Matio 11 : 1-12

Voalaza fa voasambotra i Jaona Mpanao Batisa ary natao an-trano maizina. Tao izy no nanara-maso ny fandehan’ny asa nataon’i Jesosy. Izy no nanomana ny fahatongavan’i Jesosy mba ho fantatry ny olona.

Ny manaitra dia tsy tena vonona ny hanaiky an’i Jesosy ho ilay Kristy tokoa i Jaona. Somary sahirana izy noho ny fieritreretana fa Izy ve ilay ho avy ka hanavotra ny olona. Tsy nampoiziny ny asa izay notanterina taminy. Izao ve no asan’ny Mesia izay nandrasan’ny jiosy. Jesosy rahateo koa moa jiosy. Hanafaka azy ireo amin’ny fanangezan’ny romana ka ho tonga olon’ afaka ve izy ireo. Izay mantsy no Mesia nandrasan’ny rehetra. Hoy ary i Jaona tamin’i Jesosy : «  Ianao va ilay andrasantsika sa mbola ho avy »?

Nampitondra teny ny mpianatr’i Jaona i Jesosy hilaza aminy ny asa nataony. Tsy nafeniny ny  fahasitranana tamin’ny olona nanatona Azy. Fanatanterahana izay voalazan’ny mpaminany Isaia no nataon’i Jesosy(Isaia 61 :1 sns).Izay no maha Mesia azy Aminy. Ary izay no tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny olona izay manantena fa hitondra fahafahana eo amin’ny fiainam-pirenena na ara-tsosialy na ara-politika i Jesosy. Saingy ireo fanasitranana nataony dia fanasitranana ny tenan’ny olona tamin’ny aretina izay naningotra ny fiainany ka nampijaly azy ireo. Famahana olana teo amin’ny olona izay tratran’izany.

Fa Jesosy koa dia nametraka fanontaniana tamin’ny olona ny amin’ny antony nandehanan’izy ireo tany an-efitra: « Inona no antony nandehananareo tany an-efitra » hoy Jesosy ?

  • Mahafinaritra ny mankany an-efitra ho an’izay tsy mbola nandeha tany.Tsara lazaina izany.Toerana mahavariana, toerana hialan-tsasatra.Toerana handinihin-tena. Toerana hitsangatsanganana koa.Hahalalana ny fiainan’ny olona any, ny zava-boahary izay mety ho hita any.Misy olona miaina sy mivelona any an-efitra. Hijery volotara ve hoy Jesosy ? Volotara malefaka, malemy  no mora azeran’ny rivotra. Na mianjera aza ny volotara tsy tapaka satria na dia heverina ho mareforefo aza dia manana ny heriny manokana. Tany an-efitra na i Jaona Mpanao Batisa na i Jesosy. Olona nanana ny hery nomen’Andriamanitra ary afaka nijoro tsara tamin’ny asa nanirahan’Andriamanitra azy ireo. Olon-tsotra tahaka an’i Jaona no tany, nitafy hodi-drameva ny mpaminany. Lehibe amin’ireo mpaminany izy satria izy no nametrahan’Andriamanitra ny fandaharana ilaza ny amin’ilay Mesia. Izy dia anisan’ireo mpaminany nanana andraikitra lehibe taorian’i Isaia nilaza ny amin’ny fihavian’i Jesosy. Izy ny nanomana ny vahoaka ny amin’ny fahatongavan’ny Zanak’olona no sady Zanak’Andriamanitra. Hoy ny filazantsaran’i Matio : « Indro aho maniraka ny irako hialoha Anao ». I Jaona no nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny amin’ny Mesia na dia atao aza hoe mamarana ny faminaniana ao amin’ny testamenta taloha izy .Ary na dia heverina fa kely ny fandraisany anjara ao amin’ny testamenta vaovao dia anisan’izay mpaminany lehibe izy noho izy mitondra fiovana sy zava-baovao.

Ny zava-baovao ho entiny dia ny fanambarana ny « Fanjakan’Andriamanitra ». Jaona no mpialoha lalana. Izy no misavasava ny lalan’i Jesosy hahazony manatanteraka ny asany eto amin’izao tontolo izao. Ary mampitandrina ny tsy hampidirana ny fanoherana ny Vaovao Mahafaly.

Raha nanomboka nitory ny amin’i Jesosy i Jaona dia nisy ny herisetra satria tsy neken’ny olona loatra ny zavatra nolazain’ny mpianany. Satria somary nafangaron’izy ireo ny amin’ny fanoheram-panjakana ny zavatra ambaran’izy ireo. Hany ka nisy fahadisoana ireo mpianatr’i Jaona izay heverina aza fa mitady ny hanorina antoko hanoherana ny fitondram-panjakana.Tsy izay no antony nahatongavan’i Jesosy satria samihafa ny atao hoe « Fanjakan’Andriamanitra » sy « Fanjakana mitondra ny tany sy ny firenena ». 

