ny sisa tsy voatanisa . Tsy afaka miditra amin’ny fahavelomam-panahy ny olona raha tsy miala tanteraka amin’izay mamatotra azy ka manao izany ho antoky ny fiainany .

Ny Tompo Jesosy Kristy anefa dia mampanantena fa na dia ao anatin’ny ady sarotra aza, dia misy ny fiovana raha ekentsika izany. Misy koa ny irika hidiran’ny fahazavana ka ho afaka amin’izany mangeja sy manajamba ny masom-panahy.

Ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia miasa tsy hanameloka fa ny hamonjy.Ny Famonjena dia ny fahasitranana ara-panahy dieny izao. Ary tsy misy mahasakana izany raha mandray ny Teny ny olona.. Ny teny fampanantenana dia ny hoe : ny nofo rehetra dia hahita ny famonjena. Izany hoe ny olona tsirairay.Na dia mahatsiaro ny fahangirifirin’ny fiainana aza, dia tsarovy fa misy Ilay Vaovao Mahafaly hitondra hira vao eo amin’ny fiainan’ny tsirairay.Indrindra ho anao. Voninahitra ho an’Andriamanitra. Amena.