TSY miafina aminao

Fa fohy ny fiainana eto an-tany.

Tsy misy olona azo atao :

Itsy ambony, iroa ambany

Fa samy nandray ny fofon’aina

Avy amin’Andriamanitra

Isika eto ambanin’ny lanitra.

Tsy miafina aminao

Fa velona ny Tompo

Koa raha tojo hakivina

Matokia fa tsy ho resy ianao,

Satria ilay Tompon’ny aina

Manome hery anao.

Velona Izy

Velona mandrakizay

Ary velona koa ianao

Raha ekenao izany.

Aza manao hoe :

Rehefa hikipy ny masoko

Tsia ! Fa dieny izao dia matoky

Satria velon’aina ianao

Tsy voavidy vola aman-karena

(Miaraha mivavaka amin’ireo kristiana ao Jerosalema) (Prions avec les chrétiens de Jérusalem)