Nosoratana tamin’ny 30/07/2006 teto amin’ny.Averina eto fa mifanaraka amin’ny zavatra mitranga eran-tany.

Fisarahana    

ANDRIAMANITRA ô ! Toa tsara ny mangina hoy ny mpanoratra ny salamo raha eo anoloann’ny fahafatesana. Kanefa dia tsy mety aho anio fa manontany anao : nahoana no maro no nifanena taminy ka lasa nanaraka azy ? Tsy hita maso izy io raha tsy efa midona. Tsy hanome tsiny anao akory aho ry Ilay nahary tongotra aman-tanana fa te hiresaka aminao amin’izao takariva izao noho ny fisarahana amin’ny havan-tiana.

Tao ireo izay maty noho ny aretina, na noho ny loza nihatra noho ny herisetra, na ny ady. Samy tsy nampoizina fa hifarana teo ny fiainan’izy ireo. Hatramin’ny faram-pofonaina dia mbola nanantena ihany ny fianakaviana fa mbola ho tafita ka ho velona ny hava malalany. Kanjo indrisy Tompo. Nifarana teo ny andron’izy ireo teto an-tany. Nikimpy ny masony, nitsahatra ny fofon’ainy, tsy nitempo intsony ny fony. Niverina any Aminao ny ainy izay nomenao azy. Satria Ianao irery ihany no Tompony. Tsy nisy nitoerany intsony tao amin’ilay nofo.

Eny, Tompo, vita hatreo hoy ireo mbola velona. « Tsy manana dada intsony » aho hoy ny sasany. « Tsy misy neny » antsoina intsony hoy ny hafa. « Tsy ho hitako intsony ilay anadahy ». « Nangina teo ilay rahavavy ». « Lasa ny zandry tiana »…

Nitomany ny havana, nangovitra ny sasany.Te hihika aza. Feno alahelo ny fo ary mila ho vaky. Tsy misy mahatakatra ny alalin’ny fahoriana afa tsy izay niharany ary Ianao irery Andriamanitra. Eny fa na dia ao aza ireo miaraka ory amin’ny tena.

Hatao ahoana ny mamboatra ny fo sy ny saina izay voadona.Mangirifiry izao fotoana izao. Na ho an’ny havana akaiky na ho an’ny lavitra. Aza avela ho very toky Tompo ô ny mana-manjo eran-tany. Sakambino izy ireny ary mibitsiha aminy mba handrenesany ny Teninao hahazony mitraka. Ary ny fanantenany dia tsy ho levona satria Ianao no manana ny fiainana. Ianao no hanasitrana ny fo maratra. Ary hitsinjo sy hampahery azy ireny amin’ny fotoan’andro rehetra anio sy ny ho avy.Misaotra Anao nohon’ireo rehetra izay mahatsiaro azy ireny am-bavaka. Tsy irery akory na dia ao aza ny fisarahana an-tany. Amena

(fiaraha-mivavaka amin’ireo kristiana ao amin’ny  » Iles de la Mer des Caraïbes,  Cuba, la Dominique, Haïti « .)