O ry firenena

TSY handry ny nahatongavan’izao fotoan-dehibe izao. Hankalaza ny fahafahana miaraka ny vahoaka manontolo.

Misaora an’Andriamanitra fa mbola velon’aina. Izy no miahy sy mamelona.

Akory ny hafalianao hitantara amin’ny taranaka mifandimby fa afaka sy mahaleon-tena ny firenena.

Koa mivavaha ho an’ny tanindrazana ianao. Mivavaha ho an’izay mbola tratran’ny tsindry hazo lena mba ho faly toa anao. Mivavaha ho an’izay mankalaza ny fahafahana n’aiza n’aiza.

Aza hadino fa mbola misy ireo olona ao anatin’ny figadrana. Figadrana amin’ny fomba maro samihafa. Manantena koa izy ireo fa hipololotra ny vavaka ataon’ny malagasy ho fahafahana tanteraka ho an’ny tsirairay eran-tany.

Enga anie ho foana hatreo ny fijaliana vokatry ny fanadevozana. Ny Tompo mihaino ny vavaka ataontsika. Ho tanteraka izany raha atao am-pitiavana.

Prions avec tous les chrétiens de la Communauté invisible de la souffrance