Alarobia 25 desambra 2019

Jaona 1: 1 -18

Isan’andro raha ny tokony ho izy no hankalazana ny fahaterahan’i Jesosy izay voalaza ao amin’ny Filazantsara telo: Matio, Marka, Lioka. Fa ny Filazantsaran’i Jaona dia manova ny fomba filazana ny amin’ny Tompo Jesosy. Diso hevitra ny mihevitra an’i Jesosy ho zazakely foana. Nitombo izy, ary nandalo fiainana sarotra koa tamin’ny fanenjehana ary maty.Saingy nitsangana tamin’ny maty.
Somary nanakaiky ny bokin’i Genesisy tamin’ny fahariana izao tontolo izao ity fiandohan’ny filazantsaran’i Jaona ity.Notazoniny ho zava-dehibe ny fisin’ny Teny sy ny Mazava tamin’ny andro voalohany.
Marihina anefa fa ao amin’ny bokin’ny Genesisy dia ny mpanoratra no mampiteny an’Andriamanitra. Mampita amintsika ny mpanoratra tamin’izany fotoana izany hoe : manao ahoana ny fahafantarany ny fahalalany izao tontolo izao sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Ao amin’ny Genesisy dia tahaka ny tonon-kalo no hitantarany ireo andro fito mifandimby ahitana zava-baovao hatrany. Tsy lavitra ny tononkalo koa ny an’i Jaona.
Amin’ny mpanoratra ny Genesisy dia misy loharanony izay nihavian’izao tontolo izao ary tsy takatry ny saina izany.
Nahalala io soratra ao amin’ny Genesisy io ny mpanoratra ny filazantsaran’i Jaona. Ka ilay Teny izay nangina dia nampiteneniny ho feo ren’ny rehetra. Satria amin’ny filaharan’ny tantara momba an’i Jesosy Kristy ao amin’ny Testamenta vaovao , ireo filazantsara efatra dia voasoratra taty aorian’ny Epistilin’ i Jakoba, Tesaloniana, Hebreo. Ny taona nanoratana ny boky sy ny filaharany dia tsy arak’izay heverintsika azy rehefa jerena ny tantara. Any amin’ireo epistily ireo no hahitana ny fiangonana voalohany fa tsy ao amin’ny filazantsara akory.
Noho izany dia nahalala ny amin’ny Teny Velona i Jaona. Na dia somary nanahirana aza ny nampita izany tamin’ny mpihaino, sy mpamaky azy ary ny manodidina azy.Tsy mbola nitovy tahaka ny amin’izao andro iainantsika izao. Toa ny hoe: iray segondra dia fantatra ny vaovao.
Tany am-boalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra. Ary ny Teny dia Andriamanitra.
Ho tsarovana hatrany fa ny Teny tonga nofo dia nandalo vetivety teto an-tany 33 taona monja. Fa ny Teniny izay tsy nety maty ary velona mandrakizay no mbola tafatoetra eto amin’izao tontolo izao. Ary tao amin’ny Teny ny fahavelomana. Io fahavelomana io no fahazavan’ny olona.
Nafangaron’ny olona tamin’i Jaona ilay Fahazavana. I Jaona dia vavolombelona ihany nahita ary nanambara ny Aminy, izay tsy iza fa Jesosy Kristy.
Ho an’izay mpino ka nandray ny fahavelomana tamin’i Jesosy Kristy dia hitoeran’ny Fahazavana koa izay zarainy amin’ny rehetra.
Raha ny izy ny ankalazana ny Krismasy dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny fihaonany tamin’izao tontolo izao izay voamarika tao Bethlehema. Io fifaonana io dia voamariky ny sarin’ny hazo ijaliana. Teo no namela ny fahotana izay nentin’ny Zanaka’Andriamanitra ho hanavotana ny olona.Andro feno Fahazavana ny Krismasy ary Fahazavana tsy mety maty satria mitondra fahavelomana dia fiainana izany.Izay no manao izany fahatsiarovana izany miaraka amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny Krismasy satria toriteny hita maso manambara ny famonjena nataon’Andriamanitra.
Ho an’izay mandray ny Teny sy Fahazavana dia omen’Andriamanitra :
– Fitiavana
– Fahendrena
– Fahalalana
– Fahalemem-panahy
– Hery
– Fahatsarana
– Fandresena
– Haja
– Fototra hijorona amin’ny marina
– Tany hivelomana eto amin’izao tontolo izao …
Ireo no anisan’ny fanomezana lehibe atolotr’Andriamanitra. Maimaim-poana tsy misy vidim-bola na kely aza satria efa tonga ny Mazava. Ny mason’ny tsirairay no nahita ny Famonjena ka mahatonga ho Zanak’Andriamanitra izay manaiky sy manaraka ny sitrapony. Mangataha ny Fahazavana ho an’ny olona tsirairay, tsy an-kanavaka ao amin’ny firenentsika. Ho an’izao tontolo izao. Mamaly vavaka ny TOMPO ANDRIAMANITRA raha matoky ny Teniny isika.