Matio 3 : 1 – 12

Nolazaintsika tamin’ny lasa fa ny safodrano nihatra tamin’ny andron’i Noa dia tandindon’ny batisa ao amin’ny Testamenta vaovao.

Ity perikopa androany ity dia mizara telo.

  • I Jaona Mpanao batisa no ilay mpaminany mampitohy ny Testamenta Taloha sy vaovao. Mampiditra sy mampahatsiahy fa ho avy ny Mpamonjy ny firenen’Isarely sy izao tontolo izao. Hanafaka ny olona izay mino azy izy. Jaona Mpanao batisa dia olona matanjaka ary vonona ny hampahafantatra ny asa ho ataony. Sakafo manome hery no fihinany : ny valala, ny tantely. (Na tany Madagasikara aza dia nisy ny valala tany amin’y taona 1955 tany ary nisambotra valala ny olona tao Antananarivo ho atao loaka. Fa tsy niandry ny hoe : sakafo bio ity na tsia. Ny tantely moa dia hitantsika eran’ny Nosy). Nitafy volon-drameva Jaona. Fitafy lafo sy sarobidy tamin’izany.Tsy ny rehetra no manana izany. Ny fehikibony hoditra koa dia sarobidy. Tsy olona miondrikondrika ny mpaminany fa mijoro ary ny fehikibo manampy amin’izany. Toy ny hoe : misikinà.Ao anatin’ny fahavononana tanteraka i Jaona Mpanao batisa. Nanao batisa izay niaiky ny fahotany izy.Izany hoe : niova fo ny olona izay tsy nino ary tapakevitra fa hizotra amin’ny lalam-baovao eo amin’ny finoany.
  • Mpitoriteny koa i Jaona Mpanao batisa. Anisan’izany ireto and 7- 10. Henjana ny zavatra lazainy. Tsy ho hadinontsika fa ny mpanoratra ny bokin’i Matio dia manana saina manaraka ny lalana(légaliste) tahaka an’i Paoly apostoly.
  • Olona roa samihafa (Jaona sy Jesosy) no manana andraikitra saika mitovy nefa tsy dia mitovy loatra. Ny iray manao batisa amin’ny rano ary ny iray manao batisa amin’ny Fanahy Masina. Fanazavan’i Jaona ny momba azy: ny batisa amin’ny rano. Ny fampidirana an’i Jesosy Kristy hanao batisa amin’ny Fanahy Masina.

                                                                                                           

Ny BATISA

Ny Fiangonana dia manao Batisa. Voalaza fa fanadiovana ary fidirana ho amin’ny fiainam-baovao. Natao ho mariky ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty.

Misy adi-hevitra ihany koa ny amin’ny Batisa : ny fotoana sy andro hanaovana azy. Ary indraindray na samy kristiana aza dia samy manenjana ny heviny.

Ao ny :

  • Manao batisa ny zaza vao teraka. Ary ny safidin’ny ray amandreniny no hanaovana izany. Misy ny Fiangonana izay tsy manaiky izany mihitsy. Raha efa vita batisa mbola kely aza dia haveriny atao batisa.Ka koy aho hoe : +b-b=0 raha jerena amin’ny mathématiques io. Nefa ilay batisan’ny zaza dia natao amin’ny anaran’ny Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina.Koa nahoana no haverina indray.Tahaka ny hoe : isika olombelona no mahalala ny ao am-pon’ny zaza atao batisa. Ny zaza tao an-kibon’i Elisabeta dia nihetsika na dia vao enim-bolana aza. Izany hoe na tany an-kibo aza dia nahalala ilay Mpamonjy. Koa tsy misy antony hitsarana.Fa fifaliana aza ny hisin’ny zaza entin’ny ray amandreny manatona ny Tompo. Ary manambara izany finoany izany. Ny zava-dehibe manampy izany dia ny fampianaran’ny ray amandreny ny antony nanaovany batisa ny zanany. Izany no ilana ny fihaonana amin’ny mpitandrina izay hanao ny batisa ka manazava ary mifandinika sy miara-mianatra ny Soratra Masina. Ny mpitandrina dia fitaovana fiasana hanao ny batisa fa tsy izy no manao batisa fa Andriamanitra.Izay no mahatonga ny mpitandrina miteny mialoha ny batisa hoe : « Tsy izaho no manao ny batisa fa Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy ». Izay vao miroso amin’ny batisa. Anjaran’ny mpitandrina ny manakona ny tenany ary tsy misehoseho.Izay no tokony hitandreman’ny mpitandrina fa tsy maika ny ilaza hoe any aoriana : « izaho ilay pasitera nanao batisa anao ! ». Fahadisoan-kevitra io. Diniho tsara inona no mahatonga anao hiteny izany.
  • Manao batisa ny zatovo na ny olon-dehibe. Io dia safidin’ny tsirairay satria heverina fa efa afaka mandajanlanja ny dikan’ny batisa izy.Sy ny akon’izany safidy izany eo aminy.Izy ireny dia nianatra ary nampianarana ny hevin’ny batisa. Misy maharitra taona iray na roa arakarak’ilay olona.

 

Ny zavatra hitovizan’ny batisan’ny zazakely na ny ankizy sy ny an’ny zatovo na olon-dehibe dia ny fanamafisana fa miara-maty tamin’i Jesosy izy ary niara-nitsangana tamin’i Jesosy Kristy ary voavelany ny helony.Izy no Tompo sy Mpamonjy azy.

