1 Timoty 1 : 1 – 2

Ny epistily ho an’i Timoty (I,II) sy ny epistily ho an’i Titosy dia ireo soratra izay nalefan’i Paoly ho azy roa lahy ireo.Ireo boky telo ireo dia nantsoina hoe « Taratasy pastoraly ». Satria natao ho an’ny mpitondra Fiangonana sy ny olona manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana ary ny olona tsirairay izay atao koa hoe fiangonana. Izy roa lahy ireo dia nanaraka an’i Paoly hatraizatraiza, eny na dia tany am-pigadrana aza. Tany amin’ny faraparan’ny fahavelomany Paoly no nanoratra. Tany amin’ny taona 67 taorian’i J.K. no maty i Paoly.

I Paoly  dia mpanora-dalàna malaza sy nanampahaizana. Nanana toerana ambony. I Saoly no anarany .Tamin’izany fotoana izany dia nanenjika fatratra ny olona nanaraka ny finoana an’i Jesosy Kristy. Izy dia taranak’hebreo nifindra monina. Noho izany dia jiosy izy nefa nanana ny zo maha- romana azy koa. Teny ampanenjehana ny kristianina izy no tafahoana tamin’i Kristy teny an-dàlan’i Damaskosy. Nisy fotoana naha-jamba azy. Ary nitodika tamin’i Jesosy Kristy rehefa niresaka taminy. Teo no niovan’ny anarany ho Paoly. Izy no nitonona ny maha apostoly azy satria tsy niaraka tamin’ireo mpianatra 12 izy akory. Izao no ilazany momba ny tenany « I Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy, voantso ho apostoly, voatokana ho amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra izay nampilazainy mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminany tao amin’ny Soratra Masina –Romana 1 :1- » 

lzy dia milaza ao amin’ny Taratasin’i Timoty fa « apostolin’i Kristy Jesosy ». Ny teny apostoly dia avy amin’ny teny grika : « apostolos » izay midika hoe « iraka ». Irak’i Kristy Jesosy izy. Nanaiky ny hitory ny Filazantsara momba an’i Kristy Jesosy. Ilay Zanak’Andriamanitra izay nenjehana, ary maty kanefa natsangana tamin’ny maty. Tsy nisy antony ny maha-Zanak’Andriamanitra raha tsy nisy io fahavelomana io. Ary ny finoan’i Paoly dia nankininy tanteraka tamin’izany. Io no fototry ny finoana kristianina. Izay nahagaga ny rehetra ka heverina fa adalan’Andriamanitra sy fahalemen’Andriamanitra ny fahafatesan’i Jesosy. Nitondra ny anarana Kristy izy satria izy no voahosotra ho Mesia hamonjy izao tontolo izao. Ho an’i Paoly dia Izy no Mpamonjy antsika sy fanantenantsika.Tsy i Paoly ihany no ao an-tsainy fa ny mpino rehetra an’i Kristy.

I Timoty sy Titosy moa dia noheveriny ho tahaka ny zanaka ara-panahy.Mbola tanora tokoa izy ireo. I Timoty dia nitondra ny Fiangonana tany Efesosy (Ephèse any Turquie amin’izao fotoana). Rehefa tany am-pigadrana i Paoly dia nitoetra tany Azia Minora (Asie mineure izany tsy aiza fa Turquie amin’izao fotoana izao koa). Tany izy no nanoratra ho an’i Timoty ho solon’ny famangiana mivatana. Mamangy hanontany vaovao sy ilaza koa ny fampianarana izay zavadehibe eo amin’ny anjara andraikiny. Zanaka amin’ny finoana no ilazany an’i Timoty. Fantany tsara izany io mpitondra Fiangonana io.

Mahafinaritra tokoa izany hoe : misy olona mamangy. Taloha dia sarotra ny lalana satria tsy dia nisy firy ny fiara. Fa ankehitriny dia mora ny mifankahita. Na dia mbola misy toerana izay tsy tratra aza fa saro-diavina. Mamangy ny ray amandreny eto. Mamangy satria tia ny zanany ary manina azy. Mamangy satria te hitafatafa aminy. Mamangy satria ela tsy nihaonana. Fomba fanaon’ny olona maro izany na ao amin’ny fianakaviana na amin’ny maha mpinamana. Tsy mifanadino.Ray amandreny manara-maso ny asan’ny zanany i Paoly rehefa mamaky ny boky manontolo isika.

