RY tsy miova ô ! Indraindray dia tsaroana fa mafy ny fiainana. Nisy tara-pahazavana nipoitra na dia mbola lavitr’ezaka vao tomombana ny andavan’andronay. Indrisy toa levona ny fanantenana fa injao milofika ilay andro mbola mareforefo. Mbola ho maizina ve ny andro ?

Tahotra no ao am-pon’ny maro. Ahoana re Tompo no miovaova ny fiainana ? Mbetika tsara, mbetika toa mahakivy. Betsaka ny herisetra,ny fankahalana izay mety mihafara amin’ny fahafatesana. Niserana toy ny ranon’ando ny fanantenana.

Tompo ô ! Ianao no hianteheranay. Ianao no hitokianay satria tsy mivadika amin’ny Teninao Ianao. Manasoa anay isan’andro Ianao. Tsy manadino anay Ianao.

Mitalaho sy mivavaka Aminao izahay. Mamindrà fo amin’ izay tsy mety vitanay. Havaozy ny sainay mba hahatakatra marina izay tianao ataonay. Hampahirato ny masom-panahinay. Sokafy ny fonay sy ny sofinay mba handray ny Teninao.

Mamelà anay raha sendra ka tsy matoky Anao izahay satria mitady valim-bavaka eo no eo. Hay, zavatra hafa no havalinao ny fangathanay satria izany no mahasoa anay. Tsy miova ny Fitiavanao.

Mivavaka Aminao izahay. Fantatrao ny tebiteby sy ahiahy ho an’ireo izay mangirifiry. Ovay ny fo sy ny sainay ireo izay te hanararaotra ny fahalemena sy ny fahantran’ny hafa.

Maro ny mamoy fo. Eny efa nialoha làlana anay Ianao ka mahare ny antson’ireny havanay ireny eran-tany. Tsy miova tokoa Ianao Tompo. Misaotra Tompo ô !

Ny vavakay dia hakambanay amin’ireo kristiana ao Cameroun, Centrafrique, Guinée equatoriale.