SALAMO 37 : 1-6

Matetika dia ny anaran’i Davida no voalaza ho mpanoratra ny ankamaroan’ny Salamo. Ny Salamo izay tononkalo ary maro no natao ho hiraina. I Davida mpanjaka dia nalaza teo amin’ny atao hoe fitiavana. Ka i Davida mpanjaka eto mivetso ny fitiavana. Izay hita eo amin’ny lohateny hoe  « an’i Davida ».  Ho «an’ ny fitiavana » izay ambaran’ny mpanjaka eto.

Ity Salamo 37 ity dia ahitana ny alphabet amin’ny teny hebreo : Alef, bet, gimel …tao. Ireny koa no natao ho isa. Izay no maha SALAMO ABD ity Salamo ity.

Ny lohateny napetraky ny mpanitsy Baiboly taty aoriana dia ny hoe « Aza mialona ny fahombiazan’ny ratsy fanahy »-

Raha vakiana sy mandinika tsara manomboka eo am-piandohana ka hatrany am-paran’ny toko isika dia hisoritra mazava ao karazan’olona roa. Ianao(na izaho ) sy ny mpanao ratsy, ny somary mihavaka dia ny nampiasana ny teny hoe « ny mpanao heloka and 1b » sy ny « mpanota and 38). Mazava dieny izao fa tsy nahilika taminao (na tamintsika na tamiko ) ny mpanao ratsy.

Ny teny nampiasaina ilazana ny mifanohitra amin’ny mpanao ratsy dia misy maromaro eto amin’ny toko37 : and 11, ny mpandefitra, and 12, ny marina ; and 14, ny ory sy ny mahantra ; and 18, ny olo-mahitsy ; and 28, ny olony masina ; and 37 ny olona tia fihavanana.Ny marina no miverina matetika.

Raha mamerina mamaky indray dia hita fa mazava tsara ny asa vokatry ny ataon’ny mpanao ratsy sy izay angatahina ho ataon’ny marina. Hita eto fa miaraka hatrany ny tsara sy ratsy. Mifanjohy hatrany. Ho antsika mpamaky dia tsy ampoizintsika izany. Isaky ny andininy dia misy filazana ny amin’ny mpanao ratsy sy ny marina. Izany hoe eo amin’izay misy ny tsara dia misy ny ratsy koa. Sarotra ekena izany aminsika. Nefa izay no izy.

Teny iray ihany no ilazana ny teny tsara(tov) amin’ny teny hebreo : tsara sy soa

Ary mazava fa eto amin’izao tontolo izao, eo amin’ny fiainana an-davan’andro, dia na misy aza ny manao ny marina dia tsikaritra eny ihany ny manao, na maniry hanao ratsy hatrany. Marobe ny olona mivavaka tsy hisin’ny zava-dratsy nefa dia mbola hita eo ihany satria misy ny mpanao zava-dratsy. Izay no mahafeno ny sainy.

Zava-dehibe ny voalazan’ity SALAMO 37 ity satia manoro lalana ho antsika izy ary manome karazan-dalàna eo amin’izay hahatsapantsika ny tsara sy ny ratsy. Indrindra moa ny tsy fahazakana ny ratsy mitranga. Mazava ho azy fa matoa misy ny zava-dratsy dia misy ny mpanao azy. Ary lazain’ny Salamo eto hoe : « and 1, ny mpanao ratsy, and 10 ny ratsy fanahy ».

 

Raha vao manomboka ny soratra dia efa misy fepetra voalaza.

  • Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao. Aza mialona ny mpanao meloka.

Izay tezitra izany dia asainy mitony (and 1, 7, 8 ).  Aoka tsy ho feno fahatezerana ny fo sy saina. Aza mitsiriritra ny ratsy ataon’ny hafa. Izany hoe avelao any izy.Fanimbana ny tena ny fitsiriritana ny mpanao ratsy.Tsy mitondra soa ho an’ny tena izy. Tsy mirehitra na amin’ireo izay mamporisika any ambadika hanao ratsy aza.   

Asa na firy amintsika no mahatanteraka izany nefa izany no takin’ny mpanoratra ny Salamo.  

Nampitahain’i Davida amin’ny ahitra sy ny ahi-maitso halazo ny mpanao ratsy (and2). Satria aminy dia tsy haharitra ny ahitra sy ny ahi-maitso. Ho fongotra haingana izy ireny. Raha vao maina dia arin’ny olona. Tsy manan-kery intsony.Ny ahitra maina matetika dia dorana.Eto dia tsy ny afobe araka izay heverantsika azy matetika no antony handorona azy fa ny fanasarahana.Tsy tehirizina mantsy ny ratsy. Tahaka ny ahi-maitso malazo dia tapahina. Ny teny tapahina eto dia midika koa hoe « famorana » amin’ny teny hebreo.Rehefa forana dia misy izay faritra tapahina ary halana. Sarahina hiala teo tsy hiraikitra amin’ny fototra.   

Ny fanaovan-tsoa na ny tsara no asaina atao. Fa aoka tsy ho voarebirebin’ny ratsy na ny asa ratsy. Mianjera ho azy ny ratsy. Ny ilana ny olona dia ny hanao ny tsara ary tokony hampitombo izany fitiavana ny fahatsarana izany. Mikarakara ny tany. Manasoa ny tany. Manatsara ny tany izay nomen’ny Mpahary azy. Misy andraikitra lehibe miandry azy.

Misy ny faharatsiana ao anatin’ny tsirairay koa. Tsy azo lavina izany. Hany ka ny « aza mialona ny ratsy »  dia famporisina tsy hanao tahaka azy. Fa hampitombo ny tsara ao anatintsika. Izany no asa nataon’i Jesosy. Nampiseho tamin’ny olona ny fampiroborobona ny soa sy ny tsara. Nanala ny ratsy Izy teo amin’izay tratran’ny demonia na ny aretina. Nasainy nanalavitra ny marary ireny. Nasainy nihataka. Ary afaka tanteraka izay voafatotry ny ratsy. Nianjera ho azy ny ratsy. Nalazo tahaka ny ahi-maitso ary notapahina. Tokana ny nahatanteraka izany dia ny Tenin’Andriamanitra. Satria ny soa sy ny tsara dia notehirizin’Andriamanitra. Nampiasainy tao amin’ny Teniny ary io irery no maharitra mandrakizay. Ireny zavatra nitsivalambalana teo amin’ny fiainan’ny olona ireny dia tsy manaraka azy ao amin’ny mandrakizay satria tapahin’Andriamanitra izany.

(Hitohy amin’ny manaraka)