Tahaka izany koa rehefa nitory ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra Jesosy dia nisy ny tsy nankasitraka izany ary namaly izany tamin’ny herisetra (jereo Matio 5 :10 – 11). Satria nisy ireo izay natahotra sao mianjera ny fanjakana nisy tamin’izany fotoana izany.

Marihiko eto fa misy mihevitra fa tokony hilamina ny fiainan’izay manaraka an’i Kristy ary tsy voaelingelina. Misy fahamarianana izany. Saingy :

  • Raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny Filazantsara ny ataon’ny kristiana dia tsy maintsy voahenjika izy.
  • Raha toa ka tsy mijoro amin’ny marina fa manao kolikoly any amin’ny asany mba hahazony tombony dia hanakihanan’ny olona azy izany ary ho voahenjika izy.
  • Raha toa ka miray tsikombakomba amin’ny mpangalatra na mpamono olona ka miafina ao ambadiky ny vola ary toa heverina fa tsy misy mahalala nefa dia misy mahita ihany. Dia ho voahenjika izy.
  • Na kristiana na tsy kristiana samy tsy hanome rariny ny olona toa izay voatanisa teo.
  • Raha mamiratra isaky ny mandeha miangona na mamonjy fiaraha-mivavaka ho hitan’ny besinimaro nefa hitan’ny hafa fa matroka amin’ny fanambakana ny fiainan’ny kristiana sasany dia ho voahenjika izy.
  • Izany rehetraretra izany dia hadinony fa fanalam-baraka an’Andriamanitra ary tsy matoky ny olona. Na dia fantany fa tsy mety aza dia ataony ihany. Tsy misy mahita hoy izy. Nefa Andriamanitra mahita azy isan-tsegondra.

Nahoana koa anefa ny kristiana no henjehina ny amin’i Jesosy Kristy ?

  • Satria tsy maintsy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra izay hitoeran’ny fahamasinana sy ny fahamarinana. Jesosy Kristy ilay nitondra izany Fanjakana izany. Tsy tamin’ny herisetra no nanambarany ny Fanjakany sy ny nanorenany azy.Fa tamin’ny fitiavana.Ireo mahantra sy sahirana, sy marary sy kilemaina no natoniny haingana. Marobe ny olona tsy nisy niraharaha fa nirenireny teny ary Izy no nanangona azy ho sitranina. Ho sitranina ny fo sy ny sainy , ny fanahiny sy ny vatany. Ny fahasitran’izany no mitondra tsiky sy fifaliana. Miteraka fahavelomana ho an’ny olona. Ilaina ny asa sosialy fa raha asa sosialy atao an-katerena ka hanantenanana valiny dia tsy mandeha amin’izay laoniny. Jesosy Kristy tsy nitaky valiny tamin’ireo izay nasiny soa.Izay no maha-samihafa azy amin’ny manao atero ka alao. Mampieritreritra ihany izany. Tsy anarana entina tsy hampiheverana ny maha-kristiana fa ilaina fandinihina lalina fa hanatanteraka ny hafatra’Andriamanitra izay nolazain’i Jesosy Kristy. Didy fohy kely fa mafonja no hamintinany izany : « Tiava NY TOMPO ANDRIAMANITRAO . Tiava ny namanao tahaka ny tenanao, eny tiava ny fahavalonao koa ».
  • Asa izay fandraisanao izany fa mijery anao NY TOMPO. Inona no fanehohan-kevitrao. Inona no fanapahan-kevitro mba hanatsarako ny fijoroko ho vavolombelona tanteraka fa manaraka an’i Kristy aho.

Ho famaranana, ny « Fanjakan’Andriamanitra dia manomboka eto an-tany fa tsy rehefa tonga akory ny fahafatesana ». Raha niandry ny fahafatesana dia tsy tonga tety ambonin’ny tany akory Jesosy fa nijanona tany amin’izay misy azy tany. Raha mbola resy ny rendrarendran’ny tany dia mivavaha hanalan’NY TOMPO izany fa izany no anisan’izay hanenjehana anao. Fa ny Fanjakan’ny lanitra aloha dia ny hoe : mifidy an’i Jesosy Kristy. Izay ilana famolahan-tena izany fa tsy vita fotsiny amin’izao.

Izay ny fampahatsiahivan’ny Advento faha-III amintsika indray.