TENY hovakiana

Malakia 2 : 1-5

Hebreo 2 : 14-18

Lioka 2 : 22-40

Araka ny fomba Jiosy dia nentina tao amin’ny Tempoly Jesosy mba atolotra ho an’ny Tompo. Ity tantara ny fanolorana an’i Jesosy tao amin’ny Tempoly ity dia hitarafana sahady ireo zavatra mifanohitra ao amin’ny fiainan’i Jesosy.

Tambanivohitra roa avy any Nazareta no nitondra azy dia Josefa sy Maria. Tambanivohitra mahantra satria tsy afaka nitondra zanak’ondry mba hatao fanatitra akory fa nosolona domoina roa izany izay takatry ny vola. Nefa tambanivohitra nilazana fa ity Zazany ity izay entiny atolotra dia manana ny maha-Izy Azy. Na Simeona na Ana dia samy nanipika an’io daholo. I Lioka dia nanamarika ny fahagagana nahazo azy mivady. Na dia tao aza ireo zavatra maro niseho tamin’ny nahateran’i Jesosy nisalasala ihany ny ray aman-dreniny satria tsy azony an-tsiana velively ny mety hahatonga izany, hany ka gaga izy ireo. Olona roa najain’ny olona tokoa i Simeona sy Ana i Lioka dia nilaza fa mpivavaka tsara i Simeona ary dia nambarany koa fa i Ana dia mpaminanivavy. Izy ireo dia samy nilaza fa fanavotana ho an’ny firenenna tokoa ity Zaza ity ary ho voninahitry ny Israely.

Fa izay nolazan’i Simeona koa dia ny hoe : fandavona sy fanaganana. Mbola zavatra roa mifanohitra koa ireo. Raha milaza hoe fandavona dia ny fanapotehana, fanonganana no ao an-tsaina. Nambarany sahady tamin’izany izay hitranga any aoriana dia ny hahatonga an’i Jesosy hanapotika ireo rehetra tsy mety hita tao amin’ny Israely. Nopotehiny ny fomba fisainana Jiosy. Noravany ireo lalana izay natsoina hoe lalan’i Mosesy izay tena zava-dehibe tokoa teo amin’ny Jiosy sy ny maro hafa koa. Raha ireo lalana ireo no kasikasihana tamin’ny Jiosy dia fanapotehina mihitsy ny maha Israely an’i Israely izany. Singanitsika ny voalazany ao amin’ny Matio toko faha dimy hoe : » Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe aza mamono olona fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hoheloina amin’ny fitsarana ». Ary teo koa no nandrodanany ilay lalana teo amin’ny jiosy hoe : » Maso solon’ny maso nify solon’ny nify ». Raha izany dia narodan’i Jesosy ireo fototra nijoron’ny Israely taloha fa firenena vaovao indray no nahoriny. Jesosy fandavona ary Jesosy fananganana. Raha ny lalana no nihateheran’ny firenena Jiosy teo aloha, fahasoavana kosa no hananganany ny firenena vaovao.

Zavatra nifanohitra koa tsinjo dia ny nilazan’i Simeona hoe :  » Voninahitry ny Israely  » raha nilaza an’i Jesosy izy nefa aty aoriana indray dia nilaza tamin’i Maria izy raha nanolotra ny Zaza hoe : « ity zaza ity dia ho famantarana ho lavina ary ny fonao aza hotsatohana sabatra « . Voninahitra ny Israely nefa famantarana ho lavinan’ny Israely , izany hoe tsy ho hankatoavin’ny Israely ary hiafara amin’ny fanombohana amin’ny hazo fijaliana mihitsy satria hoy izy tamin’ny Maria hoe : Ny fonao aza hotsatohana sabatra. Mitranga eto ilay sady maha Andriamanitra an’i Jesosy no koa maha olombelona azy. Toa hita taratra eto sahady ny zavatra hanjo azy. Ny fandavan’ny Zanak’Israely azy ny fankahalany Azy ary ny famonony Azy aza.

Izany rehetra izany no mivoitra raha mandinika ity tantara ity isika. Eo amin’ny fiainatsika koa teha-handrodana zavatra betsaka ny Tompo. Tiany ho foanana ireo zavatra rehetra mangeja ny fiainatsika fa teha hanagana olom-baovao Izy. Meteza Tompo hiditra ato am-poko Hianao ary poteo daholo sy esory ireo zavatra mamefy ahy tsy hahita Anao. Hatsangano ho olom-baovao aho manomboka izao.