INONA no vavaka ataoko anio ? Nahare aho fa tsy salama ny zanaky ny atsy avaratra ary toa mamoy fo ny ray aman-dreniny. Inona no azoko atao ? Tsy vola, tsy fanafody no misy ato amiko ka azoko zaraina aminy. Toa niparitaka ny havana aman-tsakaiza ka toa irery rizareo.

Nahare aho fa namono tena ny vadin’i ramatoa atsy an-drefan-tanana. Tsy fantatro izay antony. Tsy sahy mijery ny manodidina ny havan-dratompokolahy. Tena ory. Maina ny vava, tsy maha-teny intsony. Tsy nampoizina ê !

Nahare aho fa nangalatra mofo tatsy amin’itsy mpivarotra itsy ny namana iray. Tena noana ny fianakaviany . Noheveriny fa soa ho an’ny ankohonany ny nanaovany izany. Kanefa nitondra fitsarana sy fanamelohana ho azy izany.

Nahare aho fa tsy nanan-kialofana ny tovolahy iray, ka natory teo ambany lavarangana iray. Kanjo, nianjera io fa efa tena simba. Ary dia maty tao.

Andriamanitra ô ! Nahare sy mahare zavatra betsaka ny sofiko. Ary malahelo aho. Omeo hery aho Tompo, amin’ilay fitiavana ato amiko mba hanampy ny hafa. Matoky aho fa mitoetra ao amin’izy ireo mandrakariva Ianao.

Tsarovy ny mivavaka ho an’ireto tany ireto :Grande Bretagne, Irlande