TENY ho vakiana

Isaia 62 : 11-12

Hebreo 1 : 1-6

Matio 2 : 1-12

Tranga roa no havadibaditsika isan-taona rehefa miresaka ny Noely isika. Ny voalohany dia ny nisehon’ny Anjely tamin’ny mpiandry ondry ary ny faharoa dia ny magy. Androany dia ny mikasika ny famangin’ny magy no voalahatra ho dinihina. Rehefa mihaino na mamaky ny tantaran’ny magy isika dia toa zava-mora ery no handraisana izany. Mora satria mpanjaka izany no hilazan’ny mpandinika ny magy, noho izany dia ho tsy nanahirana azy loatra ny fiainana na dia lavitra aza ny lalana nalehany. Manampahaizana no nilazana azy koa noho izany dia naravon’ny fahaizany daholo izay mety ho zava-tsarotra nanjo azy teny an-dalana. Hany ka lasa toa ny angano no niheritreretatsika ny tantaran’ny magy. Angano ka mody nasiana zava-manahirana teny an-dalana mba hampivoatra ny tantara.

Fa izany tokoa ve no tena marina. Ny fandinihantsika ny lalan’ny magy no hanazava amitsika ny marina. Raha hitady ny Mpanjaka ny mpanjaka dia Andriamanitra tahaka ny magy isika dia :

Voalohany tsy maintsy maharitra. Mpandinika ny lanitra ny magy. Ny nahafantarany fa misy Mpanjaka vao teraka mety tsy ho zava-mora izany. Nandinika lalina, nanokatra horonam-boky maro izay vao azo antoka ny fahateran’izany mpanjaka izany. Ary tsy fotoana fohy fa mety ho an-taonany maro. Avy eo indray ny fahatapa-kevitra handeha hizaha izany Mpanjaka vao teraka izany tsy mora. Hilaozana daholo ny fiainana rehetra. tsy fantatra nahaharitra hafrina na hafirina ny lalana. Izy telolahy magy rahateo angamba tsy avy amin’ny toerana iray akory no nihaviany. Ny toerana tokony hisy ny Mpanjaka tsy fantatra akory. Soa ihany fa nony tapa-kevitra izy nihetsika koa ilay kitana nitarika azy. Teny an-dalana tsy hita tampoka teo ilay kitana. Sahira mipepipepy tonga hatrany amin’i Heroda nitady ny misy ilay Mpanjaka : »Aiza ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ». Isika koa ry havana. Ela vao tapa-kevitra hiditra ho mpandray ny fanasan’ny Tompo ohatra ka hanaraka ny Tompo. Endrey izany isika na dia efa katekomena aza indraindray azon’ny faka-panahy hiverin’ny lalana satria kivy. Ela loatra ny fianarana ohatra. Tsy mifanaraka amin’ny eritreritro izay lazain’i Pasitera sns…Indraindray ilay mba zavatra nifikiratsika tsy hita intsony. Sedrain’ny aretina isika, lazon’ny tsy fisiana, potehin’ny fahadisom-panatenana hany ka tsy hitatsika intsony Andriamanitra. Ilay mba hany mazava mety hitarika antsika very tsy hita intsony. Mila fahareta ny fitadiavana an’Andriamanitra.

Faharoa sarotra ny mahita an’Andriamanitra satria mihoatra ny niheveratsika azy Andriamanitra. Andeha hiverina hijery ny magy isika. Rehefa nahafantatra fa an’i Betlehema no teraka ny Mesia ny magy dia nandeha ary ilay kitana dia hitany indray. Rehefa tena vonona isika dia miseho mitari-dalana antsika foana ny Tompo. Rehefa tonga tao an-trano nijanonan’ny kitana ny magy dia niditra tao an-trano, ary dia nahita ny zazakely sy Maria reniny. Ho an’ny maro izay nanatrika angamba dia zazakely ohatrin’ny rehetra io hita io fa ho an’ny magy kosa dia io ilay Mpanjaka nolazain’ny kintana. Ny mpisorona sy ny mpanora-dalana rehefa nanotaniana ny hahateran’ny Mesia dia nilaza fa any Betlehema no hahaterahany. Tamin’ny anefa dia zazakely ohatry ny rehetra ihany ilay any Betlehema satria zavatra hafa no nantenainy ho entin’ny Mesia koa tsy zazakely ohatran’io akory no hanavotra azy eo ambany ziogan’ny Romana. Tsy mahasarika olona intsony ny fiangonana ankehitriny. Lazain’ny sasany aza fa rongony netina handemena fotsiny ny olona ny fivavahana kristiana. Hafa no izany anefa Andriamanitra. Misy tranga sasany eo amin’ny fiainatsika efa tena heverina ho tsy misy fanafany mihitsy nefa hain’Andriamanitra no nanavotra antsika satria tsy araka ny noheverin’ny sasany ilay Andriamanitra tadiavitsika.

Ho anizay nahita an’Andriamanitra tsy maintsy miova lalana. Izao no voalaza « Rehefa notoron’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy… dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany » Ho any olona nahita ny Mesia dia miova lalana. Izany hoe raha mbola tsy niova lalana ianao dia mbola tsy nahita ny Mesia na Andriamanitra izany ianao. raha tsorina raha mpandainga ianao dia tsy mandainga intsony. Raha mpangalatra dia tsy mangalatra intsony. Mitaky fiovana ny fihaonanao amin’ny Tompo. Koa raha tsy mbola miova ianao amin’izao krismasy izao dia mbola nadalo fotsiny ihany ity Krismasy 2006 fa mbola tsy nahita ny Tompo ianao

Koa ho anao mitady ny Tompo amin’izao Krismasy izao tadidio fa betsaka ny famantarana mety ho hitanao hahazonao mahita azy. Na ny zava-miseho, na ny fitarihina hataon’ny olona, na ny zava-manjo anao. Hitarika anao koa ny tenin’Andriamanitra tahaka ny Magy. Ary tadidio fa Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra ny Andriamanitra tadiavinao. fotsiny ity Krismasy 2006. Ho tahaka ny magy anie ny fiainanao ka na sarotra aza ny lalana hahitanao ny Tompo dia ho hitanao izy fa hoy izy. « Ho hitanareo aho raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra ».