1 Timoty 1 : 12-17

Manambara ny amin’ny finoany i Paoly apostoly raha manohy ny soratra nataony ho an’i Timoty. Tsy manafina ny finoany an’i Kristy izy. Manamafy izy fa « Jesosy Tompontsika », Izy no Kristy. Izay rehetra mino an’i Jesosy Tompontsika dia tafahoana ao amin’i Kristy. Miaraka amin’ireo mpino teo alohany.

Tsaroany koa ny zava-dehibe noraisiny tamin’i Kristy dia ny fampaherezana azy amin’ny alalan’ny fanendrena azy ho amin’ny fanompoana. Vonona ny hitory ny Filazantsara rehefa niova fo Paoly na dia tao aza ny asany izay naha izy azy .

Nahatsapa tanteraka ny fahari-pon’ny Tompo i Paoly na dia mpiteny ratsy, mpanenjika, mpampahory aza taloha. Notendrena izy ankehitriny ho amin’ny fanompoana. Mahagaga antsika izany. Eken’i Paoly fa tao anatin’ny tsy fahalalana no nananan’izany toetra tsy mendrika izany. Tsy mbola nazava taminy ny antony hanarahana an’i Kristy raha tsy tonga teo an-dàlan’i Damaskosy izy.Ary tafahoana tamin’ny Tompo. Lehibe tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra.Tsy takatry ny saina ny fitiavan’Andriamanitra satria afaka mamela ny faharatsian’i Paoly Izy.

Manamafy ny finoany i Paoly ary soratany izany arak’izao : « Tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota ». Ary izy dia anisan’ny lohany. Io famindram-pon’Andriamanitra io no nahazoany ny famonjena. Nisaraka tamin’ ny rasty rehetra izay niainany fa tonga olom-baovao an’i Kristy izy.

Noho izany dia maneho fisaorana an’Andriamanitra izy. Tokana ny Andriamanitra izay inoany izany  amin’izao fotoana izao. Io Andriamanitra io aminy dia mpanjaka, tsy mety maty. Izany hoe Andriamanitra manome ny fiainana mandrakizay dia ny famonjena ary Andriamanitra velona mandrakizay.

Nanana ny tantarany i Paoly ary mampahafantatra izany.

Ny fanompoana nekeny dia ny fanambarana ho an’izay rehetra mihaino azy ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tsirairay no tian’Andriamanitra hitodika aminy. Ary tsy manavaka na iza na iza Andriamanitra. Raisiny izay rehetra miaiky ny helony. Ary tena mamela heloka Izy.

Ho antsika ankehitriny ny fiantsoan’Andriamanitra hiditra amin’ny asa fanompoana dia tsy milaza akory fa ianao no ambony indrindra ao amin’ny Fiangonana ka ianao no ho tompoina.

Misy andraikitra maro ao amin’ny Fiangonana ary samy atao ho amin’ny fanompoana. Tsy misy fiakarana «  grade » na iray aza izy ireny, na mpitandrina ianao ka lasa prezida synodaly. Tsy fisondrontana izany fa fanompoana an’i Kristy. Raha lasa diakona ianao dia tsy fisondrotana « grade » koa izany fa fanompoana an’i Kristy. Tahaka izany ny filoha-tsampana samihafa sy izay tsy voatonina eto. Ary raha io fisondrontana io no ao an-tsain’ny kristianina sasany dia manomboka ny fialonana sy ny korontana ao amin’ny Fiangonana, sy ny adihevitra mifanohitra amin’ny maha vavolombelona an’i Kristy ny kristianina.

Mety hanao toy ny nataon’ny Paoly ve ny kristianina dia ny fisarahana amin’ny faharatsiana samihafa izay izy ihany no mahalala azy.  Angamba tsy miteny ratsy toy ny nataon’i Paoly. Nefa dia misy milaza fa mbola manao izany. Teny mampalahelo sy mampaharary ny fon’ny namany na ny olon-tiany indrindra aza satria mihevitra izy fa izy no ambony. Na koa mbola manenjika satria mitsiriritra zavatra tsy azony. Na mamono olona an-kolaka amin’ny teny. Na mety hahafaty aza. Misy izany na dia tsy maro aza.

Koa ireo izay milaza manaraka an’i Kristy tsy mitsahatra ve tena afaka amin’izany rehetra izany. Raha mbola tsia no valiny dia mbola mitovy amin’izay tsy mino an’i Kristy ary mampalahelo an’Andriamanitra.

Tsaraovy fa i Paoly tsy niverin’ny làlana intsony rehefa nahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra azy. Ary nanaraka Azy tamin’ny heriny manontolo.