TENY ho vakiana

I Samoela 1 : 20-28

I Jaona 3 : 1-2, 21-24

Lioka 2 : 39-52

Tsy fantatra loatra izay zavatra nitranga nanomboka teo amin’ny niverenan’i Josefa sy Maria ary ny zazakely tany Nazareta sy ny nandraisan’i Jesosy ny asany. Ny hany voatantara dia ny niakaran’i Jesosy voalohany tany Jerosalema rehefa feno roa ambin’ny folo taona Izy. Heverina fa mifono zava-dehibe izany zava-nitranga izany matoa notantarain’i Lioka eto. Misy zava-miafina ao izay angamba nisy akony na tao amin’ny fiainan’ny ray aman-drenin’i Jesosy na tao amin’ny fiainany.

Ny ray aman-dreniny dia mbola nihevitra fa tahaka ny ankizy rehetra Jesosy koa rehefa tsy nahita azy afaka hateloana dia nitaitaina ka nandeha niverina nitady azy. Tonga hatrany amin’ny Tempoly. Gaga nahita azy tao ary dia nampiseho ny alahelony indrindra fa i Maria reniny. « Anaka nahoana no manao toa izany taminay Hianao ? » Hafa anefa ny valiten’i Jesosy rehfa nanakina Azy i Maria. Valiteny tsy nampoizina ary tsy nisy nahafantatra ny dikany no nataon’i Jesosy : « …Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy mitoetra ato an-tranon’ny Raiko Aho ». Izay tiany ho marihina dia ny hoe : tsy i Josefa akory io Rainy lazainy io. Vao roa ambin’ny folo taona Jesosy dia nanambara sahady ny tena maha-Izy Azy. Ny maha-zanak’Andriamanitra Azy. Tsy nolazainy eto koa ny hoe : Raitsika satria mazàna no nolazana fa zanak’Andriamanitra ny olona rehetra. Rehefa miteny anefa Jesosy dia navahany fa ny Tempoly dia an’ny Rainy. Aty aoriana dia fampiasany ny hoe : « Raiko sy ny Rainareo ». Tiany ho marihina tamin’ny ray aman-dreniny ara-nofo fa ny lehibe tamin’ny fiainany dia ilay maha zanak’Andriamanitra Azy. Faharoa daholo ny zavatra rehetra.

Izay tsy fantatr’i Maria sy Josefa dia ny hoe : fiasana ihany teo an-tanan’Andriamanitra hanatanterahana izay nokasainy izy ireo. Na dia teo aza ireo zava-nitranga tamin’ny nahaterahan’i Jesosy mbola nanan-danja taminy hatrany ny maha-ray aman-dreny ara-nofo azy ireo izany hoe : « Ray sy reny ka mbola manitsy sy mikapoka raha ilaina izany. » Natao hitaiza an’i Jesosy ara-nofo izy mivady ary ireo zavatra rehetra nataony dia ny hampivotra hatrany ny tena maha-Izy an’i Jesosy ary ny hanampy Azy hahazoany manatanteraka ny nanirahan-drainy Azy. Mazàna isika tahaka an’i Maria sy Josefa, ny momba antsika no tena zava-dehibe fa ny hampiseho ny maha-Tompo an’i Jesosy ambinamby ihany. Indraindray aza dia heveritsika fa ny hamonjena an’izao tontolo izao dia miankina amitsika. Ny hahita ny asa lehibe nataotsika no maha-maika fa tsy ny asa lehibe natao’Andriamanitra. « Raha tsy misy ahy efa ela no maty io Fiangonana io hoy isika « .

Tsy ilaozan-java-manahirana ny fitaizana, indrindra amin’izao androtsika izao. Na dia efa hita hatrany nandrity ny taon-jato maro aza ny fifandonana teo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka dia mbola misy ary tena misy izany amin’izao fotoana izao. Hitatsika teo aloha fa na dia i Maria sy Josefa aza dia tratran’izany koa. Tsy fantany intsony ny zanany. I Jesosy izay mpakato sy malemy fanahy iny indro niova fa nanao teny maha-tafitohina fa sahy milaza fa tsy rainy akory i Josefa. Ho azy ireo, indrindra ho an’i Maria, tsy io ihany no nisin’izany fa tany amin’ny fampakaram-bady tany Kana izay nitenenan’i Jesosy hoe : « Ravehivavy moa mifan’inona akory izaho sy hianao. » Ary rehefa niasa Jesosy noho mba nitady an’Azy, izy sy ny zanany dia nodin’i Jesosy tsy fantatra akory. Izay hita foana anefa dia nolazain’i Lioka fa i « Maria nitahiry izany rehetra izany tao am-pony » Nitahiry ny teny reny i Maria ka rehefa nohomboina tamin’i Hazofijaliana Jesosy ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo dia nivoitra taminy ny maha-zanak’Andriamanitra ity Zaza nasaina notazainy ity. Tsy misy afatsy amin’ny fanatonatsika an’Andriamanitra sy ny finoana Azy ka hitahirizatsika ao am-po ny teniny no hahatanteraka ny fitaizana ataotsika.