Ankehitriny maro no mifamangy amin’ny finday, mampiasa ny messenger, ny skype na ny sms tsotra sns … Asa na firy no mifamangy. Na izany aza dia efa ilazana fa tsy manadino koa. Maro karazany ny fomba atao hifamangina. Fa saingy singanina eto fa ray amandrenim-piangonana no manoratra. Ary tsy mety lefy hatramin’izao io fomba fiasany io. Mety hampahatsiaro an’i Timoty koa hoe « Aza hadino ny mamangy ny Fiangonana  ao aminao tahaka izao ataoko aminao izao ». Fifaliana ange izany hoe misy mpamangy. Na dia atao aza hoe ny mpitandrina, na ny pretra no mamangy na diakona, dia sarobidy ny teny entiny,satria teny nimdramina tao amin’ny Soratra masina.Iraka nalefan’Andriamanitra Ray hiteny amintsika ireny. Ary tsy ataotao foana izany. Tsy fahazarana.  Ary Paoly apostoly dia saika mampiasa io  amin’ny epistily rehetra izay soratany. Na am-piadohana na any am-para.

Amintsika rehefa mifanoratra dia mifampiarahaba no atao voalohany. Manaohaona ? Salama ? Manakory …Sy ny hoe « manatena anareo ho salama tsara ». Any am-parany vao misy fitsofan-drano ilay olona.

Fa saingy ny an’i Paoly dia hita aty am-piandohana : « Ho aminao anie ny fahasoavana, famindrampo, fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika ».Mirary fahasoavana. Ny voalohany dia ny fahasoavan’Andriamanitra Ray izay omena maimaim-poana. Arotsaka amin’ilay olona ny hitenenana izany. Ny faharoa : famindrampo avy amin’Andriamanitra Ray izay tena mamy satria tena lalina eo amin’ny fiainana. Mandray ny famindrampo : mandray ny famelan-keloka. Ny fahatelo, mirary ny fiadanana : atolotr’Andriamanitra Ray ho raisina ny fifaliana. Misy ohatri’izany ve ny fiadanana ? Feno filaminana sy fifaliana ny fiainana. Tsy vidim-bola ireo telo voalaza ireo. Tsy hita any amin’ny mpivarotra fa ny finoana an’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy zanaka no loharanony. Hamafisin’i Paoly amin’ny soratra ataony ho an’i Timoty izany ary amin’ny boky rehetra izay soratany.  

Isika kristianina koa dia mahare sy mandray an’io fiarahabana sy firarian-tsoa io. Fara-fahakeliny indray mandeha isakerinandro. Eo am-panombohana ny fanompoam-pivavahana dia voalaza ireo teny ireo : « ho aminareo anie … » Io no atao hoe : fiarahabana apostolika satria avy amin’i Paoly apostoly no nipoirany amin’ny alalan’ny soratra.

Amin’ny fiandohan’ny fanompoam-pivavahana rehetra na aiza na aiza, na inona karazam-pitenana ho an’ny kristianina dia misy anio daholo.  Na any am-piangonana na amin’ny onja-peo na televiziona no haharenesantsika izany.Tsy diso anjara isika raha tena mihaino. Mamelona ny fo sy ny fanahy izany teny. Izany no nampianarin’i Paoly an’i Timoty voalohany sy hampahatsiahiviny azy eto. Indrindra noho izy mitondra Fiangonana satria ny mpino izay miaraka aminy dia ho zanaka ara-panahy an’i Timoty koa.

Misy indraindra hanontaniana hoe : inona moa no voalaza tany am-boalohany, dia hoy ilay olona hafa mamaly  hoe « tsy tadidiko ». Mitandrema aza. Nomena sofina hihaino. Hihaino teny hamelona antsika indray fa aza varivariana. Afantohy tsara ny saina hihaino izay lazain’ny Tompo aminao.

Ahoana moa ny fihetsempo rehefa mahare hoe : soa notahin’Andriamanitra isika ka afaka mifampiresaka na mifanoratra. Tahaka izany ary mitafotafo ny fahasoavana izay arotsany amintsika isan’andro, isan-tsengodra. Ho Azy irery anie ny voninahitra. Amena.