IMPIRY no nahatsiaro isika fa toa very rehefa mahare ny zava-mitranga isan’andro amin’ny filazam-baovao. Toa ohatrin’ny levona ny fahazavan’ ny andro. Tsy hadinontsika fa tsy mandao ny olombelona Andriamanitra na dia be aza ny onjam-piainana.

Indro ny Tanany mandray ny tanantsika ary mampitsangana antsika moramora. Mitraka ny tsirairay mahare ny teny hoe : « Tia anao Andriamanitra, reny ny fitarainanao ». tsy misy teny mamy mihoatra izany.

Andriamanitra nahary izao tontolo izao. Nanome izay tsara indrindra ho an’ny olona tsirairay. Raha jerena ny tontolo iainana dia hita fa tonga lafatra izany ho an’ny olombelona. Fa saingy tsy voakolokolo ka simba indraindray.

Sarobidy amin’Andriamanitra ny olombelona. Nefa dia mbola maro ny misalasala ny amin’ny famonjena omena. Andriamanitra maharitra ary inoantsika fa hahita famonjena ny tsirairay.Mampahatsiaro izao fotoana izao ary isaorana ny Tompo.Amena.

Hiara-mivavaka amin’ireo kristiana ao Cap Vert, Gambie, Guinéé ; Guinée Bissau, ary Sénégal isika.