Matio 1: 18-25
Malaza loatra ny tantaran’i Jesosy Kristy.Maro ny olona nanoratra ny momba azy. Ao amin’ny Testamenta vaovao dia voasoratra any am-piandohan’ny bokin’i Matio ny momba an’i Jesosy. Hoy ny mpanoratra hoe « Toy izao ny filazana ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy ». Mazava tsara eto hoe « tantara ». Alohan’ny ilazana ny momba ny ahaterahany dia voasoratra ny tetiharana lava be. Misy ambaratonga 14 izany. Mahafinaritra sy zava-dehibe mantsy ny hafantarana ireo razam-be teo aloha. Indrindra raha tadidy izy rehetra.
Raha ny tokony ho izy dia tokony nisy tetiharam-pianakaviana efatra: ny ray sy renin’i Maria, ny ray sy renin’i Josefa. Fa saingy Matio dia nifidy ny hampahalala ny avy amin’i : Josefa fotsiny ihany. Nametraka ho voalohany ny ilazana ny tetiharan’ fianakavian’ny ray ny mpanoratra. Moa ve izany fianakaviana « patriarcal » ny an’i Jesosy sa « matriarcal ». Misy mantsy ny olona manandratra be loatra ny iray dia manao toa ny tsy misy vidiny ilay hafa. Toa tahaka ny tsy misy aza indraindray.
Ireo anarana rehetra voalaza ireo dia misy dikany avokoa: Ohatra Abrahama : rain’ny mpino (Ab: ray ; ram: mino).
Mikasika ny an’i Jesosy dia hafa kely ny eto amin’ny bokin’i Matio.Ny anjely no niseho tao amin’ny nofin’i Josefa nilaza taminy fa hiteraka zazalahy izy. Tsy voalaza ny anaran’io anjely io. Ny teny hoe : anjely dia avy amin’ny teny grika : angelos: izany hoe: mpitondra hafatra (messager).Ny ampiasana ny nofy no nentin’ny mpanoratra ilazana ny hafatra avy amin’Andriamanitra satria tsy mbola lavitra ny literatioran’ny Testamenta taloha eto.Izay hahitana misimisy kokoa ny amin’ny nofy. Efatra ihany ny ilazana momba ny nofy ao amin’ny Testamenta vaovao. Anisan’izany ny amin’ny vadin’i Pilato.
Tao anaty nofy ny anjely no nirahin’Andriamanitra hilaza ny amin’ny zaza izay ho teraka.
Tao anatin’ny nofy no nomena ny anarana.Tsy afaka nisafidy Josefa satria tonga dia efa notolorana io anarana io. Tsy nilaza ny anjely hoe « Jesosy Kristy » fa « JESOSY » fotsiny. Voalazany koa ny dikan’izany anarana izany « Izy no hamonjy ny olona rehetra ». Izy no Mpamonjy. Mpamonjy ny anarany ary mifandraika amin’ny asany izany raha jerena ny zavatra vitany tao amin’ny testamenta vaovao. Tsy misy mahavita izany afa-tsy JESOSY irery na dia hatramin’izao aza.Tsy lavina fa marobe no te haka ny toerany.
Manamafy koa i Matio fa io zaza io dia Imanoela izay voalaza tao amin’ny bokin’Isaia mpaminany. Imanoela midika hoe: Amintsika Andriamanitra. Tsy misy fifaliana na vaovao lehibe mihoatra izany. Tsy irery isika fa amintsika Andriamanitra. Izay no fampahatsiahivana lehibe androany. Ho an’izay kivy noho ny fahoriana manjo azy, na noho ny zava-mitranga eto amin’izao tontolo izao.
Tsy misy na iza na iza afaka maka ny hafatra natolotra an’i Josefa ho an’ny zanany: JESOSY.
Misy dia misy mantsy ny milaza na manely tsaho fa mahavita ny manasitrana, mampanakarena rehefa miara-mivavaka aminy. Betsaka ny misandoka ho manambara ny fahaterahan’i Jesosy. Ireo olona tratry ny fahasahiranana sy fahakivina dia azon’ny mpandainga fitahina. Misy ireo izay manao fampitahorana ka izy no mahay mitsara ny olona na hiditra ny lanitra na tsia. Firy ireo very fananana na ireo fianakaviana nisaraka noho ny filazana hafatra tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ny sain’olona te hanambaka. Ka hainy ny manambitamby.
Firy koa ireo milaza fa izao no nofiny , na izao no hitany, na izao no tenin’ny Soratra Masina henony ka mifandraika amin’itsy sy iroa.
Firy ny mirehareha fa manafaka ny olona amin’ny fahoriany.
Mampalahelo sy mampihomehy. Satria tsy mitondra fifaliana. Tsy hita ao aminy izany fanambarana Imanoela.
Ny teny sy ny asa no hahalalana fa efa novonjen’Andriamanitra. Azo hitarina lavitra be ny lohateny androany fa faranantsika eo aloha.
Mivavaka sy manatona ary miasa ho an’Andriamanitra satria efa novonjeny.Ary manatanteraka izay asa niantsony . Fa tsy hoe: hanao asa soa dia ho vonjen’Andriamanitra. Raha izay dia tsy misy akory ny famonjena.
Izay no hafatra amin’izao alahady fahaIV amin’ny Advento izao.