 

  • Misy ireo zaza tsy vita batisa nefa maty. Izany tsy milaza fa tsy voavonjy izy akory. Andriamanitra no nahary azy ary izy no mandray azy. Madio tsy misy pentina ny hiverenany eo am-pelatanan-Andriamanitra rainy satria madio tsy misy pentina koa no nanoloran’Andriamanitra hitafy nofo teto an-tany.
  • Misy ireo mangataka ny hatao batisa fa efa ho faty izy. Tsy misy maharatsy izany. Indraindray dinidinika fohy no atao amin’ilay olona ary miroso amin’ny batisa.Tsy anjarantsika ny mitsara ny ao am-pony satria Andriamanitra ihany no mahalala.

 

Misy koa ireo izay atao hoe : mpiantoka (parrain et marraine). Misy ny miady fo mihitsy mba ho voafidy amin’izany.Misy ireo izay manao ny adidiny satria natao hitaiza ara-panahy iy ireo. Fa misy koa no tsy te hahalala fa dia faly amin’ny anarana fotsiny.Hadinony ny andraikiny. Indraindray aho manontany tena raha izy mpiantoka tsy fantany ny tokony ataony ahoana no hanampiny ilay hatao batisa. Sady fanekena (engagement) mandra-pahafaty fa tsy amin’ny fotoanan’ny batisa ihany.

Koa tsara ny mandinika izany rehetra izany.Satria tsy atao batisa na manao batisa satria izay no fomba ny fianakaviana fa mangataka tsara ny Fanahy Masina hanazavana ny saina na zaza na lehibe satria fifalian’ny kristiana sy NY TOMPO ANDRIAMANITRA izany.

Koa miverina eto amin’ny Matio isika momba an’i Jesosy.

Mbola mitohy ny toritenin’i Jaona Mpanao Batisa ary manazava izy fa ny batisa ataony dia amin’ny rano. Satria ny rano no nofidina ho marika ampiasaina amin’ny Batisa.Batisan’ny fibehana izany hoe batisan’ny fiovam-po.

-Misy ny atao batisa ka rano nalaina tao anaty famara no arotsaka kely eo amin’ny loha. Misy ny manao indray mandeha.Misy ny mamerina in-telo hilazana ny Ray sy Zanaka ary Fanahy

-Misy ny mandroboka ilay olona ao anaty rano tahaka ny any amin’ny ony toy ny an’i Jesosy tao Jordana. Misy ny namorona fanaovana batisa lehibe ka hahidina ao ilay olona.

-Misy koa ireo batisa amin’ny vovoky ny fasika any amin’y tany hay satria tsy misy ny rano.

 

Tsy mampiova ny dikan’ny Batisa akory ireo fomba fanao ireo.

 

And.11b : « Fa Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo… ».

Misy ny manontany fa rehefa vita batisa dia mbola miandry ny batisan’ny Fanahy Masina. Mifameno ireo ary miaraka hatrany amiko. Rehefa natao batisa ianao, na kely na lehibe dia natao tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Manamafy izany ilay nanao ny batisa na mpitandrina na hafa (satria mety ho laika, na katekista,na evanjelistra any amin’ny toerana tsy misy mpitandrina). Izay no teny notononina. Any amin’i Matio 28 :19 dia izay no voalazan’i Jesosy ho an’ny mpianany izay irahiny hanao batisa.Koa tsy tokony ho voarebireby isika. Tsy misy maha-afaka ny batisa izay noraisitsika tamin’NY TOMPO na dia tsy tsaroantsika aza fa mbola kely isika tamin’izany.

Izy no hanao batisa amin’ny Fanahy Masina : izy no hanome hery.Izy no manafoana ny tsy mety rehetra ary mamerina ny ao am-po sy ao an-tsaina ho vaovao. Ho diovina hoy ny texta « hanadio »tsara ny eo am-pamoloany… Ilay hery feno hafanana nomena anao no hampijro anao. Tahaka ny afo mandringana izay mety haningotra sy hanimba anao.Izy no hampandresy anao. Ny akofa sy ny mololo dia toa ireo zavatra rehetra manembatsembana antsika.Ho may ireny satria tahaka ny afo ny Fanahy izay nomena antsika.

Koa raha sendra kivy sy reraka ianao dia aza matahotra fa ilay Fanahy Masina ao anatinao na noraisina tamin’ianao vao teraka na ianao efa lehibe dia efa tao talohan’ny batisanao. Tsy nitsaoka Izy fa mitoetra ao am-ponao ary miandry ny henekenao azy. Izy no hamoha sy hitantana anao. Ny batisanao dia filazana am-pahibe maso fa maty sy niaranitsanga tamin’i Kristy ianao. Ary efa notafiny ny Fanahy Masina.Tsy ho hadino kosa angamba izany satria mitoetra mandrakizay ao anatintsika. Ny afon’ny Fanahy Masina manafana ny fontsika ary mandoro izay tsy mety. Fanahy madio no napetrak’Andriamanitra ao amin’ny olona tsirairay ary fanahy madio no miverina any Aminy rehefa mandao ity tany ity izy. Isaorana anie ny Tompo.

Amin’izao fankalazana ny Advento II izao dia tsy hadinon’NY TOMPO akory ianao.Izy no mitondra hafanana ao am-ponao.